아모스 5장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 아모스 (Amos) · 27절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Henoinareo izao teny izao, izay entiko milaza anareo, dia hira fahalahelovana, ry taranak’ Isiraely; | Hear ye this word which I take up against you, even a lamentation, O house of Israel. |
| 2 | Lavo Isiraely virijina ka tsy hahatsangana intsony; Nazera tamin’ ny taniny izy, ka tsy misy mangana azy. | The virgin of Israel is fallen; she shall no more rise: she is forsaken upon her land; there is none to raise her up. |
| 3 | Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Izay tanàna namoaka arivo, dia, indreo, zato monja no sisa: ary izay namoaka zato, dia, indreo, folo monja no sisa ho an’ ny taranak’ Isiraely. | For thus saith the Lord God; The city that went out by a thousand shall leave an hundred, and that which went forth by an hundred shall leave ten, to the house of Israel. |
| 4 | Fa izao no lazain’ i Jehovah amin’ ny taranak’ Isiraely; Tadiavo Aho, dia ho velona ianareo; | For thus saith the Lord unto the house of Israel, Seek ye me, and ye shall live: |
| 5 | Fa aza mitady an’ i Betela, na mankany Gilgala, ary aza mandroso ho any Beri-sheba; Fa ho babo tokoa Gilgala, ary Betela dia ho tonga tsinontsinona. | But seek not Beth–el, nor enter into Gilgal, and pass not to Beer–sheba: for Gilgal shall surely go into captivity, and Beth–el shall come to nought. |
| 6 | Mitadiava an’ i Jehovah, dia ho velona ianareo; Fandrao hilatsaka toy ny afo mandevona amin’ ny taranak’ i Josefa Izy, ary Betela tsy hanana izay hahafaty ny afo, | Seek the Lord, and ye shall live; lest he break out like fire in the house of Joseph, and devour it, and there be none to quench it in Beth–el. |
| 7 | Dia ianareo izay mamadika ny rariny ho zava-mahafaty ary mampiongana ny fahamarinana ho eo amin’ ny tany. | Ye who turn judgment to wormwood, and leave off righteousness in the earth, |
| 8 | Ilay nanao an’ Ikotokelimiadilaona sy ny Telonohorefy, ary mampody ny aloky ny fahafatesana ho maraina sy manamaizina ny andro ho alina, dia ilay miantso ny rano ao an-dranomasina ka mandatsaka azy amin’ ny tany: Jehovah no anarany, | Seek him that maketh the seven stars and Orion, and turneth the shadow of death into the morning, and maketh the day dark with night: that calleth for the waters of the sea, and poureth them out upon the face of the earth: The Lord is his name: |
| 9 | Dia Ilay mampitselatra fandravana hamely ny mahery, ka dia mihatra amin’ ny tanàna mimanda ny fandravana. | That strengtheneth the spoiled against the strong, so that the spoiled shall come against the fortress. |
| 10 | Halany eo am-bavahady izay mananatra, ary ataony ho fahavetavetana izay miteny ny marina. | They hate him that rebuketh in the gate, and they abhor him that speaketh uprightly. |
| 11 | Koa noho ny fanitsakitsahanareo ny mahantra sy ny nampandoavanareo vary azy, dia mba nanao trano vato voapaika ihany ianareo, nefa tsy hitoetra ao aminy; Namboly tanim-boaloboka mahafinaritra ihany ianareo, nefa tsy hisotro ny divay avy aminy. | Forasmuch therefore as your treading is upon the poor, and ye take from him burdens of wheat: ye have built houses of hewn stone, but ye shall not dwell in them; ye have planted pleasant vineyards, but ye shall not drink wine of them. |
| 12 | Fa fantatro fa be ny helokareo, ary fatratra ny fahotanareo: Mampahory ny marina sy mandray kolikoly ianareo ary mamadika ny malahelo eo am-bavahady. | For I know your manifold transgressions and your mighty sins: they afflict the just, they take a bribe, and they turn aside the poor in the gate from their right. |
| 13 | Koa izay manan-tsaina dia hangina amin’ izao andro izao, fa andro mampahory izao. | Therefore the prudent shall keep silence in that time; for it is an evil time. |
| 14 | Ny tsara no tadiavo, fa aza ny ratsy, mba ho velona ianareo; Ka dia homba anareo Jehovah, Andriamanitry ny maro, araka izay efa nolazainareo. | Seek good, and not evil, that ye may live: and so the Lord, the God of hosts, shall be with you, as ye have spoken. |
| 15 | Ankahalao ny ratsy, ka tiavo ny tsara, ary aoreno eo am-pitsarana ny rariny; Angamba Jehovah, Andriamanitry ny maro, hamindra fo amin’ izay sisa amin’ i Josefa. | Hate the evil, and love the good, and establish judgment in the gate: it may be that the Lord God of hosts will be gracious unto the remnant of Joseph. |
| 16 | Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo, Andriamanitry ny maro: Eny an-kalalahana rehetra dia hisy fisaonana, ary eny an-dalambe rehetra dia hisy hanao hoe: Indrisy! Indrisy! Ary hiantso ny mpiasa tany hitomany izy, ary izay mahay hira fisaonana dia hantsoiny hanao. | Therefore the Lord, the God of hosts, the Lord, saith thus; Wailing shall be in all streets; and they shall say in all the highways, Alas! alas! and they shall call the husbandman to mourning, and such as are skilful of lamentation to wailing. |
| 17 | Ary any amin’ ny tanim-boaloboka rehetra dia hisy fisaonana; Fa handeha hamaky eo aminao Aho, hoy Jehovah. | And in all vineyards shall be wailing: for I will pass through thee, saith the Lord. |
| 18 | Lozan’ izay maniry ny andron’ i Jehovah! Hataonareo inona moa ny andron’ i Jehovah? Dia aizina, fa tsy fahazavana, | Woe unto you that desire the day of the Lord! to what end is it for you? the day of the Lord is darkness, and not light. |
| 19 | Tahaka ny olona mandositra ny liona ka sendra ny bera, ary rehefa tafiditra ao an-trano ka mitehin-tanana amin’ ny rindrina, dia kekerin’ ny menarana. | As if a man did flee from a lion, and a bear met him; or went into the house, and leaned his hand on the wall, and a serpent bit him. |
| 20 | Moa tsy aizina va ny andron’ i Jehovah, fa tsy fahazavana? Tsy aizim-pito tsy misy mangirana akory va izany? | Shall not the day of the Lord be darkness, and not light? even very dark, and no brightness in it? |
| 21 | Halako, eny, laviko ny andro firavoravoanareo, ary tsy ho hanitra ankasitrahana amiko ny fivorianareo masìna. | I hate, I despise your feast days, and I will not smell in your solemn assemblies. |
| 22 | Na dia ateranareo fanatitra dorana sy fanatitra hohanina aza Aho, dia tsy sitrako izany; Ny zanak’ omby mifahy aterinareo ho fanati-pihavanana dia tsy hojereko akory. | Though ye offer me burnt offerings and your meat offerings, I will not accept them: neither will I regard the peace offerings of your fat beasts. |
| 23 | Atsaharo ny finaonaonan’ ny hiranareo, fa maharenina Ahy; Fa tsy hihaino ny fanenon’ ny lokanganareo Aho. | Take thou away from me the noise of thy songs; for I will not hear the melody of thy viols. |
| 24 | Ary aoka ny fitsarana hanalonalona toy ny rano, ary ny fahamarinana toy ny renirano tsy mety ritra. | But let judgment run down as waters, and righteousness as a mighty stream. |
| 25 | Moa efa nanatitra fanatitra hohanina sy fanatitra alatsa-drà ho Ahy tany an-efitra efa-polo taona va ianareo, ry taranak’ i Isiraely? | Have ye offered unto me sacrifices and offerings in the wilderness forty years, O house of Israel? |
| 26 | Tsia, fa ny nitondra ny tabernakelin’ ny mpanjakanareo sy ny fipetrahan’ ny sampinareo ihany no nataonareo, dia ny kintan’ ny andriamanitrareo, izay nataonareo ho anareo | But ye have borne the tabernacle of your Moloch and Chiun your images, the star of your god, which ye made to yourselves. |
| 27 | Ka dia ho entiko ho babo any ankoatr’ i Damaskosy ianareo, hoy Jehovah, Andriamanitry ny maro no anarany. | Therefore will I cause you to go into captivity beyond Damascus, saith the Lord, whose name is The God of hosts. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL