에스라 1장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 에스라 (Ezra) · 11절
- 1 Ary tamin’ ny taona voalohany nanjakan’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Persia, dia notairin’ i Jehovah ny fanahin’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Persia, mba hanatanteraka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Jeremia, ka dia nandefa teny eran’ ny fanjakany rehetra izy, sady nataony an-tsoratra koa izany hoe:
- 2 Izao no lazain’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Persia: Ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany dia efa nomen’ i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, ahy; ary Izy efa nandidy ahy hanao trano ho Azy any Jerosalema izay any Joda.
- 3 Koa iza avy moa aminareo rehetra no olony? Andriamaniny anie homba azy, fa aoka hiakatra any Jerosalema izay any Joda izy ka hanao ny tranon’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izy no Andriamanitra Izay any Jerosalema.
- 4 Ary na iza na iza sisa tratra, dia aoka ny tompon-tany ao amin’ izay ivahiniany hanome azy volafotsy sy volamena sy fanaka ary biby fiompy mbamin’ ny fanati-tsitrapo ho an’ ny tranon’ Andriamanitra, izay any Jerosalema.
- 5 Dia niainga ny lohan’ ny firenen’ i Joda sy Benjamina sy ny mpisorona sy ny Levita, dia izay rehetra efa namporisihin’ Andriamanitra hiakatra hanao ny tranon’ i Jehovah any Jerosalema.
- 6 Ary izay rehetra manodidina dia nampahery ny tànan’ ireo tamin’ ny fanaka volafotsy sy volamena sy fanaka hafa sy biby fiompy ary zava-tsoa mbamin’ izay rehetra nateriny tamin’ ny sitrapo.
- 7 Dia navoak’ i Kyrosy mpanjaka ny fanaky ny tranon’ i Jehovah, izay efa nalain’ i Nebokadnezara tany Jerosalema ka efa nataony tao an-tranon’ ireo andriamaniny.
- 8 Ary Mitredata, mpitahiry ny haren’ ny fanjakana, dia nasain’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Persia; namoaka ireny, ka nisainy sady natolony an’ i Sesbazara, lehiben’ ny firenen’ i Joda.
- 9 Ary izao no isany: Lovia volamena telo-polo, lovia volafotsy arivo, antsy sivy amby roa-polo,
- 10 kapoaka volamena misarona telo-polo, lovia volafotsy manarakaraka folo amby efa-jato, ary lovia hafa koa arivo;
- 11 efa-jato amby dimy arivo no isan’ ny fanaka volamena sy volafotsy rehetra. Ireo rehetra ireo dia nentin’ i Sesbazara niaraka nankany Jerosalema tamin’ ny babo izay niverina avy tany Babylona.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗