신명기 14장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 신명기 (Deuteronomy) · 29절
- 1 Zanak’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, koa aza mitetika ny tenanareo, na manaratra ny eo ambonin’ ny handrinareo noho ny amin’ ny maty.
- 2 Fa firenena masìna ho an’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka voafidiny ho rakitra soa ho Azy mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin’ ny tany.
- 3 Aza mihinana izay fahavetavetana.
- 4 Izao no biby izay ho fihinanareo: Ny omby sy ny ondry sy ny osy
- 5 sy ny diera, ny gazela, ny kapreola, ny osi-dia, ny pygarga, ny antilopa ary ny ropikapra:
- 6 izay biby rehetra mivaky kitro, ka misaraka tsara ny kitrony sady mandinika, no ho fihinanareo.
- 7 Nefa amin’ izay mandinika na mivaky kitro dia izao ihany kosa no tsy ho fihinanareo: Ny rameva sy ny rà bitro ary ny hyraka, satria mandinika ihany izy, fa tsy mivaky kitro; maloto aminareo izy;
- 8 ary ny kisoa koa, satria mivaky kitro izy, fa tsy mandinika, maloto aminareo izy; ny henan ireny tsy ho fihinanareo, ary ny fatiny tsy hokasihinareo.
- 9 Ary amin’ izay rehetra ao anatin’ ny rano dia izao no ho fihinanareo: izay rehetra misy vombony sy kirany no ho fihinanareo;
- 10 fa izay rehetra tsy misy vombony sy kirany kosa dia tsy ho fihinanareo; maloto aminareo izy.
- 11 Ny vorona madio rehetra no ho fihinanareo.
- 12 Nefa izao kosa no tsy ho fihinanareo: ny voltora sy ny gypa sy ny ankoay
- 13 ary ny papango sy ny voromahery sy ny papango mainty, samy araka ny karazany, avy
- 14 ary ny goaika rehetra, samy araka ny karazany avy,
- 15 ary ny ostritsa sy ny tararaka sy ny vorondriaka ary ny hitsikitsika, samy araka ny karazany avy,
- 16 ary ny vorondolo sy ny vorondolo lehibe sy ny ibisa
- 17 ary ny sama sy ny voltora madinika sy ny manarana
- 18 ary ny vano sy ny vanobe, samy araka ny karazany avy, ary ny takidara sy ny manavy.
- 19 Ary ny zava-mandady rehetra izay manana elatra dia haloto aminareo ka tsy ho fihinanareo.
- 20 Ny zava-manana elatra izay madio no ho fihinanareo.
- 21 Aza homana izay maty ho azy, fa omeo ho an’ ny vahiny izay ao an-tanànanao izany mba hohaniny, na amidio amin’ ny olona hafa firenena; fa firenena masìna ho an’ i Jehovah Andriamanitrao ianao. Aza mahandro zanak’ osy amin’ ny rononon-dreniny.
- 22 Aloavy tsara ny ampahafolon’ ny vokatra rehetra avy amin’ ny voa nafafinao, dia ny vokatra any an-tsaha isan-taona;
- 23 dia aoka ho eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao eo amin’ ny tany izany hofidiny hampitoerany ny anarany no hihinananao ny ampahafolon’ ny varinao sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao ary ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman’ osinao, mba hianaranao hatahotra an’ i Jehovah Andriamanitrao mandrakariva.
- 24 Fa raha lavitra loatra ny lalana halehanao ka tsy mahatondra izany zavatra izany ianao, satria lavitra anao loatra ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany, raha notahin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao,
- 25 dia hamidinao vola izany, ary hofonosinao ny vola ka ho entinao eo an-tananao hankany amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao;
- 26 ary ny vola dia amidio izay rehetra tian’ ny fanahinao, na omby, na ondry, na osy, na divay, na toaka, na izay zavatra hafa tian’ ny fanahinao; ary aoka ho eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao no hihinananao izany sy hifalianao mbamin’ ny ankohonanao;
- 27 ary ny Levita izay ao an-tanànanao dia aza foinao; fa tsy manana anjara na lova eo aminao izy.
- 28 Ary isan-telo taona dia alao ny ampahafolon’ ny vokatrao rehetra amin’ izany taona izany, ka ataovy ao an-tanànanao;
- 29 ary dia aoka ho avy ny Levita (satria tsy mba manana anjara na lova eo aminao izy) sy ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay ao an-tanànanao, dia hihinana izy ka ho voky, mba hotahin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao amin’ ny asan-tananao rehetra izay ataonao.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗