역대하 8장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 역대하 (2 Chronicles) · 18절
- 1 Ary nony afaka ny roa-polo taona naonaovan’ i Solomona ny tranon’ i Jehovah sy ny lapan’ ny tenany,
- 2 dia namboariny ny tanàna izay nomen’ i Hirama azy ka namponenany ny Zanak’ isiraely.
- 3 Ary Solomona nankany Hamata-zoba ka naharesy azy.
- 4 Ary nanorina an’ i Tadmora tany an-efitra sy ny tanana fitehirizana rehetra izay nataony tany Hamata izy.
- 5 Ary namboariny koa Beti-horona ambony sy Beti-horona ambany, tanàna mafy misy manda sy vavahady mihidy,
- 6 ary Baleta sy ny tanàna fitehirizana rehetra izay an’ i Solomona sy ny tanàna rehetra fitoeran-kalesy sy ny tanàna fitoeran’ ny mpitaingin-tsoavaly ary izay rehetra tian’ i Solomona haorina tany Jerosalema sy tany Libanona ary tany amin’ ny tany nanjakany rehetra.
- 7 Ary ny amin’ ny olona sisa rehetra tamin’ ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, izay tsy isan’ ny Isiraely
- 8 dia ny taranany izay sisa nandimby azy teo amin’ ny taniny, fa tsy naringan’ ny Isiraely, no nampanaovin’ i Solomona fanompoana mandraka androany.
- 9 Fa ny Zanak’ isiraely dia tsy mba nampanaovin’ i Solomona izany, fa ireo kosa no miaramila sy komandin’ ny mpanafika malaza ary komandin’ ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny
- 10 Ary izao no mpifehy ny olona voatendrin’ i Solomona mpanjaka, dia dimam-polo amby roan-jato izay nanapaka ny olona.
- 11 Ary Solomona nitondra ny zanakavavin’ i Farao niakatra avy tany an-Tanànan’ i Davida ho ao amin’ ny trano izay nataony ho azy, fa hoy izy: Ny vadiko tsy mahazo mitoetra ao an-tranon’ i Davida, mpanjakan’ ny Isiraely, fa masìna izay efa nidiran’ ny fiaran’ i Jehovah.
- 12 Ary tamin’ izany Solomona nanatitra fanatitra dorana ho an’ i Jehovah teo ambonin’ ny alitaran’ i Jehovah, izay naoriny teo anoloan’ ny lavarangana fidirana;
- 13 eny, nanatitra izay fanao isanandro izy araka ny didin’ i Mosesy dia tamin’ ny Sabata sy ny voaloham-bolana ary ny fotoam-pivavahana intelo isan-taona, dia tamin’ ny andro firavoravoana fihinanana mofo tsy misy masirasira sy ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ary ny andro firavoravoana fitoerana amin’ ny trano rantsan-kazo.
- 14 Ary notendreny koa ny antokon’ ny mpisorona araka ny nandaharan’ i Davida rainy azy ho amin’ ny fanompoany avy ary ny Levita ho amin’ ny anjara-raharahany koa, dia ny hidera sy hanao fanompoam-pivavahana eo anoloan’ ny mpisorona araka ny raharaha fanao isan’ andro, ary ny mpiandry varavarana araka ny antokony amin’ ny isam-bavahady; fa izany no nandidian’ i Davida lehilahin’ Andriamanitra, azy.
- 15 Ary tsy nialan’ ireo ny didin’ ny mpanjaka tamin’ ny mpisorona sy ny Levita na amin’ inona na amin’ inona, indrindra fa ny amin’ ny rakitra.
- 16 Toy izany no nanamboaran’ i Solomona ny asa rehetra nataony hatramin’ ny andro nanorenany ny tranon’ i Jehovah ka ambara-pahavitany; ka dia vita tsara ny tranon’ i Jehovah.
- 17 Ary tamin’ izay Solomona dia nankany Ezion-gebera sy Elota eo amoron’ ny ranomasina any amin’ ny tany Edoma,
- 18 ary ny mpanompon’ i Hirama dia nampandehaniny hitondra sambo sy mpanompo izay mahay ranomasina; ary niara-nandeha tamin’ ny mpanompon’ i Solomona ho any Ofira ireo ka nahazo talenta volamena dimam-polo amby efa-jato tany izy, dia nentiny tany amin’ i Solomona mpanjaka izany.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗