역대상 16장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 역대상 (1 Chronicles) · 43절
- 1 Ary nampiditra ny Fiaran’ Andriamanitra ny olona ka nametraka azy tao afovoan’ ny lay izay naorin’ i Davida ho azy; ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan’ Andriamanitra izy.
- 2 Ary nony voatitr’ i Davida ny fanatitra odorana sy ny fanati-pihavanana, dia nitso-drano ny olona tamin’ ny anaran’ i Jehovah izy.
- 3 Dia nizara mofo iray avy sy hena iray didy ary ampempam-boaloboka ho an’ ny Isiraely rehetra na lahy na vavy izy.
- 4 Ary ny Levita sasany notendren’ i Davida ho mpanao fanompoam-pivavahana eo anatrehan’ ny fiaran’ i Jehovah mba hankalaza sy hisaotra ary hidera an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely:
- 5 Asafa no lohany, ary Zakaria no nanarakaraka, dia Jeiela sy Semiramota sy Jehiela sy Matitia sy Eliaba sy Benaia sy Obed-edoma ary Jeiela no nitendry ny valiha sy ny lokanga; fa Asafa no nampaneno ny kipantsona;
- 6 Benaia sy Jahaziela mpisorona kosa no mpitsoka ny trompetra mandrakariva eo anoloan’ ny fiaran’ ny faneken’ Andriamanitra.
- 7 Tamin’ izay andro izay no voalohan’ ny nanendren’ i Davida an’ i Asafa sy ny rahalahiny hidera an’ i Jehovah.
- 8 Miderà an’ i Jehovah, miantsoa ny anarany; Ampahafantaro ny firenena ny asany.
- 9 Mihira ho Azy, mankalazà Azy; Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony.
- 10 Ataovy ho reharehanareo ny anarany masìna; Aoka hifaly ny fon’ izay mitady an’ i Jehovah.
- 11 Mitadiava an’ i Jehovah sy ny heriny, Katsaho mandrakariva ny tavany.
- 12 Mahatsiarova ny asa mahagaga izay nataony, dia ny fahagagany sy ny fitsaran’ ny vavany,
- 13 Hianareo taranak’ Isiraely mpanompony, Hianareo olom-boafidiny, taranak’ i Jakoba.
- 14 Jehovah, Izy no Andriamanitsika, manerana ny tany rehetra ny fitsarany.
- 15 Tsarovy mandrakizay ny fanekeny. Dia ilay teny voadidiny ho an’ ny taranaka arivo mandimby,
- 16 Eny, dia ilay nataony tamin’ i Abrahama sy ny fianianany tamin’ Isaka,
- 17 Izay naoriny ho lalàna ho an’ i Jakoba sy ho fanekena mandrakizay ho an’ Isiraely,
- 18 Ka nataony hoe: Homeko anao ny tany Kanana ho lovanareo voazara amin’ ny famolaina;
- 19 Fony mbola olom-bitsy ianareo, Eny, Vitsy sady vahiny tao,
- 20 Ary nifindrafindra tany amin’ ny firenena, sy nifindrafindra fanjakana ho amin’ ny firenen-kafa,
- 21 Tsy nisy navelany hampahory azy; Ary nananatra mpanjaka Izy noho ny amin’ ireo hoe:
- 22 Aza manendry ireo voahosotro, Ary aza manisy ratsy Ireo mpaminaniko.
- 23 Mihira ho an’ i Jehovah, ry tany rehetra; Lazao isan’ andro isan’ andro ny famonjeny mahafaly.
- 24 Ambarao any amin’ ny jentilisa ny voninahiny, ary any amin’ ny firenena rehetra ny fahagagana ataony.
- 25 Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, sady mahatahotra, fa ambonin’ ny andriamanitra rehetra.
- 26 Fa ny andriamanitry ny firenena rehetra dia tsinontsinona, fa Jehovah no nanao ny lanitra.
- 27 Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany, Hery sy hafaliana no ao amin’ ny fitoerany.
- 28 Ry firenena, manomeza an’ i Jehovah, eny, manomeza voninahitra sy hery ho an’ i Jehovah.
- 29 Manomeza an’ i Jehovah ny voninahitry ny anarany; Mitondrà fanatitra, ka mankanesa eo anatrehany; Miankohofa eo anatrehan’ i Jehovah amin’ ny fihaingoana masìna
- 30 Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra; Izao rehetra izao voaorina ka tsy hihetsika.
- 31 Aoka ho faly ny lanitra ary ho ravo ny tany; Ary aoka holazaina any amin’ ny firenena hoe: Jehovah no Mpanjaka.
- 32 Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy; Aoka ho faly ny saha sy izay rehetra ao aminy.
- 33 Dia hihoby eo anatrehan’ i Jehovah amin’ izay ny hazo an’ ala; Fa avy hitsara ny tany Izy.
- 34 Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy: Fa mandrakizay ny famindram-pony.
- 35 Ary manaova hoe: Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, ary angòny izahay, ka vonjeo tsy ho azon’ ny jentilisa, Mba hisaoranay ny anaranao masìna, ka ho reharehanay ny fiderana Anao.
- 36 Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hatramin’ ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Ary ny olona rehetra nanao hoe: Amena, sady nidera an’ i Jehovah.
- 37 Ary Asafa sy ny rahalahiny dia navelan’ i Davida teo anoloan’ ny fiaran’ ny faneken’ Jehovah hanao fanompoam-pivavahana ao mandrakariva araka ny raharaha tokony hatao isan’ andro,
- 38 ary Obed-edoma sy ny rahalahiny valo amby enim-polo sy Obed-edoma, zanak’ i Jedotona, ary Hosa ho mpiandry varavarana kosa.
- 39 Ary Zadoka mpisorona sy ny mpisorona rahalahiny dia navelany teo anoloan’ ny tabernakelin’ i Jehovah teo amin’ ny fitoerana avo any Gibeona,
- 40 hanatitra fanatitra dorana ho an’ i Jehovah marain-tsy hariva eo amin’ ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana mandrakariva, ary hanao araka izay rehetra voasoratra ao amin’ ny lalàn’ i Jehovah, izay nandidiany ny Isiraely,
- 41 ary naman’ ireo koa Hemana sy Jedotona ary ny sisa amin’ ny olona voafidy izay voatonona anarana hidera an’ i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony.
- 42 Ary tao amin’ i Hemana sy Jedotona nisy trompetra sy kipantsona ho an’ izay mampaneno ary ny fomban’ ny zava-manenon’ Andriamanitra. Ary ny zanak’ i Jedotona no mpiandry varavarana.
- 43 Ary dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra, ary Davida koa lasa nody mba hitso-drano ny ankohonany.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗