역대하 4장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 역대하 (2 Chronicles) · 22절
- 1 Ary nanao alitara varahina izy: roa-polo hakiho ny lavany, roa-polo hakiho koa ny sakany, ary folo hakiho ny hahavony.
- 2 Ary nanao ny tavin-drano an-idina boribory lehibe izy: folo hakiho no halehiben’ ny vavany, dimy hakiho ny hahavony, ary telo-polo hakiho ny manodidina azy.
- 3 Ary teo ambanin’ ny tavin-drano lehibe nisy sarin’ omby manodidina azy, dia folo amin’ ny iray hakiho manodidina. Roa an-dalana ny sarin’ omby sady niara-natao an-idina tamin’ ny tavin-drano.
- 4 Ary ny tavin-drano dia nipetraka tambonin’ ny sarin’ omby roa ambin’ ny folo: ny telo nanatrika ny avaratra ny telo nanatrika ny andrefana, ny telo nanatrika ny atsimo, ary ny telo nanatrika ny atsinanana; ny tavin-drano lehibe dia teo amboniny, ary niady vody izy rehetra.
- 5 Ary ny hateviny dia vodivoam-pelatanana, ary ny molony nataony tahaka ny molotry ny kapoaka, dia tahaka ny vonin’ ny lilia; ary mahalany telo arivo bata izy.
- 6 Ary nanao tavin-drano folo koa izy hanasana, ny dimy nataony tamin’ ny ankavanana, ary ny dimy tamin’ ny ankavia; ary ny zavatra hatao fanatitra dorana dia nakobaka teo; fa ny tavin-drano lehibe kosa dia fisasan’ ny mpisorona.
- 7 Ary nanao ny fanaovan-jiro volamena folo araka ny marika izy, dia napetrany tao amin’ ny tempoly, dimy teo amin’ ny ankavanana, ary dimy teo amin’ ny ankavia.
- 8 Ary nanao latabatra folo koa izy, dia napetrany tao amin’ ny tempoly, dimy teo amin’ ny ankavanana, ary dimy teo amin’ ny ankavia. Ary nanao lovia volamena zato famafazana izy.
- 9 Ary nanao ny kianjan’ ny mpisorona sy ny kianja lehibe sy ny lela-vavahadin’ ny kianja izy, ary nopotehany takela-barahina ny lela-vavahady.
- 10 Ary ny tavin-drano lehibe nataony tamin’ ny ankavanana, dia teo amin’ ny atsimo-atsinana.
- 11 Ary Hirama nanao ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron’ afo ary ny lovia famafazana. Dia vitan’ i Hirama ny asa izay nataony ho an’ i Solomona mpanjaka ho amin’ ny tranon’ Andriamanitra:
- 12 dia ny andry roa sy ny boriboriny sy ny kapitaliny izay teny an-tampon’ ny andry roa sy ny harato roa hafono ny boriboriny roa momba ny kapitaly izay teo an-tampon’ ny andry avy,
- 13 ary ny sarin’ ampongabendanitra efa-jato ho amin’ ny harato roa, sarin’ ampongabendanitra roa an-dalana ho amin’ ny harato iray hafono ny boribory roa momba ny kapitaly izay teo an-tampon’ ny andry avy;
- 14 ary nanao ireo fitoeran-tavin-drano izy, ary ny tavin-drano nataony teo amin’ ny fitoerany;
- 15 ary ny tavin-drano lehibe iray sy ny sarin’ omby roa ambin’ ny folo; ambaniny.
- 16 Ary ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron’ afo sy ny fitrebika ary ny fanaka rehetra momba azy dia nataon’ i Hiram-aby ho an’ i Solomona mpanjaka ho amin’ ny tranon’ i Jehovah tamin’ ny varahina manganohano.
- 17 Teo amin’ ny tany amoron’ i Jordana no nanaovan’ ny mpanjaka an-idina azy tamin’ ny tanimanga teo anelanelan’ i Sokota sy Zaretana.
- 18 Toy izany no nanaovan’ i Solomona ireo fanaka rehetra rehetra ireo; fa tsy nozahana Izay lanjan’ ny varahina.
- 19 Ary Solomona nanao ny fanaka rehetra izay tao amin’ ny tranon’ Andriamanitra: ny alitara volamena sy ny latabatra fitoeran’ ny mofo aseho,
- 20 ary ny fanaovan-jiro sy ny lela fanaovan-jirony mba hampirehetina eo noloan’ ny efitra anatiny araka ny fanao dia samy volamena tsara;
- 21 ny voniny sy ny lela fanaovan-jiro ary ny hetin-jiro dia samy volamena tsara indrindra avokoa;
- 22 ary ny antsy sy ny lovia famafazana sy ny lovia kely sy ny fitoeran-davenon-jiro dia samy volamena tsara; ary ny lela-varavarana teo anatin’ ny trano, dia ny mankao amin’ ny fitoerana masìna indrindra, sy ny lela-varavarana ho amin’ ny ati-trano lehibe dia samy volamena avokoa.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗