역대하 26장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 역대하 (2 Chronicles) · 23절
- 1 Ary ny vahoaka rehetra tamin’ ny Joda naka an’ i Ozia, izay enina ambin’ ny folo taona, ka nampanjaka azy handimby an’ i Amazia rainy.
- 2 Izy no nanamboatra an’ i Elota ka nampody azy ho an’ ny Joda indray, rehefa lasa nodimandry any amin’ ny razany ny mpanajaka.
- 3 Enina ambin’ ny folo taona Ozia, fony izy vao nanjaka, ary roa amby dimam-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jekolia, avy any Jerosalema.
- 4 Ary nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah izy, tahaka izay rehetra nataon’ i Amazia rainy.
- 5 Ary nitady an’ Andriamanitra izy tamin’ ny andron’ i Zakaria, izay nahafantatra ny fahitana an’ Andriamanitra; ary tamin’ ny andro nitadiavany an’ i Jehovah dia nambinin’ Andriamanitra izy.
- 6 Ary nivoaka izy ka niady tamin’ ny Filistina, dia nandrava ny mandan’ i Gata sy ny an’ i Jabne sy ny an’ i Asdoda ary nanao tanàna tany Asdoda sy tany amin’ ny Filistina.
- 7 Ary Andriamanitra nanampy azy hamely ny Filistina sy ny Arabo izay nonina tao Gorabala ary ny Meonita.
- 8 Ary ny Amonita nandoa hetra ho an’ i Ozia; dia niely ny lazany hatrany akaikin’ i Egypta, fa tonga mahery indrindra izy.
- 9 Ary Ozia nanao tilikambo tany Jerosalema, teo amin’ ny vavahady an-jorony sy teo amin’ ny vavahady mankao amin’ ny tany lemaka sy teo an-jorony ka nanamafy azy.
- 10 Ary nanao tilikambo tany an-efitra koa izy sady nihady lavaka maro ho famorian-drano; fa izy nanana omby aman’ ondry betsaka teny an-tany lemaka sy teny an-tanety ary mpiasa koa sy mpamboatra tanim-boaloboka teny an-tendrombohitra sy teny Karmela koa; fa tia asa tany izy.
- 11 Ary Ozia nanana miaramila maro, izay nanao antokony handeha hanafika, dia araka ny isany izay nandaminan’ i Jeiela mpanoratra sy Mahaseia mpifehy azy, ka nofehezin’ i Hanania, anankiray tamin’ ny komandy voatendrin’ ny mpanjaka.
- 12 Enin-jato amby roa rivo no isan’ ny lohan’ ny fianakaviana rehetra, dia lehilahy mahery avokoa.
- 13 Ary ny miaramila fehezin’ ireo dia diman-jato amby fito arivo sy telo hetsy, izay nahery niady indrindra, homba ny mpanjaka hiady amin’ ny fahavalony.
- 14 Ary Ozia namboatra ampinga sy lefona sy fiarovan-doha sy akanjo fiarovan-tratra sy tsipìka ary vaton’ antsamotady ho an’ ireo miaramila rehetra ireo.
- 15 Ary nanao fiadiana lehibe tany Jerosalema izy, natao araka ny marika vitan’ ny mahay zavatra, hapetraka eo amin’ ny tilikambo sy eo an-tampon’ ny manda mba handefasana zana-tsipìka sy vato lehibe. Ary niely lavitra ny lazan’ i Ozia; fa mahagaga ny nanampiana azy, ka tonga mahery tokoa izy.
- 16 Ary nony nahery izy, dia niavonavona ny fony, ka nanao izay ratsy izy, fa nivadika tamin’ i Jehovah Andriamaniny ka niditra tao amin’ ny tempolin’ i Jehovah handoro ditin-kazo manitra teo amln’ ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra.
- 17 Fa niditra nanaraka azy kosa Azaria mpisorona mbamin’ ny valo-polo lahy amin’ ny mpisoron’ i Jehovah, lehilahy samy mahery avokoa.
- 18 Ary nanohitra an’ i Ozia mpanjaka ireo ka nanao taminy hoe: Tsy raharahanao, ry Ozia, ny handoro ditin-kazo manitra ho an’ i Jehovah, fa an’ ny mpisorona ihany, dia ny taranak’ i Arona, izay nohamasinina handoro ditin-kazo manitra. Mialà amin’ ny fitoerana masìna, fa nanao izay mahadiso ianao; ary tsy ho voninahitra ho anao eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitra izany.
- 19 Dia nisafoaka Ozia, ary nisy lovia teny an-tànany handoroany ditin-kazo manitra; koa raha mbola nisafoaka tamin’ ny mpisorona izy, dia nisy habokana nipoitra tamin’ ny handriny teo anatrehan’ ny mpisorona tao an-tranon’ i Jehovah, tanilan’ ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra.
- 20 Ary Azaria mpisoronabe sy ny mpisorona rehetra dia nanatrika nijery azy, ka, indro, boka ny handriny; dia noroahiny hiala teo izy; nefa ny tenany dia mba nivoaka faingana ihany koa, satria Jehovah efa namely azy.
- 21 Ary Ozia mpanjaka dia boka ambara-pahafatiny ka nitoetra tao an-trano mitokana, satria tsy nahazo niditra tao an-tranon’ i Jehovah intsony izy. Ka dia Jotama zanany no nanapaka tao an-dapa sady nitsara ny vahoaka.
- 22 Ary ny tantaran’ i Ozia sisa, na ny voalohany na ny farany, dia efa nosoratan’ Isaia mpaminany, zanak’ i Amoza;
- 23 Ary Ozia lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao amin’ ny razany tao an-tsaha fandevenana izay an’ ny mpanjaka, satria hoy ny olona: Boka izy. Ary Jotama zanany no nanjaka nandimby azy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗