열왕기상 4장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 열왕기상 (1 Kings) · 20절
- 1 Ary nanjaka tamin’ ny Isiraely rehetra Solomona mpanjaka.
- 2 Ary izao no lehibe tao aminy: Azaria, zanak’ i Zadoka, no mpisorona;
- 3 Elihorefa sy Ahia, zanak’ i Sisa, no mpanoratra; Josafata zanak’ i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaha-mpanjakana;
- 4 ary Benaia, zanak’ i Joiada, no komandin’ ny miaramila; ary Zadoka sy Abiatara no mpisorona;
- 5 ary Azaria, zanak’ i Natana, no lehiben’ ny olona voatendry; ary Zaboda, zanak’ i Natana, no mpanolotsaina, sakaizan’ ny mpanjaka,
- 6 ary Ahisara no lehiben’ ny tao an-dapa; ary Adonirama, zanak’ i Abda, no komandin’ ny mpanao fanompoana.
- 7 Ary Solomona nanendry roa ambin’ ny folo lahy ho amin’ ny Isiraely rehetra hiadidy ny zavatra rehetra nilain’ ny mpanjaka sy ny ankohonany; samy niadidy ny iray volana avy amin’ ny herintaona izy.
- 8 Ary izao no anarany: Beni-hora tany amin’ ny tany havoan’ i Efraima;
- 9 Beni-dakera tao Makaza sy tao Salbima sy Beti-semesy ary Elon-beti-hanana;
- 10 Beni-haseda tao Arobota; Soko sy ny tany Hefera rehetra no azy;
- 11 Ben’ abinadaba tao amin’ ny havoan’ i Dora rehetra (Tafata, zanakavavin’ i Solomona, no vadiny);
- 12 Bana, zanak’ i Ahiloda; azy Tanaka sy Megido ary Beti-sana rehetra, izay anilan’ i Zaretana, ambanin’ i Jezirela, hatrany Beti-sana ka hatrany Abela-mehola, dia hatrany ankoatr’ i Jokneama no azy.
- 13 Beni-gabera tao Ramota-gileada; ny tanàna madinika an’ i Jaïra, zanak’ i Manase, izay any Gileada, no azy; azy koa ny tany Argoba, izay any Basana, dia tanana enim-polo lehibe nisy manda sy hidy varahina;
- 14 Ahinadaba, zanak’ Ido, tany Mahanaima;
- 15 Ahimaza tany Naftaly; izy kosa nanambady an’ i Basemata, zanakavavin’ i Solomona;
- 16 Bana, zanak’ i Hosay, tany Asera sy Alota;
- 17 Josafata, zanak’ i Paroa, tany Isakara;
- 18 Simey, zanak’ i Ela, tany Benjamina;
- 19 Gabera, zanak’ i Ory, tany amin’ ny tany Gileada, tanin’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, sy Oga, mpanjakan’ i Basana; ary izy ihany no voatendry ho amin’ izany tany izany.
- 20 Ary ny Joda sy ny Isiraely dia maro, tahaka ny fasika amoron-dranomasina ny hamarony, sady mihinana sy misotro ary mifaly.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗