역대하 17장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 역대하 (2 Chronicles) · 19절
- 1 Ary Josafata, zanak’ i Asa, no nanjaka nandimby azy, ary nitombo hery hiaro tena tamin’ ny Isiraely izy.
- 2 Ary namponina miaramila tamin’ ny tanàna mimanda rehetra eran’ i Joda izy sady nametraka miaramila tany amin’ ny tany Joda sy tany amin’ izay tanànan’ ny Efraima efa azon’ i Asa rainy.
- 3 Ary Jehovah nomba an’ i Josafata, satria nandeha tamin’ ny nalehan’ i Davida rainy izy, dia ilay tamin’ ny voalohany, fa tsy mba nitady ireo Bala;
- 4 fa Jehovah, Andriamanitry ny rainy, kosa no notadiaviny, ary araka ny didiny no nalehany, fa tsy mba araka ny fanaon’ ny Isiraely.
- 5 Koa dia nampitoerin’ i Jehovah teo an-tànany ny fanjakana; ary ny Joda rehetra nitondra fanomezana ho an’ i Josafata, ka dia nanana harena sy voninahitra be izy.
- 6 Ary ny fony nihanatoky tamin’ ny lalan’ i Jehovah, dia noravany tsy ho eo amin’ ny Joda ny fitoerana avo sy ny Aseraha.
- 7 Ary tamin’ ny taona fahatelo nanjakany dia naniraka ny mpanapaka izy, dia Benaila sy Obadia sy Zakaria sy Netanela ary Mikaia, hampianatra tany amin’ ny tanànan’ ny Joda,
- 8 Ary nisy Levita koa niaraka tamin’ ireo, dia Semaia sy Netania sy Zebadia sy Asahela sy Semiramota sy Jonatana sy Adonia sy Tobia ary Tob-adonia, Levita, mbamin’ i Elisama sy Jorama, mpisorona.
- 9 Ary nampianatra tany Joda izy ireo, ka nentiny ny bokin’ ny lalàn’ i Jehovah, dia nitety ny tanànan’ ny Joda rehetra izy ka nampianatra teny amin’ ny olona.
- 10 Ary ny tahotra an’ i Jehovah nahazo ny fanjakana rehetra tamin’ ny tany manodidina an’ i Joda, ka dia tsy nisy niady tamin’ i Josafata ireo.
- 11 Ary ny Filistina sasany nitondra fanomezana sy vola hetra ho an’ i Josafata; ary ny Arabo koa nitondra ondry aman’ osy, dia ondrilahy fiton-jato amby fito arivo sy osilahy fiton-jato amby fito arivo.
- 12 Ary Josafata nihanahery indrindra ka nanao trano fiarovana sy tanàna fitehirizana tany Joda.
- 13 Ary nanana fananana betsaka tao amin’ ny tanànan’ ny Joda koa sy miaramila, lehilahy mahery, tany Jerosalema izy.
- 14 Ary izao no nandaminana azy araka ny fianakaviany avy: Ny mpifehy arivo tamin’ ny Joda dia Adna komandy, ary ny fehiny dia lehilahy mahery telo hetsy;
- 15 ary nanarakaraka azy dia Johanana komandy, ary ny fehiny dia valo alina amby roa hetsy;
- 16 ary nanarakaraka azy indray dia Amasia, zanak’ i Zikry, ilay nanolotena ho an’ i Jehovah, ary ny fehiny dia lehilahy mahery roa hetsy.
- 17 Ary tamin’ ny Benjamina dia Eliada, lehilahy mahery, ary ny fehiny dia lehilahy roa hetsy mitondra tsipìka sy ampinga;
- 18 ary nanarakaraka azy dia Jozabada, ary ny fehiny dia valo alina amby iray hetsy efa voaomana hiady.
- 19 Ireo no mpitoetra tamin’ ny mpanjaka, afa-tsy izay nampitoerin’ ny mpanjaka tany amin’ ny tanàna mimanda eran’ i Joda rehetra.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗