역대하 14장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 역대하 (2 Chronicles) · 14절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ary Asa nanao izay tsara sy mahitsy eo imason’ i Jehovah Andriamanitra; | So Abijah slept with his fathers, and they buried him in the city of David: and Asa his son reigned in his stead. In his days the land was quiet ten years. |
| 2 | fa nandrava ny alitaran’ ny firenena hafa sy ny fitoerana avo izy sady nanorotoro ny tsangam-baton-tsampy ary nikapa ny Aseraha. | And Asa did that which was good and right in the eyes of the Lord his God: |
| 3 | Ary nandidy ny Joda hitady an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy ary hankatò ny lalàna sy ny didy. | For he took away the altars of the strange gods, and the high places, and brake down the images, and cut down the groves: |
| 4 | Ary nandrava ny fitoerana avo sy ny tsangan-kazo ho an’ ny masoandro teny amin’ ny tanànan’ ny Joda rehetra izy; dia nandry fahizay ny fanjakana teo anatrehany. | And commanded Judah to seek the Lord God of their fathers, and to do the law and the commandment. |
| 5 | Ary nanao tanàna mimanda tany Joda izy; ka dia nandry fahizay ny tany, fa tsy nisy ady tamin’ izany andro izany; fa Jehovah no nanome azy fiadanana. | Also he took away out of all the cities of Judah the high places and the images: and the kingdom was quiet before him. |
| 6 | Dia hoy izy tamin’ ny Joda: Andeha hamboarintsika ireto tanana ireto ka hasiantsika manda manodidina sy tilikambo ary vavahady mihidy, raha mbola azontsika zakaina ny tany; fa efa nitady an’ i Jehovah Andriamanitsika isika; eny, nitady Azy isika, ka nanome antsika fiadanana amin’ ny manodidina Izy. Ary dia namboariny avokoa izany ka tontosa tsara. | And he built fenced cities in Judah: for the land had rest, and he had no war in those years; because the Lord had given him rest. |
| 7 | Ary Asa nanana miaramila, dia telo hetsy mpitana ampinga lehibe sy lefona avy tamin’ ny Joda, ary valo alina amby roa hetsy mpitana ampinga sy tsipìka avy amin’ ny Benjamina; ireo rehetra ireo dia lehilahy mahery avokoa. | Therefore he said unto Judah, Let us build these cities, and make about them walls, and towers, gates, and bars, while the land is yet before us; because we have sought the Lord our God, we have sought him, and he hath given us rest on every side. So they built and prospered. |
| 8 | Ary Zera Etiopiana nivoaka hiady tamin’ ireo ka nitondra miaramila iray tapitrisa sy kalesy telon-jato, ka dia tonga tao Maresa. | And Asa had an army of men that bare targets and spears, out of Judah three hundred thousand; and out of Benjamin, that bare shields and drew bows, two hundred and fourscore thousand: all these were mighty men of valour. |
| 9 | Ary Asa nivoaka hiady taminy, dia samy nilahatra hiady teo an-dohasaha Zefata akaikin’ i Maresa izy. | And there came out against them Zerah the Ethiopian with an host of a thousand thousand, and three hundred chariots; and came unto Mareshah. |
| 10 | Ary Asa nitaraina tamin’ i Jehovah Andriamaniny ka nanao hoe: Jehovah ô, tsy misy afa-tsy Hianao no mahavonjy ny tsy manan-kery, raha iadian’ ny maro izy, ka vonjeo izahay, Jehovah Andriamanitray ô, fa Hianao no iankinanay, ary ny anaranao no andehananay hiady amin’ ireto olona ireto. Jehovah ô. Hianao no Andriamanitray; aza avela hisy olona haharesy Anao. | Then Asa went out against him, and they set the battle in array in the valley of Zephathah at Mareshah. |
| 11 | Ary Jehovah namely ny Etiopiana teo anoloan’ i Asa sy ny Joda, ka dia nandositra ireny. | And Asa cried unto the Lord his God, and said, Lord, it is nothing with thee to help, whether with many, or with them that have no power: help us, O Lord our God; for we rest on thee, and in thy name we go against this multitude. O Lord, thou art our God; let not man prevail against thee. |
| 12 | Ary Asa sy ny vahoaka teo aminy nanenjika azy hatrany Gerara, ka dia nahafatesana be ny Etiopiana ka tsy naharina intsony; fa voaringana teo anoloan’ i Jehovah sy ny miaramilany izy, ka nahazoan’ ny Joda babo betsaka. | So the Lord smote the Ethiopians before Asa, and before Judah; and the Ethiopians fled. |
| 13 | Ary namely ny tanàna rehetra manodidina an’ i Gerara izy; fa ny fahatahorana an’ i Jehovah nahazo ireo, ka nobaboiny ny tanana rehetra, fa be ny babo tao. | And Asa and the people that were with him pursued them unto Gerar: and the Ethiopians were overthrown, that they could not recover themselves; for they were destroyed before the Lord, and before his host; and they carried away very much spoil. |
| 14 | Ary namely ny vala izy ka nahazo babo betsaka, dia ondry aman’ osy sy rameva, ary dia niverina ho any Jerosalema izy. | And they smote all the cities round about Gerar; for the fear of the Lord came upon them: and they spoiled all the cities; for there was exceeding much spoil in them. |
| 15 | — | They smote also the tents of cattle, and carried away sheep and camels in abundance, and returned to Jerusalem. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL