역대하 10장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 역대하 (2 Chronicles) · 19절
- 1 Ary Rehoboama nankany Sekema, fa tany no efa nalehan’ ny Isiraely rehetra hampanjaka azy.
- 2 Koa raha nandre izany Jeroboama, zanak’ i Nebata, izay efa nandositra nankany Egypta niala teo anatrehan’ i Solomona mpanjaka, dia niverina avy tany Egypta izy.
- 3 Ary naniraka naka azy ny olona. Dia tonga Jeroboama sy ny Isiraely rehetra ka niteny tamin-dRehoboama hoe:
- 4 Rainao dia nampitondra zioga mavesatra anay; fa inty kosa mby aminao ka mba hamaivano ny fanompoana mafy tamin-drainao sy ny zioga mavesatra izay nataony taminay, dia hanompo anao izahay.
- 5 Fa hoy kosa izy taminy: Rehefa afaka hateloana, dia mankanesa atỳ amiko indray. Dia lasa ny olona.
- 6 Ary Rehoboama mpanjaka naka saina tamin’ ny zoki-olona izay nitoetra teo anatrehan’ i Solomona rainy fony fahavelony ka nanao hoe: Ahoana no hevitra omenareo havaly ny vahoaka?
- 7 Dia hoy ireo taminy: Raha ho mora amin’ ny vahoaka ianao ka hankasitraka azy sy hanao teny mora aminy, dia ho mpanomponao mandrakizay izy.
- 8 Nefa nolavin-dRehoboama ny saina nomen’ ireo zoki-olona azy, dia naka hevitra tamin’ ny tovolahy izay indray nihira taminy sady efa nitoetra teo anatrehany izy ka nanao taminy hoe:
- 9 Ahoana kosa no mba hevitra omenareo havalintsika ny vahoaka izay niteny tamiko hoe: Hamaivano ny zioga izay nataon-drainao taminay?
- 10 Ary ireo tovolahy indray nihira taminy nanao taminy hoe: Izao no lazao amin’ ny vahoaka izay niteny taminao hoe: Rainao nampitondra zioga mavesatra anay; fa inty kosa mby aminao, ka mba hamaivano aminay izany, izao no lazao aminy. Ny ankihikeliko dia lehibe noho ny valahan’ ny raiko;
- 11 koa raha nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, izaho kosa dia mainka hanampy ny zioga ho entinareo; kotopia no namaizan’ ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa no hamaizako anareo.
- 12 Ary Jeroboama sy ny vahoaka rehetra dia nankany amin-dRehoboama tamin’ ny andro fahatelo, araka ilay nolazain’ ny mpanjaka hoe: Mankanesa atỳ amiko indray amin’ ny andro fahatelo.
- 13 Ary Rehoboama mpanjaka nanao teny mafy tamin’ ny olona, fa nandà ny hevitra nomen’ ireo zoki-olona azy
- 14 ka niteny taminy araka ny hevitra nomen’ ireo tovolahy hoe: Nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, fa izaho kosa mainka hanampy izany; kotopia no namaizan’ ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa hamaizako anareo.
- 15 Ka dia tsy nihaino ny olona ny mpanjaka, fa avy tamin’ Andriamanitra izany zavatra izany hahatanteraka ny teniny izay nampilazainy an’ i Ahia Silonita tamin’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata.
- 16 Ary nony hitan’ ny Isiraely rehetra fa tsy nihaino azy ny mpanjaka, dia namaly ny mpanjaka ny vahoaka ka nanao hoe: Inona moa no anjaranay amin’ i Davida? Tsy manana lova amin’ ny zanak’ i Jese izahay. Samia mody any an-dainy avy, ry Isiraely e! ankehitriny tandremo ny taranakao, ry Davida ô. Dia samy nody ho any an-dainy avy ny Isiraely rehetra.
- 17 Fa ny Zanak’ isiraely izay nonina tany an-tanànan’ ny Joda ihany no nanjakan-dRehoboama.
- 18 Ary dia naniraka an’ i Adorama, komandin’ ny mpanao fanompoana, Rehoboama mpanjaka, nefa ny Zanak’ isiraely nitora-bato azy, ka maty izy. Dia niezaka faingana nankeo amin’ ny kalesiny Rehoboama mpanjaka handositra ho any Jerosalema.
- 19 Ka dia niodina tamin’ ny taranak’ i Davida ny Isiraely mandraka androany.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗