역대하 15장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 역대하 (2 Chronicles) · 19절
- 1 Ary ny Fanahin’ Andriamanitra tonga tamin’ i Azaria, zanak’ i Odeda;
- 2 ary dia nivoaka hitsena an’ i Asa izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa ahy, ry Asa mbamin’ ny Joda sy ny Benjamina rehetra: Jehovah momba anareo, raha ianareo momba Azy; ary raha mitady Azy kosa ianareo, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy ianareo, dia hahafoy anareo Izy.
- 3 Ary efa ela ny Isiraely no tsy nanana an’ Andriamanitra marina, na mpisorona mampianatra, na lalàna.
- 4 Fa raha niverina tamin’ Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, izy nony azom-pahoriana, ka nitady Azy, dia nahita Azy.
- 5 Ary tamin’ izany dia tsy nisy fiadanana ho an’ izay nivoaka na izay niditra; fa horohoro be no nahazo ny mponina rehetra tamin’ ny tany.
- 6 Ary nifandringana ny firenena sy ny tanàna, fa Andriamanitra nampangorohoro azy tamin’ ny fahoriana rehetra.
- 7 Koa mahereza ianareo, fa aza miraviravy tanana; fa hisy valim-pitia tokoa ny ataonareo.
- 8 Ary raha ren’ i Asa izany teny izany sy ny faminanian’ i Odeda mpaminany, dia niezaka izy ka nanaisotra ny sampy fahavetavetana tamin’ ny tanin’ ny Joda sy ny Benjamina rehetra ary tamin’ ny tanàna izay azony tany amin’ ny tany havoan’ i Efraima, sady nanavao ny alitaran’ i Jehovah izay teo anoloan’ ny lavarangana fidirana amin’ ny tranon’ i Jehovah.
- 9 Ary novoriny ny Joda sy ny Benjamina rehetra sy ny vahiny teo aminy izay avy tany amin’ ny Efraima sy ny Manase ary ny Simeona; fa betsaka no nanatona azy avy tamin’ ny Isiraely, raha hitany fa Jehovah Andriamaniny no teo aminy.
- 10 Ary nivory tany Jerosalema ireo tamin’ ny volana fahatelo tamin’ ny taona fahadimy ambin’ ny folo nanjakan’ i Asa.
- 11 Ary androtrizay no nanaterany fanatitra ho an’ i Jehovah tamin’ ny babo izay nentiny, dia omby fitonjato sy ondry aman’ osy fito arivo.
- 12 Ary nanao fanekena hitady an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, tamin’ ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra izy,
- 13 ka na iza na iza tsy mety mitady an’ i Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, dia hatao maty, na kely na lehibe, na lahy na vavy.
- 14 Ary nianiana ho an’ i Jehovah tamin’ ny feo mahery sy ny fihobiana ary tamin’ ny trompetra sy ny anjomara izy.
- 15 Ary ny Joda rehetra nifaly noho ny fianianana, fa efa nianiana tamin’ ny fony rehetra izy sady nazoto nitady an’ i Jehovah indrindra, ka dia nahita Azy; ary Jehovah dia nanome azy fiadanana tamin’ ny manodidina fahizay.
- 16 Ary na dia Imaka, renin’ i Asa mpanjaka, aza dia naetriny tsy ho andriambavy, satria efa nanao sampy ho an’ ny Aseraha izy; ary Asa nikapa ny sampiny, dia nanorotoro ka nandoro azy tao amin’ ny lohasahan-driaka Kidrona.
- 17 Fa ny fitoerana avo tsy mba noravana tamin’ ny Isiraely; nefa nahitsy ny fon’ i Asa tamin’ ny androny rehetra.
- 18 Ary nampidiriny ho ao an-tranon’ i Jehovah ny zavatra izay nohamasinin-drainy mbamin’ izay nohamasinin’ ny tenany, dia volafotsy sy volamena ary fanaka.
- 19 Ary tsy nisy ady intsony hatramin’ ny taona fahadimy amby telo-polo nanjakan’ i Asa.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗