아모스 2장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 아모스 (Amos) · 16절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Izao no lazain’ i Jehovah: Noho ny fahotana telon’ i Moaba, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria nodorany ho sokay ny taolan’ ny mpanjakan’ i Edoma; | Thus saith the Lord; For three transgressions of Moab, and for four, I will not turn away the punishment thereof; because he burned the bones of the king of Edom into lime: |
| 2 | Fa hataoko afo ao Moaba, ka handevona ny tranoben’ i Kiriota izany; Ary Moaba ho faty amin’ ny tabataba sy amin’ ny akora ary ny fanenon’ ny anjomara; | But I will send a fire upon Moab, and it shall devour the palaces of Kerioth: and Moab shall die with tumult, with shouting, and with the sound of the trumpet: |
| 3 | Ary hofoanako tsy hisy mpitsara ao aminy, ary hiaraka hovonoiko izy sy ireo mpanapaka rehetra ao aminy, hoy Jehovah. | And I will cut off the judge from the midst thereof, and will slay all the princes thereof with him, saith the Lord. |
| 4 | Izao no lazain’ i Jehovah: Noho ny fahotana telon’ i Joda, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria nataony tsinontsinona ny lalàn’ i Jehovah, ary ny didiny tsy notandremany, ary nampahadiso azy ny laingany, izay fanaon’ ny razany; | Thus saith the Lord; For three transgressions of Judah, and for four, I will not turn away the punishment thereof; because they have despised the law of the Lord, and have not kept his commandments, and their lies caused them to err, after the which their fathers have walked: |
| 5 | Fa haterako afo ao Joda, ka handevona ny tranoben’ i Jerosalema izany. | But I will send a fire upon Judah, and it shall devour the palaces of Jerusalem. |
| 6 | Izao no lazain’ i Jehovah: Noho ny fahotana telon’ Isiraely, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria namidiny volafotsy ny olona marina sy kapa iray lomisy ny malahelo, | Thus saith the Lord; For three transgressions of Israel, and for four, I will not turn away the punishment thereof; because they sold the righteous for silver, and the poor for a pair of shoes; |
| 7 | Ary mihanahana mitsiriritra ny vovo-tany eo an-dohan’ ny malahelo izy sady mamily ny alehan’ ny mpandefitra, ary olona mianaka dia samy mandry amin’ ny zazavavy iray ihany mba handoto ny anarako masìna; | That pant after the dust of the earth on the head of the poor, and turn aside the way of the meek: and a man and his father will go in unto the same maid, to profane my holy name: |
| 8 | Amin’ ny lamba azony tamin’ ny tsatòka izy no mitsilailay eny anilan’ ny alitara rehetra, ary misotro divay novidina tamin’ ny sazy ao an-tranon’ ireo andriamaniny izy. | And they lay themselves down upon clothes laid to pledge by every altar, and they drink the wine of the condemned in the house of their god. |
| 9 | Nefa Izaho no nandringana ny Amorita teo anoloany, dia olona izay lava tsanganana toy ny hazo sedera sy natanjaka toy ny ôka; Eny, nosimbako ny voany teny ambony sy ny fatany tao ambany. | Yet destroyed I the Amorite before them, whose height was like the height of the cedars, and he was strong as the oaks; yet I destroyed his fruit from above, and his roots from beneath. |
| 10 | Ary Izaho no nitondra anareo niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta sady nitari-dalana anareo efa-polo taona tany an-efitra, mba handovanareo ny tanin’ ny Amorita, | Also I brought you up from the land of Egypt, and led you forty years through the wilderness, to possess the land of the Amorite. |
| 11 | Ary ny zanakalahinareo nisy natsangako ho mpaminany, ary ny zatovonareo ho Nazirita. Tsy izany va no izy, ry Zanak’ Isiraely? hoy Jehovah. | And I raised up of your sons for prophets, and of your young men for Nazarites. Is it not even thus, O ye children of Israel? saith the Lord. |
| 12 | Kanjo nampisotroinareo divay ny Nazirita, ary ny mpaminany noraranareo hoe: Aza maminany. | But ye gave the Nazarites wine to drink; and commanded the prophets, saying, Prophesy not. |
| 13 | Indro, Izaho no hitambesatra aminareo toy ny fitambesatry ny sariety feno amboara. | Behold, I am pressed under you, as a cart is pressed that is full of sheaves. |
| 14 | Koa tsy ho afa-mandositra ny faingam-pandeha, ny mahery tsy hampiseho hery, ary ny lehilahy mahery tsy hahavonjy ny ainy; | Therefore the flight shall perish from the swift, and the strong shall not strengthen his force, neither shall the mighty deliver himself: |
| 15 | Izay mitana tsipìka tsy hahajanona, ary ny faingan-tongotra tsy hahavonjy tena, izay mitaingin-tsoavaly tsy hahavonjy ny ainy; | Neither shall he stand that handleth the bow; and he that is swift of foot shall not deliver himself: neither shall he that rideth the horse deliver himself. |
| 16 | Ary na dia izay sahy ao amin’ ny mahery aza dia handositra mitanjaka amin’ izany andro izany, hoy Jehovah. | And he that is courageous among the mighty shall flee away naked in that day, saith the Lord. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL