여호수아 10장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 여호수아 (Joshua) · 43절
- 1 Ary rehefa ren’ i Adoni-zedeka, mpanjakan’ i Jerosalema, fa afak’ i Josoa Ay ka noravany (fa araka izay nataony tamin’ i Jeriko sy ny mpanjakany no nataony tamin’ Ay sy ny mpanjakany), sady nanao fihavanana tamin’ ny Isiraely ny mponina tany Gibeona ka tomoetra eo aminy,
- 2 dia raiki-tahotra indrindra izy, satria tanàna lehibe Gibeona tahaka ny anankiray amin’ ny tanàna misy andriana, sady lehibe noho Ay, ary nahery ny lehilahy rehetra teo.
- 3 Dia naniraka olona Adoni-zedeka, mpanjakan’ i Jerosalema, ho any amin’ i Hohama mpanjakan’ i Hebrona, sy Pirama, mpanjakan’ i Jarmota, sy Jafia, mpanjakan’ i Lakisy, ary Debira, mpanjakan’ i Eglona, ka nanao hoe:
- 4 Miakara atỳ amiko, ka manampia ahy, hamelezantsika an’ i Gibeona; fa efa nanao fihavanana tamin’ i Josoa sy ny Zanak’ Isiraely izy.
- 5 Dia niangona ireo mpanjaka dimy tamin’ ny Amorita ireo, dia ny mpanjakan’ i Jerosalema, ny mpanjakan’ i Hebrona, ny mpanjakan’ i Jarmota, ny mpanjakan’ i Lakisy, ary ny mpanjakan’ i Eglona, ka niakatra izy sy ny miaramilany rehetra, ary nitoby tandrifin’ i Gibeona ka namely azy.
- 6 Ary ny mponina tao Gibeona dia naniraka olona ho any amin’ i Josoa teo an-toby tany Gilgala hanao hoe: Aza mampiketraka ny tananao tsy hamonjy ny mpanomponao; miakara faingana ho atỳ aminay, ary vonjeo sy ampio izahay; fa miangona hamely anay ny mpanjaka rehetra amin’ ny Amorita izay monina any amin’ ny tany havoana.
- 7 Dia niakatra niala tany Gilgala Josoa sy ny mpanafika rehetra teo aminy, dia ny lehilahy mahery rehetra.
- 8 Ary hoy Jehovah tamin’ i Josoa: Aza matahotra azy, fa efa natolotra eo an-tananao izy, ka tsy hisy hahajanona eo anoloanao izy na dia iray akory aza.
- 9 Ary tonga tampoka tamin’ ireo Josoa; fa nanao lava alina-avy tany Gilgala izy.
- 10 Ary Jehovah nampifanaritaka ireo teo anoloan’ ny Isiraely; ary namely ireo tany Gibeona izy ka nahafaty maro be, sady nanenjika azy tamin’ ny fiakarana mankany Beti-horona izy ka namely azy hatrany Azeka ka hatrany Makeda.
- 11 Ary nony nandositra teo anoloan’ ny Isiraely teo am-pidinan’ i Beti-horona izy, Jehovah dia nandatsaka havandra vaventy taminy avy tany an-danitra hatrany Azeka ka nahafaty azy; ary be lavitra ny matin’ ny havandra noho izay novonoin’ ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny sabatra.
- 12 Ary tamin’ izany Josoa dia niteny tamin’ i Jehovah tamin’ ny andro nanoloran’ i Jehovah ny Amorita teo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely ka nanao teo imason’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Ry masoandro, mijanòna eo ambonin’ i Gibeona; Ary, ianao kosa, ry volana, any an-dohasahan’ i Aialona.
- 13 Dia nijanona ny masoandro, ary nijanona koa ny volana, Mandra-pamalin’ ny olona ny fahavalony. Tsy efa voasoratra eo amin’ ny Bokin’ i Jasara va izany? Dia nijanona teo afovoan’ ny lanitra ny masoandro ka tsy nandroso hilentika tokony ho indray andro maninjitra.
- 14 Ary tsy nisy andro tahaka izany, na tany alohany, na tato aoriany, izay nihainoan’ i Jehovah ny feon’ olona; fa Jehovah niady ho an’ ny Isiraely.
- 15 Ary Josoa sy ny Isiraely rehetra dia niverina nankany an-toby tany Gilgala.
- 16 Ary nandositra ny mpanjaka dimy ka niery tao anatin’ ilay zohy any Makeda.
- 17 Dia nolazaina tamin’ i Josoa hoe: Indreo, miery ao anatin’ ilay zohy any Makeda ny mpanjaka dimy.
- 18 Ary hoy Josoa: Manakodiava vato lehibe hatampina ny vavan’ ny zohy, ary asio olona eo anoloany hiambina azy;
- 19 fa ianareo aza mijanona, fa manenjeha ny fahavalonareo, ka mameleza ny vodi-lalana; aza avela ho tafiditra any an-tanànany ireny, fa efa natolotr’ i Jehovah Andriamanitrareo eo an-tananareo.
- 20 Ary rehefa voaringan’ i Josoa sy ny Zanak’ Isiraely mihitsy ireny mandra-pahalany ritrany, ka izay afa-nandositra no lasa niditra tany amin’ ny tanàna mimanda,
- 21 dia niverina soa aman-tsara ho any amin’ i Josoa teo an-toby tany Makeda ny vahoaka rehetra; ary tsy nisy sahy nanao vava ratsy tamin’ ny Zanak’ Isiraely intsony.
- 22 Dia hoy Josoa: Sokafy ny vavan’ ny zohy, ka avoahy ao an-johy ireo mpanjaka dimy ireo hankatỳ amiko.
- 23 Dia nataon’ ny olona izany, ka namoaka ireo mpanjaka dimy ireo avy tao an-johy izy ho eo aminy, dia ny mpanjakan’ i Jerosalema, ny mpanjakan’ i Hebrona, ny mpanjakan’ i Jarmota, ny mpanjakan’ i Lakisy, ary ny mpanjakan’ i Eglona.
- 24 Ary rehefa navoaka ireo mpanjaka ireo ka nentina ho eo amin’ i Josoa, dia niantso ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely Josoa ka nanao tamin’ ny mpitarika ny mpiady izay teo aminy hoe: Manatona, ka ataovy eo amin’ ny vozon’ ireto mpanjaka ireto ny tongotrareo. Dia nanatona izy ka nanao ny tongony teo amin’ ny vozon’ ireo.
- 25 Ary hoy Josoa taminy: Aza matahotra na mivadi-po; mahereza sy matanjaha; fa toy izao no hataon’ i Jehovah amin’ ny fahavalonareo rehetra izay iadianareo.
- 26 Ary rehefa afaka izany, dia namely ireo Josoa ka nahafaty azy, ary nahantony tamin’ ny hazo dimy ny fatiny; ka dia nihantona tamin’ ny hazo izy mandra-paharivan’ ny andro.
- 27 Ary tamin’ ny nilentehan’ ny masoandro dia nasain’ i Josoa nesorina tamin’ ny hazo izy ireo ka nariana tao anatin’ ilay zohy niereny, ary nasiana vato lehibe teo amin’ ny vavan’ ny zohy, ka mbola ao izany mandraka androany.
- 28 Ary Makeda dia afak’ i Josoa tamin’ izany andro izany, ka nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany; ary ny olona rehetra tao dia naringany avokoa ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; ary tahaka izay efa nataony tamin’ ny mpanjakan’ i Jeriko, no nataony tamin’ ny mpanjakan’ i Makeda koa.
- 29 Ary Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy dia niala tany Makeda ka nankany Libna ary namely azy;
- 30 dia natolotr’ i Jehovah teo an-tànan’ ny Isiraely koa izy sy ny mpanjakany, ka nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra izy mbamin’ ny olona rehetra tao; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; ary tahaka izay efa nataony tamin’ ny mpanjakan’ i Jeriko no nataony tamin’ ny mpanjakany koa.
- 31 Dia niala tany Libna Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Lakisy, dia nitoby tandrifiny ka namely azy.
- 32 Dia natolotr’ i Jehovah teo an-tànan’ ny Isiraely koa Lakisy, ka afany tamin’ ny andro faharoa izy; dia nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra izy sy ny olona rehetra tao, tahaka izay rehetra efa nataony tamin’ i Libna koa.
- 33 Dia niakatra Horama, mpanjakan’ i Gazera, hamonjy an’ i Lakisy; dia nasian’ i Josoa izy sy ny vahoakany mandra-paha-tsy nisy niangana.
- 34 Dia niala tany Lakisy Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Eglona, dia nitoby tandrifiny ka namely azy;
- 35 dia afany tamin’ izany andro izany koa izy ka nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra; ary ny olona rehetra tao dia naringany tamin’ izany andro izany, tahaka izay rehetra efa nataony tamin’ i Lakisy.
- 36 Dia niakatra niala tany Eglona Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Hebrona ary namely azy;
- 37 dia afany koa izy, ka nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany sy ny tanànany rehetra ary ny olona rehetra tao; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza, tahaka izay rehetra efa nataony tamin’ i Eglona; fa naringany avokoa izy sy ny olona rehetra tao.
- 38 Dia niverina Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Debira ary namely azy;
- 39 dia azony koa izy sy ny mpanjakany ary ny tanànany rehetra; ary nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra Izy, ka naringany avokoa ny olona rehetra tao; fa tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; tahaka izay efa nataony tamin’ i Hebrona, dia toy izany koa no nataony tamin’ i Debira sy ny mpanjakany, ary tahaka izay efa nataony tamin’ i Libna sy ny mpanjakany koa.
- 40 Dia nasian’ i Josoa ny tany rehetra sy ny mpanjakany rehetra, dia ny tany havoana sy ny tany atsimo sy ny tany lemaka amoron-tsiraka ary ny any am-bodin’ ny tendrombohitra; tsy nasiany niangana ireny, fa naringany avokoa ny olo-miaina rehetra, araka ny didin’ i Jehovah. Andriamanitry ny Isiraely,
- 41 Dia nasian’ i Josoa izy hatrany Kadesi-barnea ka hatrany Gaza, ary ny tany Gosena rehetra hatrany Gibeona.
- 42 Ary ireo mpanjaka rehetra ireo sy ny taniny dia azon’ i Josoa indray mandeha, satria Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no niady ho an’ ny Isiraely.
- 43 Dia niverina Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ho any an-toby tany Gilgala.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗