역대상 9장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 역대상 (1 Chronicles) · 44절
- 1 Dia nisaina araka ny firazanany avy ny Isiraely rehetra; ary, indro, efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izany. Ary ny Joda dia nentina ho babo tany Babylona noho ny fahotany.
- 2 Ary ny mponina taloha tamin’ ny taniny sy ny tanànany avy dia ny Isiraely sy ny mpisorona sy ny Levita ary ny Netinima.
- 3 Ary tany Jerosalema no nonenan’ ny sasany amin’ ny taranak’ i Joda sy Benjamina sy Efraima sy Manase:
- 4 dia Otahy, zanak’ i Amihoda, zanak’ i Omry, zanak’ Imry, zanak’ i Bany, avy amin’ ny taranak’ i Fareza, zanak’ i Joda.
- 5 Ary tamin’ ny Silonita dia Asay, lahimatoa, sy ny zanany.
- 6 Ary tamin’ ny taranak’ i Zera dia Jeoela sy ny rahalahiny, dia sivi-folo amby enin-jato.
- 7 Ary tamin’ ny taranak’ i Benjamina dia Salo, zanak’ i Mesolama, zanak’ i Hodavia, zanak’ i Hasenoa,
- 8 sy Jibnia, zanak’ i Jerohama, sy Elaha, zanak’ i Ozy, zanak’ i Mikry, sy Mesolama, zanak’ i Sefatia, zanak’ i Regoela, zanak’ i Jibnia;
- 9 ary ny isan’ ny rahalahiny araka ny firazanany dia enina amby dimam-polo sy sivin-jato. Ireo lehilahy rehetra ireo dia samy lohan’ ny fianakaviany avy.
- 10 Ary tamin’ ny mpisorona dia Jedaia sy Joiariba sy Jatina
- 11 sy Azaria, zanak’ i Hilkia, zanak’ i Mesolama, zanak’ i Zadoka, zanak’ i Meraiota, zanak’ i Ahitoba, mpanapaka ny tranon’ Andriamanitra,
- 12 ary Adaia, zanak’ i Jerohama, zanak’ i Pasora, zanak’ i Malkia, ary Masay, zanak’ i Adiela, zanak’ i Jazera, zanak’ i Mesolama, zanak’ i Mesilemita, zanak’ Imera.
- 13 Ary ny rahalahin’ ireo, izay samy lohan’ ny fianakaviany avy, dia enim-polo amby fiton-jato amby arivo; lehilahy mahery amin’ ny fanaovana ny fanompoana ao an-tranon’ Andriamanitra ireo.
- 14 Ary tamin’ ny Levita dia Semaia, zanak’ i Hasoba, zanak’ i Azrikama, zanak’ i Hasabia, tamin’ ny taranak’ i Merary,
- 15 ary Bakbakara sy Haresy sy Galala sy Matania, zanak’ i Mika, zanak’ i Zikry, zanak’ i Asafa,
- 16 ary Obadia, zanak’ i Semaia, zanak’ i Galala, zanak’ i Jedotona, ary Berekia, zanak’ i Asa, zanak’ i Elkana, izay nonina tamin’ ny vohitry ny Netotatita.
- 17 Ary ny mpiandry varavarana dia Saloma sy Akoba sy Talmona sy Ahimana ary ny rahalahiny; fa Saloma no lohany;
- 18 ambaraka ankehitriny dia ao amin’ ny vavahadin’ ny mpanjaka atsinanana izy; ireo no mpiandry varavarana tamin’ ny tobin’ ny taranak’ i Levy.
- 19 Ary Saloma, zanak’ i Kore, zanak’ i Abiasafa, zanak’ i Kora, sy ny Koraïta rahalahiny araka ny fianakaviany avy no mpanao ny fanompoana amin’ ny fiandrasana ny varavaran’ ny lay; ary ny razany koa dia mpiambina ny vavahady tao amin’ ny tobin’ i Jehovah.
- 20 Ary Finehasa, zanak’ i Eleazara, no mpanapaka ireo taloha, ary Jehovah nomba azy.
- 21 Ary Zakaria, zanak’ i Meselemia, no mpiandry ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana.
- 22 Ary ny isan’ ireo voafidy ho mpiandry varavarana ireo dia roa ambin’ ny folo amby roan-jato. Ireo dia voasoratra araka ny firazanany tany amin’ ny vohiny avy; ary notendren’ i Davida sy Samoela mpahita izy noho ny fahamarinany.
- 23 Ka dia ireo sy ny taranany no niandry varavarana tao amin’ ny tranon’ i Jehovah, dia ny trano-lay.
- 24 Teo amin’ ny lafiny efatra no nitoeran’ ny mpiandry varavarana, dia teo atsinanana sy andrefana sy avaratra ary atsimo.
- 25 Ary ny rahalahiny izay nonina teo amin’ ny vohiny dia nasaina ho avy isan-kafitoana ho eo aminy.
- 26 Fa nanao tamin’ ny fahamarinany ireo Levita efa-dahy, lohan’ ny mpiandry varavarana, ireo, ary tonian’ ny efi-trano fitehirizana sy ny rakitry ny tranon’ Andriamanitra koa izy ireo.
- 27 Ary manodidina ny tranon’ Andriamanitra no nandriany; fa izy ireo no mpiambina azy sady adidiny ny famohana ny trano isa-maraina.
- 28 Ary ny sasany aminy nitandrina ny fanaka momba ny fanompoana; fa an-isany no nitondrany azy miditra sy mivoaka.
- 29 Ary ny sasany aminy koa notendrena hitandrina ny fanaka, dia ny fanaka masìna rehetra, sy ny koba tsara toto sy ny divay sy ny diloilo sy ny ditin-kazo manitra ary ny zava-manitra.
- 30 Ary ny sasany tamin’ ny zanaky ny mpisorona nangaroharo ny zava-manitra fanosorana.
- 31 Ary Matatia, anankiray tamin’ ny Levita, lahimatoan’ i Saloma Koraïta, no tonian’ ny zavatra izay natao tamin’ ny fanendasana.
- 32 Ary ny sasany tamin’ ny rahalahiny, tamin’ ny taranaky ny Kehatita, no tonian’ ny mofo aseho hamboatra azy isan-tSabata.
- 33 Ary ireo ihany koa no mpihira, lohan’ ny fianakaviana amin’ ny Levita, izay mitoetra tsy manan-draharaha hafa ao amin’ ireo efi-trano; fa tsy maintsy ho amin’ izany raharaha izany andro aman’ alina izy.
- 34 Ireo dia lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny Levita araka ny firazanany avy, dia samy loholona. Ireo no nonina tany Jerosalema.
- 35 Ary tao Gibeona no nonenan’ i Jeiela, razamben’ ny an’ i Gibeona, ary ny anaran’ ny vadiny dia Imaka;
- 36 ary ny zanany lahimatoa dia Abdona, dia Zora, dia Kisy, dia Bala, dia Nera, dia Nadaba,
- 37 dia Gedora, dia Ahio, dia Zakaria, dia Miklota.
- 38 Ary Miklota niteraka an’ i Simeama. Ary ireo koa niara-nonina tamin’ ny rahalahiny tany Jerosalema nifanandrify fonenana taminy.
- 39 Ary Nera niteraka an’ i Kisy; ary Kisy niteraka an’ i Saoly; ary Saoly niteraka an’ i Jonatana sy Malkisoa sy Abinadaba ary Esbala.
- 40 Ary ny zanakalahin’ i Jonatana dia Meribala, ary Meribala niteraka an’ i Mika.
- 41 Ary ny zanakalahin’ i Mika dia Pitona sy Maleka sy Tarea ary Ahaza.
- 42 Ary Ahaza niteraka an’ i Jara; ary Jara niteraka an’ i Alemeta sy Azmaveta ary Zimry; ary Zimry niteraka an’ i Moza;
- 43 ary Moza niteraka an’ i Binea; ary Refaia no zanakalahin’ i Binea, Elasa no zanakalahin’ i Refaia, Azela no zanakalahin’ i Elasa.
- 44 Ary Azela nanana zanaka enina mirahalahy ka izao no anarany avy: Azrikama sy Bokero sy Isimaela sy Searia sy Obadia ary Hanana; ireo no zanakalahin’ i Azela.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗