역대상 8장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 역대상 (1 Chronicles) · 40절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ary Benjamina niteraka an’ i Bela, lahimatoa, sy Asbela, lahiaivo, sy Ahara, fahatelo, | Now Benjamin begat Bela his firstborn, Ashbel the second, and Aharah the third, |
| 2 | sy Noha, fahefatra, ary Rafa, faralahy. | Nohah the fourth, and Rapha the fifth. |
| 3 | Ary ny zanakalahin’ i Bela dia Adara sy Gera sy Abihoda | And the sons of Bela were, Addar, and Gera, and Abihud, |
| 4 | sy Abisoa sy Namana sy Ahoa | And Abishua, and Naaman, and Ahoah, |
| 5 | sy Gera sy Sefofana ary Horama. | And Gera, and Shephuphan, and Huram. |
| 6 | Ary izao no zanakalahin’ i Ehoda (izao no lohan’ ny fianakavian’ ny mponina any Geba; ary nitondra azy ho babo tany Manahata, | And these are the sons of Ehud: these are the heads of the fathers of the inhabitants of Geba, and they removed them to Manahath: |
| 7 | Namana sy Ahia ary Gera; izy no nitondra azy ho babo), niteraka an’ i Oza sy Ahihoda izy. | And Naaman, and Ahiah, and Gera, he removed them, and begat Uzza, and Ahihud. |
| 8 | Ary Saharaima niteraka tao amin’ ny tany Moaba taorian’ ny nisaorany an’ i Hosima sy Bara vadiny. | And Shaharaim begat children in the country of Moab, after he had sent them away; Hushim and Baara were his wives. |
| 9 | Ary Hodesy vadiny no niterahany an’ i Jobaba sy Ziba sy Mesa sy Malkama | And he begat of Hodesh his wife, Jobab, and Zibia, and Mesha, and Malcham, |
| 10 | sy Jeoza sy Sakia ary Mirma. Ireo no zananilahy, samy lohan’ ny fianakaviany avy. | And Jeuz, and Shachia, and Mirma. These were his sons, heads of the fathers. |
| 11 | Ary Hosima no niterahany an’ i Abitoba sy Elpala. | And of Hushim he begat Abitub, and Elpaal. |
| 12 | Ary ny zanakalahin’ i Elpala dia Ebera sy Misama ary Samera, izay nanorina an’ i Ono sy Loda sy ny zana-bohiny; | The sons of Elpaal; Eber, and Misham, and Shamed, who built Ono, and Lod, with the towns thereof: |
| 13 | Beria koa sy Sema, izay lohan’ ny fianakavian’ ny mponina ao Aialona sady nandroaka ny mponina tao Gata; | Beriah also, and Shema, who were heads of the fathers of the inhabitants of Aijalon, who drove away the inhabitants of Gath: |
| 14 | ary Ahio sy Sasaka sy Jeremota | And Ahio, Shashak, and Jeremoth, |
| 15 | sy Zebadia sy Arada sy Adera | And Zebadiah, and Arad, and Ader, |
| 16 | sy Mikaela sy Jispa sy Joha (zanakalahin’ i Beria ireo), | And Michael, and Ispah, and Joha, the sons of Beriah; |
| 17 | ary Zebadia sy Mesolama sy Hizky sy Hebera | And Zebadiah, and Meshullam, and Hezeki, and Heber, |
| 18 | sy Jismeray sy Jizlia sy Jobaba (zanakalahin’ i Elpala ireo), | Ishmerai also, and Jezliah, and Jobab, the sons of Elpaal; |
| 19 | ary Jakima sy Zikry sy Zabdy | And Jakim, and Zichri, and Zabdi, |
| 20 | sy Elienay sy Ziletahy sy Eliala | And Elienai, and Zilthai, and Eliel, |
| 21 | sy Adaia sy Beraia sy Simrata (zanakalahin’ i Simey ireo), | And Adaiah, and Beraiah, and Shimrath, the sons of Shimhi; |
| 22 | ary Jispana sy Hebera sy Eliala | And Ishpan, and Heber, and Eliel, |
| 23 | sy Abdona sy Zikry sy Hanana | And Abdon, and Zichri, and Hanan, |
| 24 | sy Hanania sy Elama sy Antotia | And Hananiah, and Elam, and Antothijah, |
| 25 | sy Jifdia sy Penoela (zanakalahin’ i Sasaka ireo), | And Iphedeiah, and Penuel, the sons of Shashak; |
| 26 | ary Samseray sy Seharia sy Atalia | And Shamsherai, and Shehariah, and Athaliah, |
| 27 | sy Jaresia sy Elia sy Zitry (zanakalahin’ i Jerohama ireo). | And Jaresiah, and Eliah, and Zichri, the sons of Jeroham. |
| 28 | Ireo no lohan’ ny fianakaviany araka ny firazanany, dia samy loholona. Ireo no nonina tany Jerosalema. | These were heads of the fathers, by their generations, chief men. These dwelt in Jerusalem. |
| 29 | Ary tao Gibeona no nonenan’ ny razamben’ ny an’ i Gibeona, ary ny anaran’ ny vadiny dia Imaka, | And at Gibeon dwelt the father of Gibeon; whose wife’s name was Maachah: |
| 30 | ary Abdona no lahimatoany, dia Zora, dia Kisy, dia Bala, dia Nadaba, | And his firstborn son Abdon, and Zur, and Kish, and Baal, and Nadab, |
| 31 | dia Gedora, dia Ahio, dia Zakera. | And Gedor, and Ahio, and Zacher. |
| 32 | Ary Miklota niteraka an’ i Simea. Ireo koa dia niara-nonina tamin’ ny rahalahiny tany Jerosalema nifanandrify fonenana taminy. | And Mikloth begat Shimeah. And these also dwelt with their brethren in Jerusalem, over against them. |
| 33 | Ary Nera niteraka an’ i Kisy; ary Kisy niteraka an’ i Saoly; ary Saoly niteraka an’ i Jonatana sy Malkisoa sy Abinadaba ary Esbala. | And Ner begat Kish, and Kish begat Saul, and Saul begat Jonathan, and Malchi–shua, and Abinadab, and Esh–baal. |
| 34 | Ary ny zanakalahin’ i Jonatana dia Meribala; ary Meribala niteraka an’ i Mika. | And the son of Jonathan was Merib–baal; and Merib–baal begat Micah. |
| 35 | Ary ny zanakalahin’ i Mika dia Pitona sy Maleka sy Tarea ary Ahaza. | And the sons of Micah were, Pithon, and Melech, and Tarea, and Ahaz. |
| 36 | Ary Ahaza niteraka an’ i Joada; ary Joada niteraka an’ i Alemeta sy Azmaveta ary Zimry; ary Zimry niteraka an’ i Moza; | And Ahaz begat Jehoadah; and Jehoadah begat Alemeth, and Azmaveth, and Zimri; and Zimri begat Moza, |
| 37 | ary Moza niteraka an’ i Binea; Rafa no zanakalahin’ i Binea, Elasa no zanakalahin’ i Rafa, Azela no zanakalahin’ i Elasa | And Moza begat Binea: Rapha was his son, Eleasah his son, Azel his son: |
| 38 | Ary Azela nanana zanaka enina mirahalahy, ka izao no anarany: Azrikama sy Bokero sy Isimaela sy Searia sy Obadia ary Hanana. Ireo rehetra ireo no zanakalahin’ i Azela. | And Azel had six sons, whose names are these, Azrikam, Bocheru, and Ishmael, and Sheariah, and Obadiah, and Hanan. All these were the sons of Azel. |
| 39 | Ary ny zanakalahin’ i Eseka rahalahiny dia Olama, lahimatoa, sy Jeosy, lahiaivo, ary Elifeleta, faralahy. | And the sons of Eshek his brother were, Ulam his firstborn, Jehush the second, and Eliphelet the third. |
| 40 | Ary ny zanakalahin’ i Olama dia lehilahy mahery sady mpandefa zana-tsipìka, ary nanana zanakalahy sy zafy maro izy, dia dimam-polo amby zato. Ireo rehetra ireo no taranak’ i Benjamina. | And the sons of Ulam were mighty men of valour, archers, and had many sons, and sons’ sons, an hundred and fifty. All these are of the sons of Benjamin. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL