아가 4장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 아가 (Song of Songs) · 16절
- 1 Endrey, tsara tarehy ianao, ry tompokovavy havako! Endrey, tsara tarehy ianao! Ny masonao dia voromailala eo amin’ ny fisalobonanao; Ny volonao dia tahaka ny osy andiany, izay mandriandry eny an-kilan’ ny tendrombohitr’ i Gileada.
- 2 Ny nifinao dia tahaka ny ondrivavy andiany efa voahety, izay miakatra avy eo amin’ ny fampandroana; Samy kambana avy ireo, fa tsy misy tsy mana-namana.
- 3 Tahaka ny kofehy jaky ny molotrao, ary mahafinaritra ny vavanao; Tahaka ny hasin’ ampongabendanitra ny takolakao eo amin’ ny fisalobonanao,
- 4 Ny vozonao dia tahaka ny tilikambon’ i Davida, natao ho trano fihantonam-piadiana; Ampinga arivo no voahantona eo, dia ny ampinga rehetra an’ ny lehilahy mahery.
- 5 Ny nononao roa dia toy ny diera kambana mbola tanora, izay homana eny amin’ ny lilia.
- 6 Mandra-pangatsiatsiaky ny andro, ka efa hilentika ny masoandro, dia handeha aho ho any amin’ ny tendrombohitry ny miora sy ny havoan’ ny ditin-kazo mani-pofona.
- 7 Tsara avokoa izato bikanao izato, ry tompokovavy havako; Tsy misy kilema ianao.
- 8 Hiaraka amiko avy any Libanona ianao, ry ampakariko, eny, hiaraka amiko avy any Libanona, hitazana eny an-tampon’ i Amana, eny an-tampon’ i Senira sy Hermona, eny an-davaky ny liona, eny an-tendrombohitry ny leoparda.
- 9 Efa lasanao ny foko, ry havako ampakariko, efa lasanao ny foko tamin’ ny masonao an-ila sy tamin’ ny rojo anankiray amin’ ny vozonao.
- 10 Akory ny hatsaran’ ny fitiavanao, ry havako ampakariko! Akory ny hatsaran’ ny fitiavanao! eny, tsara noho ny divay! Ary ny fofon’ ny menaka manitrao dia mihoatra noho ny zava-manitra rehetra!
- 11 Mitete tantely toy ny avy amin’ ny tohotra ny molotrao, ry ampakariko; Tantely sy ronono no ao ambanin’ ny lelanao, ary ny fofon’ ny fitafianao dia tahaka ny fofon’ i Libanona.
- 12 Saha voahidy ny havako ampakariko, loharano voahidy, fantsakan-drano voaisy tombo-kase.
- 13 Hianao no saha anirian’ ny ampongabendanitra tsara voa, sady misy kofera sy narda,
- 14 Eny, narda sy safrona, veromanitra sy havozomanitra sy ny hazo misy ny ditin-kazo mani-pofona rehetra. Miora sy hazo manitra Mbamin’ ny zava-manitra tsara rehetra;
- 15 Loharano ao an-tanimboly ianao, loharano miboiboika, ary renirano kely avy any Libanona.
- 16 Mifohaza, ry rivotra avy any avaratra; avia, ry avy any atsimo, Mitsofa eny an-tsahako hielezan’ ny fofony manitra. Aoka ny malalako hankatỳ an-tanimboliny ka hihinana ny voankazony tsara.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗