신명기 9장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 신명기 (Deuteronomy) · 29절
- 1 Mihainoa, ry Isiraely ô: ianao izao dia efa hita an’ i Jordana hiditra eo amin’ ny tany ka handresy firenen-tsamy hafa, izay lehibe sy mahery noho ianao, sy hahafaka tanàna lehibe izay misy manda manakatra ny lanitra,
- 2 dia firenena lehibe sady olona lava, dia taranaky ny Anakita izay fantatrao, sady efa renao ny lazany hoe: Iza no mahajanona eo anoloan’ ny taranak’ i Anàka?
- 3 Koa aoka ho fantatrao anio fa Jehovah Andriamanitrao no efa handeha hita eo alohanao tahaka ny afo mandevona, ka Izy no handringana azy sy hampietry azy eo anoloanao; dia handroaka azy ianao ka handringana azy faingana, araka izay nolazain’ i Jehovah taminao.
- 4 Ary rehefa voaroak’ i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao izy, dia aza manao anakampo hoe: Ny fahamarinako no nitondran’ i Jehovah ahy niditra handova ity tany ity; fa ny haratsiam-panahin’ ireo firenena ireo no androahan’ i Jehovah azy eo anoloanao.
- 5 Tsy ny fahamarinanao, na ny hitsim-ponao, no andehananao handova ny taniny; fa ny haratsiam-panahin’ ireo firenena ireo no androahan’ i Jehovah Andriamanitrao azy eo anoloanao hahatò ny teny izay nianianan’ i Jehovah tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao.
- 6 Koa aoka ho fantatrao fa tsy ny fahamarinanao no anomezan’ i Jehovah Andriamanitrao izany tany soa izany ho lovanao; fa firenena mafy hatoka ianao.
- 7 Tsarovy ka aza hadinoinao ny nampahatezeranao an’ i Jehovah Andriamanitrao tany an-efitra: eny, hatramin’ ny andro nialanao tany amin’ ny tany Egypta ka hatramin’ ny nahatongavanareo teto amin’ ity tany ity dia mbola niodina tamin’ i Jehovah ihany ianareo.
- 8 Na dia tany Horeba aza dia nampahatezitra an’ i Jehovah ianareo, dia tezitra taminareo Izy ka saiky nandringana anareo.
- 9 Raha niakatra tao an-tendrombohitra aho handray ny vato fisaka, dia ny vato fisaka izay nisy ny fanekena nataon’ i Jehovah taminareo, ka nitoetra efa-polo andro sy efa-polo alina tao an-tendrombohitra sady tsy nihinan-kanina na nisotro rano,
- 10 dia nomen’ i Jehovah ahy ny vato fisaka roa, voasoratry ny fanondron’ Andriamanitra; ary teo aminy no nisy ilay teny rehetra nolazain’ i Jehovah taminareo tao an-tendrombohitra tao amin’ ny andro nivoriana.
- 11 Ary nony tapitra ny efa-polo andro sy efa-polo alina, dia nomen’ i Jehovah ahy ny vato fisaka roa, dia ilay nisy ny fanekena.
- 12 Dia hoy Jehovah tamiko: Miaingà, ka midìna faingana hiala etỳ ianao; fa efa nanao ratsy ny olonao izay nentinao nivoaka avy tany Egypta; efa nalaky nivily niala tamin’ ny lalana izay efa nasaiko nalehany izy ka nanao sarin-javatra an-idina ho azy.
- 13 Ary hoy koa Jehovah tamiko: Efa hitako ity firenena ity, fa, indro, olona mafy hatoka izy.
- 14 Avelao Aho handringana azy, ka hovonoiko ny anarany tsy ho eny ambanin’ ny lanitra, ary dia hataoko firenena mahery sy lehibe noho izy ianao.
- 15 Dia nihodina aho ka nidina niala tamin’ ny tendrombohitra, raha mbola nirehitra afo izy; ary ny vato fisaka roa nisy ny fanekena dia teny an-tanako roa.
- 16 Ary nijery aho, ka, indro, efa nanota tamin’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo ka nanao ombilahy kely an-idina ho anareo; nalaky nivily ianareo niala tamin’ ny lalana izay efa nasain’ i Jehovah nalehanareo.
- 17 Dia noraisiko ny vato fisaka roa ka nazerako avy teny an-tanako roa ho vakivaky teo imasonareo.
- 18 Ary niankohoka teo anatrehan’ i Jehovah efa-polo andro sy efa-polo alina tahaka ilay teo ihany aho ka tsy nihinan-kanina, na nisotro rano, noho ny fahotanareo rehetra, izay nataonareo tamin’ ny nanaovanareo izay ratsy eo imason’ i Jehovah, ka nampahatezeranareo Azy.
- 19 Fa natahotra ny fahavinirana sy ny fahatezerana aho, izay nahatezeran’ i Jehovah taminareo handringanana anareo. Dia nihaino ahy indray Jehovah tamin’ izany andro izany.
- 20 Ary Jehovah dia tezitra indrindra tamin’ i Arona ka saiky nandevona azy; dia nifona ho an’ i Arona koa aho tamin’ izany andro izany.
- 21 Ary noraisiko ny fahotanareo, dia ilay ombilahy kely izay nataonareo, ka nodorako tamin’ ny afo, dia notorotoroiko sy nomontsamontsaniko mandra-pahatongany ho madinika toy ny vovoka; ary ny vovony dia nariako teo amin’ ny renirano izay midìna avy amin’ ny tendrombohitra.
- 22 Ary tao Tabera sy Masa ary Kibrota-hatava no nampahatezeranareo an’ i Jehovah.
- 23 Ary raha nampandehanin’ i Jehovah niala tao Kadesi-barnea ianareo ka nataony hoe: Miakara, ka lovao ny tany izay nomeko anareo, dia nandà ny tenin’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, fa tsy nihaino Azy, na nino ny feony.
- 24 Eny, niodina tamin’ i Jehovah ihany ianareo hatramin’ ny andro nahalalako anareo no ho mankaty.
- 25 Ary niankohoka teo anatrehan’ i Jehovah aho nandritra izany efa-polo andro sy efa-polo alina izany, satria efa nolazain’ i Jehovah fa handringana anareo Izy.
- 26 Dia nifona tamin’ i Jehovah aho ka nanao hoe: Jehovah Tompo ô, aza mandringana ny firenenao sy ny lovanao, izay navotanao tamin’ ny fahalehibiazanao ka nentinao nivoaka avy tany Egypta tamin’ ny tananao mahery.
- 27 Tsarovy ny mpanomponao, dia Abrahama sy Isaka ary Jakoba; fa aza mijery ny ditran’ ity firenena ity, na ny haratsiam-panahiny, na ny fahotany,
- 28 fandrao izay monina amin’ ny tany nitondranao anay nivoaka avy tany hanao hoe: Satria tsy hain’ i Jehovah ny hitondra azy ho any amin’ ny tany izay nolazainy taminy, ary satria nankahala azy Izy, dia izany no nitondrany azy nivoaka hahafaty azy atỳ an-efitra.
- 29 Kanefa ireo dia firenenao sy lovanao, izay nentinao nivoaka tamin’ ny herinao lehibe sy ny sandrinao nahinjitra.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗