에스더 6장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 에스더 (Esther) · 14절
- 1 Ary tamin’ iny alina iny tsy nahita torimaso ny mpanjaka ka nampaka ny boky fitadidiana ny tantara; ary novakina teo anatrehan’ ny mpanjaka izany.
- 2 Ka, indro, voasoratra fa Mordekay no niampanga an’ i Bigtana sy Taresy, roa lahy isan’ ny tsindranolahin’ i ny mpanjaka, dia ireo mpiambina teo am-baravarana izay nitady hamono an’ i Ahasoerosy mpanjaka.
- 3 Ary hoy ny mpanjaka: Inona moa no fisandratana sy voninahitra mba efa nomena an’ i Mordekay noho izany? Fa hoy ny zatovon’ ny mpanjaka Izay nanompo azy: Tsy mbola nisy nomena azy.
- 4 Ary hoy ny mpanjaka: Iza no ao an-kianja ao? Ary Hamana kosa efa sendra tonga tao an-kianja ivelan’ ny tranon’ ny mpanjaka tamin’ izay hiteny amin’ ny mpanjaka ny amin’ ny hanantonana an’ i Mordekay amin’ ilay hazo efa natsangany hanantonana azy.
- 5 Ka hoy ny zatovon’ ny mpanjaka taminy: Indro, Hamana no mitsangana ao an-kianja. Ary hoy ny mpanjaka: Asaovy miditra izy.
- 6 Dia niditra Hamana ka hoy ny mpanjaka taminy: Inona no mendrika hatao amin’ izay lehilahy tian’ ny mpanjaka homem-boninahitra? Ary Hamana nanao anakampo hoe: Koa iza indray moa no ho tian’ ny mpanjaka homem-boninahitra afa-tsy izaho?
- 7 Ka dia hoy Hamana tamin’ ny mpanjaka: Ny amin’ izay lehilahy tian’ ny mpanjaka homem-boninahitra,
- 8 aoka halaina izay akanjo fiandrianana efa niakanjoan’ ny mpanjaka sy soavaly izay efa nitaingenan’ ny mpanjaka sady voaisy satro-boninahitra ny lohany;
- 9 dia aoka izany fitafiana sy soavaly izany no hatolotra eo an-tànan’ ny anankiray izay malaza indrindra amin’ ny mpanapaka voatendrin’ ny mpanjaka, ary aoka izay lehilahy tian’ ny mpanjaka homem-boninahitra no hampiakanjoina izany ka hampitaingenina amin’ ny soavaly, dia ho entina eny an-kalalahana eto an-tanàna, ary aoka hisy hiantso eo alohany hoe: Izao no hatao amin’ ny lehilahy izay tian’ ny mpanjaka homem-boninahitra.
- 10 Dia hoy ny mpanjaka tamin’ i Hamana: Faingana ary, alao ny akanjo sy ny soavaly araka ny voalazanao, ka dia ataovy araka izany amin’ i Mordekay Jiosy, izay mipetraka eo am-bavahadin’ ny mpanjaka; aza asiana latsaka izay rehetra nolazainao.
- 11 Dia nalain’ i Hamana ny akanjo sy ny soavaly, ka nampiakanjo an’ i Mordekay izy ary nampitaigina azy tamin’ ny soavaly, dia nitondra azy ho eny an-kalalahana teo an-tanàna ka niantso teo alohany hoe: Izao no hatao amin’ ny lehilahy izay tian’ ny mpanjaka homem-boninahitra.
- 12 Ary Mordekay niverina nankeo amin’ ny vavahadin’ ny mpanjaka; fa Hamana kosa nody faingana ho any an-tranony sady nalahelo no nisaron-doha.
- 13 Dia nolazain’ i Hamana tamin’ i Zaresy vadiny sy ny sakaizany rehetra izay zavatra nanjo azy. Ary hoy ny olon-kendry rehetra sy Zaresy vadiny taminy: Raha avy amin’ ny taranaky ny Jiosy Mordekay, izay efa niantomboka nandavo anao teo anatrehany, dia tsy haharesy azy mihitsy ianao, fa ho lavo eo anatrehany tokoa.
- 14 Ary raha mbola niresaka taminy ihany ireo, dia tonga ny tsindranolahin’ ny mpanjaka ka naka faingana an’ i Hamana ho ny amin’ ny fanasana izay efa namboarin’ i Estera.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗