에베소서 4장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 에베소서 (Ephesians) · 32절
- 1 Ary noho izany izaho, mpifatotra noho ny amin’ ny Tompo, dia mangataka aminareo mba handeha miendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo,
- 2 amin’ ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin’ ny fahari-po mifandefitra amin’ ny fitiavana,
- 3 mazoto mitana ny firaisana avy amin’ ny Fanahy amin’ ny fehim-pihavanana.
- 4 Iray ny tena, ary iray ny Fanahy, dia toy ny niantsoana anareo ho amin’ ny fanantenana iray momba ny fiantsoana anareo;
- 5 iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa,
- 6 iray Andriamanitra sady Rain’ izy rehetra, Izay ambonin’ izy rehetra sy manerana azy rehetra ary ao amin’ izy rehetra.
- 7 Fa samy nomena ny fahasoavana araka ny ohatry ny fanomezan’ i Kristy avy isika rehetra.
- 8 Koa izany no ilazany hoe: Raha niakatra ho any amin’ ny avo Izy, dia nitondra olona maro ho babo Ka nanome fanomezana ho an’ ny olona.
- 9 (Ary ny amin’ ny hoe niakatra, inona moa izany, afa-tsy ny efa nidina ho any ambanin’ ny tany koa?
- 10 Izay nidina, dia Izy koa no Ilay niakatra any ambonin’ ny lanitra rehetra, hamenoany ny zavatra rehetra.)
- 11 Ary Izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ary ny sasany ho mpaminany, ary ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra,
- 12 ho fanatanterahana ny olona masìna, ho amin’ ny asan’ ny fanompoana amin’ ny fiangonana, ho amin’ ny fampandrosoana ny tenan’ i Kristy,
- 13 mandra-pahatongantsika rehetra ho amin’ ny firaisan’ ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak’ Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben’ ny fahafenoan’ i Kristy;
- 14 mba tsy ho zaza intsony isika, ka ahilangilana sy ampitambolimbolenin’ ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra amin’ ny saim-petsy ataon’ ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana;
- 15 fa mba hanaraka ny marina amin’ ny fitiavana ka hitombo amin’ ny ny zavatra rehetra ho amin’ izay Loha, dia Kristy;
- 16 Izy no itomboan’ ny tena rehetra (izay akambana sy ampiarahina tsara) noho ny fifanompoan’ ny isan-tonony, araka ny fiàsan’ izay rehetra momba azy amin’ izay mety ho anjara-asany avy ka hampandrosoany ny tenany amin’ ny fitiavana.
- 17 Koa izao no lazaiko sady ambarako ao amin’ ny Tompo: ny tsy mba handehananareo intsony tahaka ny fandehan’ ny jentilisa amin’ ny fahafoanan’ ny sainy;
- 18 fa efa tonga maizin-tsaina sy olon-ko azy amin’ ny fiainan’ Andriamanitra ireny noho ny tsi-fahalalana ny anatiny, noho ny hamafin’ ny fony,
- 19 dia olona tsy mahalala henatra intsony ka nanolo-tena ho amin’ ny fijejojejoana hanao izay fahalotoana rehetra amin’ ny fieremana.
- 20 Fa ianareo kosa, dia tsy mba toy izany no nianaranareo an’ i Kristy,
- 21 raha Izy tokoa no renareo ka tao aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana izay ao amin’ i Jesosy,
- 22 mba hialanareo ny toetrareo taloha araka ny fitondran-tenanareo fahiny, izay mihasimba araka ny filan’ ny fitaka;
- 23 fa mba hohavaozina kosa ianareo amin’ ny fanahin’ ny sainareo,
- 24 ary mba hotafinareo ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’ Andriamanitra amin’ ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana.
- 25 Koa esory ny lainga, ka samia milaza ny marina amin’ ny namany avy ianareo rehetra; fa samy isan’ ny momba ny tenan’ ny namantsika avokoa isika.
- 26 Tezera, fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.
- 27 Aza manome fitoerana ho an’ ny devoly.
- 28 Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony; fa aleo hikely aina ka hiasa izay tsara amin’ ny tànany, mba hisy homeny izay tsy manana.
- 29 Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan’ ny mihaino fahasoavana.
- 30 Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin’ Andriamanitra, Izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin’ ny andro fanavotana.
- 31 Esory aminareo ny fo-lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra;
- 32 ary aoka samy halemy fanahy amin’ ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’ Andriamanitra ny helokareo ao amin’ i Kristy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗