여호수아 23장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 여호수아 (Joshua) · 16절
- 1 Ary rehefa ela, taorian’ ny nanomezan’ i Jehovah fitsaharana ho an’ ny Isiraely ho afaka amin’ ny fahavalony rehetra manodidina, ary Josoa dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana,
- 2 dia nantsoin’ i Josoa ny Isiraely rehetra, dia ny loholony sy ny lehibeny sy ny mpitsara azy ary ny mpifehy azy, ka hoy izy taminy: Efa zoki-olona aho izao ka mandroso fahanterana,
- 3 ary ianareo efa nahita izay rehetra nataon’ i Jehovah Andriamanitrareo tamin’ ireo firenena rehetra ireo teo anoloanareo; fa Jehovah Andriamanitrareo no niady ho anareo.
- 4 Indreo, efa voazarako ho lovan’ ny firenenareo tamin’ ny filokana ireo firenena sisa ireo, hatrany Jordana, mbamin’ ny firenena rehetra izay nofongorako, ka hatramin’ ny Ranomasina Lehibe andrefana.
- 5 Ary Jehovah Andriamanitrareo, Izy no handroaka ireny eo anoloanareo, dia hampiala azy eo anoloanareo; ary handova ny taniny ianareo araka izay nolazain’ i Jehovah Andriamanitrareo taminareo.
- 6 Dia mahereza tsara ianareo hitandrina sy hanao izay rehetra voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny lalàn’ i Mosesy, mba tsy hivilianareo hiala aminy na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia,
- 7 mba tsy hankanesanareo any amin’ ireo firenena sisa eo aminareo ireo; ny anaran’ ny andriamaniny dia aoka tsy hotononinareo na hampianiananareo akory, ary aza manompo azy na miankohoka eo anatrehany;
- 8 fa Jehovah Andriamanitrareo ihany no ifikiro, araka ny nataonareo mandraka androany.
- 9 Fa nandroaka firenena lehibe sy mahery teo anoloanareo Jehovah; ary dia tsy nisy olona nahajanona teo anoloanareo mandraka androany.
- 10 Ny lehilahy iray aminareo manenjika ny arivo; fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no miady ho anareo, araka izay nolazainy taminareo.
- 11 Dia tandremo tsara ny fanahinareo mba ho tia an’ i Jehovah Andriamanitrareo.
- 12 Fa raha mihemotra ianareo ka miray aminareo ireo firenena sisa eo aminareo ireo ary mifanambady aminy ka miditra ao aminy, ary izy kosa ao aminareo,
- 13 dia ho fantatrareo tokoa fa tsy handroaka ireo firenena ireo eo anoloanareo intsony Jehovah Andriamanitrareo; fa ho fandrika sy tonta aminareo ireo, ary ho fanindronana amin’ ny tehezanareo, sy ho tsilo eo amin’ ny masonareo, mandra-pahalany ritranareo tsy ho eo amin’ ity tany soa nomen’ i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity.
- 14 Ary, indro, efa handeha ho amin’ ny lalana falehan’ ny tany rehetra aho izao; ary fantatrareo ao amin’ ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra fa tsy misy latsaka na dia zavatra iray akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nilazan’ i Jehovah Andriamanitrareo anareo; efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra: tsy nisy latsaka izy na dia zavatra iray akory aza.
- 15 Ary tahaka ny efa nanatanterahana taminareo ny zava-tsoa rehetra, izay nolazain’ i Jehovah Andriamanitrareo taminareo, no hanatanterahan’ i Jehovah aminareo kosa ny loza rehetra mandra-paharingany anareo tsy ho eo amin’ ity tany soa nomen’ i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity.
- 16 Amin’ izay hivadihanareo ny faneken’ i Jehovah Andriamanitrareo, izay nandidiany anareo, sy handehananareo hanompo ireo andriamani-kafa ary hiankohofanareo eo anatrehany, dia hirehitra aminareo ny fahatezeran’ i Jehovah, ary ho lany ringana faingana ianareo tsy ho eo amin’ ny tany soa nomeny anareo.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗