열왕기상 9장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 열왕기상 (1 Kings) · 28절
- 1 Ary rehefa vitan’ i Solomona ny nanaovany ny tranon’ i Jehovah sy ny lapan’ ny mpanjaka araka izay rehetra efa niriny hatao,
- 2 dia niseho tamin’ i Solomona indray Jehovah tahaka ilay nisehoany taminy tao Gibeona.
- 3 Ary hoy Jehovah taminy: Efa reko ny vavakao sy ny fifonanao izay nataonao teo anatrehako; koa efa nohamasiniko ity trano nataonao ity mba hampitoerana ny anarako mandrakizay: ary ho amin’ ity mandrakariva ny masoko sy ny foko.
- 4 Ary raha ianao handeha eo anatrehako tahaka ny nandehanan’ i Davida rainao tamin’ ny fahitsian’ ny fo sy ny fahamarinana ka hanao araka izay rehetra nandidiako anao ary hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko,
- 5 dia hampitoeriko mandrakizay amin’ ny Isiraely ny seza fiandrianan’ ny fanjakanao, araka ilay nolazaiko tamin’ i Davida rainao hoe: Tsy ho diso zanakalahy amin’ ny seza fiandrianan’ ny Isiraely ianao.
- 6 Fa raha miala amin’ ny fanarahana Ahy kosa ianareo na ny zanakareo ka tsy mitandrina ny lalàko sy ny didiko, izay nataoko teo anoloanareo, fa mandeha manompo andriamani-kafa sy miankohoka eo anatrehany,
- 7 dia hofongorako tsy ho amin’ ny tany izay nomeko azy ny Isiraely; ary ity trano izay nohamasiniko ho an’ ny anarako ity dia hofongorako tsy ho eo imasoko; ary ny Isiraely ho tonga ohabolana sy ambentinteny any amin’ ny firenena rehetra;
- 8 ary na dia avo aza ity trano ity, dia mbola hitalanjonan’ izay rehetra mandalo izy sady hisitrisirany ka hanaovany hoe: Naninona re no dia nataon’ i Jehovah toy izao ity tany sy ity trano ity?
- 9 Ary hisy hamaly hoe: Satria ny olona nahafoy an’ i Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra ny razany nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, ary nikikitra tamin’ andriamani-kafa sy niankohoka teo anatrehany ka nanompo azy, dia izany no nampidiran’ i Jehovah izao loza rehetra izao taminy.
- 10 Ary nony afaka ny roa-polo taona nanaovan’ i Solomona ny trano roa, dia ny tranon’ i Jehovah sy ny lapan’ ny mpanjaka
- 11 (Hirama, mpanjakan’ i Tyro, nanome an’ i Solomona hazo sedera sy hazo kypreso ary volamena, araka izay rehetra niriny), dia nomen’ i Solomona tanàna roa-polo tany amin’ ny tany Galilia kosa Hirama.
- 12 Ary Hirama niala tany Tyro hizaha ny tanàna izay nomen’ i Solomona azy, ka tsy tiany ireny.
- 13 Dia hoy izy: Hatao inona ireo tanàna nomenao ahy ireo, ry rahalahiko? Ary ireny dia natao hoe tany Kobola mandraka androany.
- 14 Ary Hirama nampanatitra talenta volamena roa-polo amby zato ho an’ ny mpanjaka.
- 15 Ary izao no toetry ny fanompoana nampanaovin’ i Solomona mpanjaka ny olona, tamin’ ny nanaovany ny tranon’ i Jehovah sy ny lapan’ andriana ary Milo sy ny màndan’ i Jerosalema, sy Hazora sy Megido ary Gazera
- 16 (fa Farao, mpanjakan’ i Egypta, efa niakatra, dia nahafaka an’ i Gazera ka nandoro azy tamin’ ny afo; ary ny Kananita izay nitoetra tao an-tanàna dia novonoiny, ary ny tanàna dia nomeny ho haren-jazavavy ho an’ ny zananivavy, vadin’ i Solomona),
- 17 ary, Solomona nanamboatra an’ i Gazera sy Beti-horona ambany
- 18 sy Baleta sy Tadmora any an-efitra, amin’ ny tany Samata,
- 19 ary ny tanàna fitehirizana rehetra izay nananan’ i Solomona sy ny tanàna fitoeran’ ny kalesy sy ny tanàna fitoeran’ ny mpitaingin-tsoavaly sy izay tian’ i Solomona haorina tany Jerosalema sy tany Libanona ary tany amin’ ny tany nanjakany rehetra.
- 20 Ary ny olona sisa rehetra tamin’ ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, izay tsy isan’ ny Zanak’ Isiraely,
- 21 dia ny taranany izay sisa nandimby azy teo amin’ ny tany, izay tsy azon’ ny Isiraely naringana avokoa, no nampanaovin’ i Solomona fanompoana mandraka androany.
- 22 Fa ny Zanak’ Isiraely dia tsy mba nampanaovin’ i Solomona izany; fa izy kosa no miaramila sy mpanompony sy komandy sy mpanafika malaza sy komandin’ ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny.
- 23 Izao no isan’ ny mpifehy ny olona voatendry izay nitandrina ny asan’ i Solomona: dimam-polo amby dimam-jato lahy no mpifehy ny mpiasa.
- 24 Ary rehefa niakatra avy any an-Tanànan’ i Davida ny zanakavavin’ i Farao hankany amin’ ny tranony izay nataon’ i Solomona ho azy, dia nanao an’ i Milo koa izy.
- 25 Ary intelo isan-taona no nanateran’ i Solomona fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo ambonin’ ny alitara izay naoriny ho an’ i Jehovah, sady nandoro ditin-kazo manitra teo ambonin’ ny alitara teo anatrehan’ i Jehovah izy. Ka toy izany no nahavitany ny trano.
- 26 Ary Solomona mpanjaka nanao sambo tao Ezion-gebera, izay ao anilan’ i Elota, ao amoron’ ny Ranomasina Mena, amin’ ny tany Edoma.
- 27 Ary Hirama nampandeha ny vahoakany tamin’ ny sambo, dia matilô izay nahay ranomasina, hiaraka amin’ ny vahoakan’ i Solomona.
- 28 Ary nankany Ofira ireo, dia naka talenta volamena roa-polo amby efa-jato, ka nentiny tany amin’ i Solomona mpanjaka izany.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗