역대상 7장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 역대상 (1 Chronicles) · 40절
- 1 Ary ny zanakalahin’ Isakara dia Tola sy Poa sy Jasoba ary Simrona; efatra izy.
- 2 Ary ny zanakalahin’ i Tola dia Ozy sy Refaia sy Jeriela sy Jamay sy Jibsama ary Samoela, samy lohan’ ny fianakaviany avy, dia zanak’ i Tola sady samy lehilahy mahery tamin’ ny fokony avy ireo; enin-jato amby roa arivo sy roa alina no isany tamin’ ny andron’ i Davida.
- 3 Ary ny zanakalahin’ i Ozy dia Jizrahia. Ary ny zanakalahin’ i Jizrahia dia Mikaela sy Obadia sy Joela ary Jisia; dimy izy; loholona avokoa izy rehetra ireo.
- 4 Ary nanana miaramila antokotokony izy araka ny fireneny sy ny fianakaviany avy, dia enina arivo amby telo alina; fa maro ny vady aman-janak’ ireo.
- 5 Ary ny rahalahiny ao amin’ ny fokon’ ny Isakara rehetra, izay samy lehilahy mahery, ny isan’ izy rehetra araka ny firazanany avy dia fito arivo amby valo alina.
- 6 Ny zanakalahin’ i Benjamina dia Bela sa Bakera ary Jediaela; telo izy.
- 7 Ary ny zanakalahin’ i Bela dia Ezbona sy Ozy sy Oziela sy Jerimota ary Iry; dimy izy, ary samy lohan’ ny fianakaviany avy sady lehilahy mahery avokoa; ary ny Isany araka ny firazanany dia efatra amby telo-polo amby roa arivo sy roa alina.
- 8 Ary ny zanakalahin’ i Bakera dia Zemira sy Joasy sy Eliezera sy Elioenay sy Omry sy Jerimota sy Abia sy Anatota ary Alameta. Ireo rehetra ireo no zanakalahin’ i Bakera.
- 9 Ary ny isany araka ny firazanany amin’ ny fireneny, izay samy lohan’ ny fianakaviany avy sady lehilahy mahery, dia roanjato sy roa alina.
- 10 Ny zanakalahin’ i Jediaela dia Bilana; ary ny zanakalahin’ i Bilana dia Jeosy sy Benjamina sy Ehoda sy Kenana sy Zetana sy Tarsisy ary Ahisahara
- 11 Ireo zanakalahin’ i Jediaela rehetra ireo, araka ny lohan’ ny fianakaviany, dia roan-jato amby fito arivo sy iray alina no isan’ ny lehilahy mahery azo nalefa hanafika.
- 12 Sopima koa sy Hopima, zanakalahin’ Iry, ary Hosima, zanakalahin’ i Ahera.
- 13 Ny zanakalahin’ i Naftaly dia Jaziela sy Gony sy Jezera sy Saloma, samy zanakalahin’ i Bila ireo.
- 14 Ny zanakalahin’ i Manase dia Asriela, Izay naterany; fa ilay Syriana vaditsindranony kosa no niteraka an’ i Matira, rain’ i Gileada.
- 15 Ary Makira naka vady ho an’ i Hopima sy Sopima; ny anaran’ ny rahavaviny dia Imaka; ary ny anaran’ ny manarakaraka dia Zelofada; ary Zelofada nanan-janakavavy.
- 16 Ary Imaka, vadin’ i Makira, niteraka zaza, ahy, ka Paresy no nataony anarany; ary Saresy no anaran’ ny rahalahiny; ary ny anaran’ ny zananilahy dia Olama sy Rakema.
- 17 Ary ny zanakalahin’ i Olama dia Bedana. Ireo no zanakalahin’ i Gileada, zanakalahin’ i Makira, zanakalahin’ i Manase.
- 18 Ary Hamoleketa anabaviny niteraka an’ Isehoda sy Abiezera ary Mahala.
- 19 Ary ny zanakalahin’ i Semida dia Ahiana sy Sekema sy Liky ary Aniama.
- 20 Ary ny zanakalahin’ i Efraima dia Sotela (Bareda no zanakalahin’ i Sotela, Tahata no zanakalahin’ i Bareda, Elada no zanakalahin’ i Tahata, Tahata no zanakalahin’ i Elada,
- 21 Zabada no zanakalahin’ i Tahata, Sotela no zanakalahin’ i Zabada) ary Ezera sy Elada, izay novonoin’ ny tompon-tany tao Gata, satria nidina hangalatra ny ombiny aman’ ondriny izy.
- 22 Ary Efraima, rainy nisaona azy ela, dia avy ny rahalahiny hampionona azy.
- 23 Ary nony niray tamin’ ny vadiny izy, dia nanan’ anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy, ary ny anarany nataony hoe Beria, satria nisy fahoriana tao an-tranony tamin’ izany.
- 24 (Ary ny zananivavy dia Sera, izay nanorina an’ i Beti-horona ambany sy ambony sy Ozena-sera).
- 25 Ary Refa sy Rasefa no zanakalahin’ i Beria, Tela no zanakalahin’ i Rasefa, Tahana no zanakalahin’ i Tela,
- 26 Ladana no zanakalahin’ i Tahana, Amihoda no zanakalahin’ i Ladana, Elisama no zanakalahin’ i Amihoda.
- 27 Nona no zanakalahin’ i Elisama, Josoa no zanakalahin’ i Nona.
- 28 Ary ny taniny sy ny fonenany dia Betela sy ny zana-bohiny, ary any atsinanana dia Narana, ary any andrefana dia Gazera sy ny zana-bohiny ary Sekema sy ny zana-bohiny hatrany Gaza sy ny zana-bohiny;
- 29 ary teo amin’ ny sisin-tanin’ ny taranak’ i Manase dia Beti-sana sy ny zana-bohiny, Tanaka sy ny zana-bohiny, Megido sy ny zana-bohiny, Dora sy ny zana-bohiny Tamin’ ireo no nonenan’ ny taranak’ i Josefa, zanak’ Isiraely.
- 30 Ny zanakalahin’ i Asera dia Jimna sy Jisva sy Jisvy sy Beria; ary Sera no anabavin’ ireo.
- 31 Ary ny zanakalahin’ i Beria dia Hebera sy Malkiela, rain’ i Birzavita.
- 32 Ary Hebera niteraka an’ i Jafleta sy Somera sy Hotama; ary Soha no anabavin’ ireo.
- 33 Ary ny zanakalahin’ i Jafleta dia Pasaka sy Bimala ary Asvata. Ireo no zanakalahin’ i Jafleta.
- 34 Ary ny zanakalahin’ i Samera dia Ahaia sy Rohaga sy Hoba ary Arama.
- 35 Ary ny zanakalahin’ i Helema rahalahiny dia Zofa sy Jimna sy Selesy ary Amala.
- 36 Ny zanakalahin’ i Zofa dia Soha sy Harnefera sy Soala sy Bery sy Jimra
- 37 sy Bazera sy Hoda sy Sama sy Silsa sy Jitrana ary Bera.
- 38 Ary ny zanakalahin’ i Jatera dia Jefone sy Pispa ary Ara.
- 39 Ary ny zanakalahin’ i Ola dia Ara sy Haniela ary Rizia.
- 40 Ireo zanakalahin’ i Asera rehetra ireo dia samy lohan’ ny fianakaviany, olom-boafidy sady mahery ary lehiben’ ny loham-pireneny avy. Ary ny nanisana azy, araka ny firazanany, dia enina arivo amby roa alina no isan’ ny azo nalefa hanafika.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗