로그인

스바냐 2장 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 스바냐 (Zephaniah) · 15절

  1. 1 Miangona, eny, mivoria ianareo Ry firenena tsy manan-kenatra,
  2. 2 Dieny tsy mbola mihatra ny didy (Mihelina toy ny akofa ny andro!), Dieny tsy mbola tonga aminareo ny fahatezerana mafin’ i Jehovah, Eny, dieny tsy mbola tonga aminareo ny andro firehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah.
  3. 3 Mitadiava an’ i Jehovah, ianareo mpandefitra rehetra amin’ ny tany, Izay efa nanaraka ny fitsipiny: Tadiavo ny fahamarinana, Tadiavo ny fandeferana; Angamba ho voafina ianareo amin’ ny andro fahatezeran’ i Jehovah.
  4. 4 Fa hafoy Gaza, Ary ho lao Askelona; Horoahiny mitataovovonana Asdoda, Ary hofongorana Ekrona.
  5. 5 Lozan’ ny mponina any amoron-tsiraka, Dia ny firenen’ ny Keretita! Mihatra aminareo ny tenin’ i Jehovah, Ry Kanana, tanin’ ny Filistina! Haringako tsy hisy mponina eo aminao,
  6. 6 Ary ny any amoron-tsiraka dia ho tonga tany fiandrasana ondry, izay misy zohy fialofan’ ny mpiandry ondry, Sy ho valan’ ondry aman’ osy,
  7. 7 Ary ho tanin’ ny sisa amin’ ny taranak’ i Joda izany, Ka any no hiandrasany ondry; Ny tranon’ i Askelona no handriany amin’ ny hariva; Fa Jehovah Andriamaniny no hamangy azy Ka hampody azy avy amin’ ny fahababoany.
  8. 8 Efa reko ny fandatsan’ i Moaba Sy ny fanaratsian’ ny taranak’ i Amona, Izay nandatsany ny oloko Sy nireharehany teny amin’ ny sisin-taniny.
  9. 9 Koa raha velona koa Aho, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, Dia ho tahaka an’ i Sodoma tokoa Moaba, Ary ny taranak’ i Amona ho tahaka an’ i Gomora, Dia ho alan’ amiana sy lava-tsira ary tany lao mandrakizay; Ny sisa amin’ ny oloko no hamabo azy, ary ny sisa amin’ ny oloko no hahalasa azy.
  10. 10 Izany no ho valin’ ny avonavony, Satria nandatsa ny olon’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, sy nirehareha taminy izy.
  11. 11 Hahatsiravina azy Jehovah, Satria hahamosarena ireo andriamanitra rehetra ambonin’ ny tany Izy, Mba hiankohofan’ ny any amoron-tsiraky ny jentilisa rehetra eo anatrehan’ i Jehovah, Samy any amin’ ny fitoerany avy.
  12. 12 Hianareo Etiopiana koa, Ho voatrabaky ny sabatro ianareo.
  13. 13 Ary haninjitra ny tànany hamely ny avaratra Izy Ka handringana an’ i Asyria; Ary hahalao an’ i Ninive ho karankaina tahaka ny efitra Izy.
  14. 14 Ary hisy andiany handry ao aminy, Dia fivorian’ ny karazam-biby samy hafa, Ny sama sy ny sokina hitoetra ao amin’ ny kapitaliny; Feo mikiririoka no ho re ao am-baravarankely, Ary fandravana no ho eo an-tokonana, Fa hendahany ny rafitra sedera.
  15. 15 Izany no tanàna niravoravo sady nandry fahizay, Izay nanao anakampo hoe: Izaho no izy, ary tsy misy hafa; Endrey! efa tonga lao izy, eny, fandrian’ ny biby! Izay rehetra mandalo azy dia hisitrisitra sy hanondro tanana.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗