에베소서 5장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 에베소서 (Ephesians) · 33절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Koa amin’ izany dia aoka hanahaka an’ Andriamanitra ianareo tahaka ny zanaka malala; | Be ye therefore followers of God, as dear children; |
| 2 | ary mandehana amin’ ny fitiavana, toy ny nitiavan’ i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin’ Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana, hamonjy antsika. | And walk in love, as Christ also hath loved us, and hath given himself for us an offering and a sacrifice to God for a sweetsmelling savour. |
| 3 | Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masìna izany, | But fornication, and all uncleanness, or covetousness, let it not be once named among you, as becometh saints; |
| 4 | na fahavetavetana, na resaka fahadalana, na voso-dratsy, izay tsy tokony hatao, fa aleo misaotra. | Neither filthiness, nor foolish talking, nor jesting, which are not convenient: but rather giving of thanks. |
| 5 | Fa fantatrareo marimarina fa samy tsy manana lova eo amin’ ny fanjakan’ i Kristy sy Andriamanitra na ny mpijangajanga rehetra, na ny olom-betaveta, na ny olona mierina (mpanompo sampy izany). | For this ye know, that no whoremonger, nor unclean person, nor covetous man, who is an idolater, hath any inheritance in the kingdom of Christ and of God. |
| 6 | Aza mety hofitahin’ olona amin’ ny teny foana ianareo; fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran’ Andriamanitra amin’ ny zanaky ny tsi-fanarahana. | Let no man deceive you with vain words: for because of these things cometh the wrath of God upon the children of disobedience. |
| 7 | Koa aza mety ho mpiombona aminy ianareo. | Be not ye therefore partakers with them. |
| 8 | Fa maizina ianareo fahiny, fa efa mazava ao amin’ ny Tompo kosa ankehitriny; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava | For ye were sometimes darkness, but now are ye light in the Lord: walk as children of light: |
| 9 | (fa ny vokatry ny mazava dia ao amin’ ny fahatsarana rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana), | (For the fruit of the Spirit is in all goodness and righteousness and truth;) |
| 10 | mamantatra izay ankasitrahan’ ny Tompo. | Proving what is acceptable unto the Lord. |
| 11 | Ary aza miray amin’ ny asan’ ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mananatra izany. | And have no fellowship with the unfruitful works of darkness, but rather reprove them. |
| 12 | Fa izay ataony ao amin’ ny miafina, dia mahamenatra na dia ny milaza izany aza. | For it is a shame even to speak of those things which are done of them in secret. |
| 13 | Fa ny zavatra rehetra, raha anarina, dia asehon’ ny mazava; fa na inona na inona aseho dia mazava. | But all things that are reproved are made manifest by the light: for whatsoever doth make manifest is light. |
| 14 | Koa izany no ilazany hoe: Mifohaza ianao izay matory, Ary mitsangàna amin’ ny maty, Dia hampahazava anao Kristy. | Wherefore he saith, Awake thou that sleepest, and arise from the dead, and Christ shall give thee light. |
| 15 | Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, | See then that ye walk circumspectly, not as fools, but as wise, |
| 16 | ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao. | Redeeming the time, because the days are evil. |
| 17 | Ary noho izany dia aza manao adaladala, fa aoka ho fantatrareo izay sitrapon’ ny Tompo. | Wherefore be ye not unwise, but understanding what the will of the Lord is. |
| 18 | Ary aza ho mamon-divay ianareo, fa amin’ izany dia misy fanaranam-po amin’ ny ratsy, fa aoka hofenoina ny Fanahy, | And be not drunk with wine, wherein is excess; but be filled with the Spirit; |
| 19 | ka mifampilazà amin’ ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, dia mihira sy mikalo ao am-ponareo ho an’ ny Tompo, | Speaking to yourselves in psalms and hymns and spiritual songs, singing and making melody in your heart to the Lord; |
| 20 | misaotra an’ Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny zavatra rehetra, amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy Tompontsika, | Giving thanks always for all things unto God and the Father in the name of our Lord Jesus Christ; |
| 21 | sady mifanaiky amin’ ny fahatahorana an’ i Kristy, | Submitting yourselves one to another in the fear of God. |
| 22 | Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo. | Wives, submit yourselves unto your own husbands, as unto the Lord. |
| 23 | Fa ny lahy no lohan’ ny vavy, dia tahaka an’ i Kristy koa no Lohan’ ny fiangonana; ary Izy no mpamonjy ny tena. | For the husband is the head of the wife, even as Christ is the head of the church: and he is the saviour of the body. |
| 24 | Fa tahaka ny aneken’ ny fiangonana an’ i Kristy no haneken’ ny vavy ny lahy koa amin’ ny zavatra rehetra. | Therefore as the church is subject unto Christ, so let the wives be to their own husbands in every thing. |
| 25 | Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan’ i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy, | Husbands, love your wives, even as Christ also loved the church, and gave himself for it; |
| 26 | mba hahamasina azy amin’ ny anadiovany azy amin’ ny rano fanasana amin’ ny teny; | That he might sanctify and cleanse it with the washing of water by the word, |
| 27 | mba horaisiny ho an’ ny tenany izany ho fiangonana malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masìna sady tsy misy tsiny izy. | That he might present it to himself a glorious church, not having spot, or wrinkle, or any such thing; but that it should be holy and without blemish. |
| 28 | Dia tahaka izany koa, ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany. | So ought men to love their wives as their own bodies. He that loveth his wife loveth himself. |
| 29 | Fa tsy mba nisy olona tsy tia ny nofony, fa mamelona sy mitaiza azy, dia tahaka an’ i Kristy amin’ ny fiangonana; | For no man ever yet hated his own flesh; but nourisheth and cherisheth it, even as the Lord the church: |
| 30 | fa momba ny tenany isika. | For we are members of his body, of his flesh, and of his bones. |
| 31 | Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hiray amin’ ny vadiny, ary dia ho nofo iray ihany izy roroa. | For this cause shall a man leave his father and mother, and shall be joined unto his wife, and they two shall be one flesh. |
| 32 | Zava-miafina lehibe izany; fa milaza ny amin’ i Kristy sy ny fiangonana aho. | This is a great mystery: but I speak concerning Christ and the church. |
| 33 | Na dia izany aza, samia tia ny vadiny tahaka ny tenany ianareo lehilahy rehetra, ary aoka kosa ny vavy hanaja ny lahy. | Nevertheless let every one of you in particular so love his wife even as himself; and the wife see that she reverence her husband. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL