역대상 14장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 역대상 (1 Chronicles) · 17절
- 1 Ary Hirama, mpanjakan’ i Tyro, naniraka olona tany amin’ i Davida sady nampanatitra hazo sedera ary nandefa mpanao trano vato sy mpandrafitra hanao trano ho azy.
- 2 Dia fantatr’ i Davida fa Jehovah efa nampitoetra azy ho mpanjakan’ ny Isiraely, ka voasandratra ny fanjakany noho ny amin’ ny Isiraely olony.
- 3 Ary Davida nampaka-bady koa tany Jerosalema ka niteraka zazalahy sy zazavavy.
- 4 Ary izao no anaran’ ny zanany naterany tany Jerosalema: Samoa sy Sobaba sy Natana sy Solomona
- 5 sy Jibara sy Elisoa sy Elipeleta
- 6 sy Noga sy Nafega sy Jafia
- 7 sy Elisama sy Seliada ary Elifeleta.
- 8 Koa nony ren’ ny Filistina fa efa nohosorana ho mpanjakan’ ny Isiraely rehetra Davida, dia niakatra hitady azy ny Filistina rehetra. Koa raha ren’ i Davida izany, dia nivoaka hiady taminy izy.
- 9 Ary dia tonga ny Filistina ka nihahakahaka teny amin’ ny Lohasahan’ ny Refaïta.
- 10 Ary Davida nanontany tamin’ Andriamanitra hoe: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy? Dia hoy Jehovah taminy: Miakara, fa hatolotro eo an-tananao izy.
- 11 Dia niakatra nankao Bala-perazima Davida ka namely azy teo; dia hoy izy: Ny tanako no namakian’ Andriamanitra ny fahavaloko hipariaka toy ny rano vaky; koa izany no nanaovany ny anaran’ izany tany izany hoe Bala-perazima.
- 12 Dia nilaozan’ ireny teo ireo andriamaniny, ka dia nasain’ i Davida nodorana tamin’ ny afo.
- 13 Ary tonga indray ny Filistina ka nihahakahaka teny an-dohasaha indray.
- 14 Dia nanontany tamin’ Andriamanitra indray Davida ka novaliany hoe: Aza mandeha hanenjika azy; fa mivilia azy, dia mandehana, fa ho tonga eo aminy ianao eo amin’ ny tandrifin’ ny hazo balsama.
- 15 Ary raha toa mahare fingadongadon’ olona eny amin’ ny tendron’ ny hazo balsama ianao, dia miaingà amin’ izay hiady; fa amin’ izay no efa miainga mialoha anao Andriamanitra hamely ny miaramilan’ ny Filistina.
- 16 Ary dia nanao araka izay nandidian’ Andriamanitra azy Davida, ka dia namely ny miaramilan’ ny Filistina hatrany Gibeona ka hatrany Gazera izy.
- 17 Ary ny lazan’ i Davida niely teny amin’ ny tany rehetra; ary nataon’ i Jehovah nahazo ny firenena rehetra ny tahotra an’ i Davida.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗