아모스 3장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 아모스 (Amos) · 15절
- 1 Henoy izao teny izao, izay lazain’ i Jehovah ny aminareo, ry Zanak’ Isiraely, dia ny amin’ io taranaka rehetra nentiko niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta io:
- 2 Hianareo ihany no fantatro tamin’ ny firenena rehetra ambonin’ ny tany, koa noho izany dia hovaliako ianareo noho ny helokareo rehetra.
- 3 Ho tafara-dalana va ny roa, raha tsy efa nifanaiky?
- 4 Mierona any an’ ala va ny liona, raha tsy mahita toha? Manerona ao an-davany va ny liona tanora, raha tsy mahazo zavatra?
- 5 Voan’ ny fandrika etỳ an-tany va ny vorona, raha tsy nisy tadivavarana? Mikatona va ny fandrika, raha tsy mahavoa zavatra?
- 6 Tsofina va ao an-tanàna ny anjomara, ka tsy hatahotra ny vahoaka? Misy loza ao an-tanàna va, raha tsy Jehovah no nahatonga izany?
- 7 Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin’ ny mpaminany mpanompony.
- 8 Ny liona no mierona, ka iza no tsy hatahotra? Jehovah Tompo no miteny, ka iza no tsy haminany?
- 9 Ambarao ao an-tranoben’ i Asdoda sy ao an-tranobe any amin’ ny tany Egypta, ka ataovy hoe: Miangona any an-tendrombohitr’ i Samaria ianareo, ary jereo ny tabataba be ao aminy sy ny fampahoriana ao anatiny.
- 10 Fa tsy mahalala hanao ny marina izy ireo, hoy Jehovah, dia ireo izay mitahiry fandozana sy roba ao an-tranobeny.
- 11 Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: He, misy fahavalo manodidina ny tany! Hazerany ho afaka aminao ny herinao, ary hobaboina ny tranobenao.
- 12 Izao no lazain’ i Jehovah: Toy ny famonjin’ ny mpiandry ondry ny tongotr’ ondry roa na ny sombin-tsofina eny am-bavan’ ny liona, dia toy izany no ho famonjy ny Zanak’ Isiraely, izay mipetraka ao Samaria, eo an-jorom-parafara sy eo amin’ ny lamba fandriandriana avy any Damaskosy.
- 13 Henoinareo, ka ambarao hamelezana ny taranak’ i Jakoba, hoy ny Tompo, Jehovah, Andriamanitry ny maro:
- 14 Amin’ ny andro hamaliako ny Isiraely noho ny fahotana ao aminy no hamaliako ny alitara ao Betela dia hokapaina ny tandroky ny alitara ka hianjera amin’ ny tany.
- 15 Hamely ny trano ririnina sy ny trano fahavaratra Aho; Ary ho rava ny trano ivory, sady ho fongana ny trano maro, hoy Jehovah.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗