스가랴 9장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 스가랴 (Zechariah) · 17절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Teny faminaniana avy tamin’ i Jehovah ny amin’ ny loza hanjo ny tany Hadraka, Ary Damaskosy no hiharany ― Fa ny mason’ i Jehovah mandinika ny olombelona Mbamin’ ny firenena rehetra amin’ ny Isiraely ― | The burden of the word of the Lord in the land of Hadrach, and Damascus shall be the rest thereof: when the eyes of man, as of all the tribes of Israel, shall be toward the Lord. |
| 2 | Sy Hamata koa, izay mifanolotra aminy, Ary Tyro sy Sidona koa, satria hendry izy. | And Hamath also shall border thereby; Tyrus, and Zidon, though it be very wise. |
| 3 | Ary Tyro nanao manda mafy ho azy Ka nanangona volafotsy hoatra ny vovoka Sy volamena tsara hoatra ny fotaka eny an-dalambe. | And Tyrus did build herself a strong hold, and heaped up silver as the dust, and fine gold as the mire of the streets. |
| 4 | Indro, hofoanan’ ny Tompo ny fananany, Sady hasiany koa ny heriny ao amin’ ny ranomasina; Ary ny tenany ho levon’ ny afo. | Behold, the Lord will cast her out, and he will smite her power in the sea; and she shall be devoured with fire. |
| 5 | Askelona hahita izany ka ho raiki-tahotra, Gaza koa, ka ho toran-kovitra indrindra, Ary Ekrona, fa ho tonga henatra ny fanantenany; Tsy hisy mpanjaka intsony ao Gaza, Ary Askelona tsy honenana. | Ashkelon shall see it, and fear; Gaza also shall see it, and be very sorrowful, and Ekron; for her expectation shall be ashamed; and the king shall perish from Gaza, and Ashkelon shall not be inhabited. |
| 6 | Zazasary no ho mpanjaka ao Asdoda, Ary hofoanako ny reharehan’ ny Filistina. | And a bastard shall dwell in Ashdod, and I will cut off the pride of the Philistines. |
| 7 | Hesoriko eny am-bavany ny ràny, Sy ny fahavetavetany tsy ho eny anelanelan’ ny nifiny; Ary izy koa ho sisa ho an’ Andriamanitsika Sy ho toy ny lohany amin’ ny firenen’ i Joda, Ary Ekrona ho toy ny Jebosita. | And I will take away his blood out of his mouth, and his abominations from between his teeth: but he that remaineth, even he, shall be for our God, and he shall be as a governor in Judah, and Ekron as a Jebusite. |
| 8 | Ary hitoby Aho hiaro ny tranoko noho ny miaramila betsaka, Dia noho izay mandroso sy miverina; Ary tsy hisy mpampahory handeha hamaky eo aminy intsony, Fa ankehitriny dia efa hitan’ ny masoko. | And I will encamp about mine house because of the army, because of him that passeth by, and because of him that returneth: and no oppressor shall pass through them any more: for now have I seen with mine eyes. |
| 9 | Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao; Marina Izy sady manam-pamonjena, Malemy fanahy sady mitaingina boriky Dia zana-boriky tanora. | Rejoice greatly, O daughter of Zion; shout, O daughter of Jerusalem: behold, thy King cometh unto thee: he is just, and having salvation; lowly, and riding upon an ass, and upon a colt the foal of an ass. |
| 10 | Ary hofoanako tsy hisy kalesy intsony Efraima, Na soavaly any Jerosalema, Hofoanana koa ny tsipìka fiadiana, Ary hiteny fiadanana amin’ ny jentilisa Izy; Ny fanapahany dia hatramin’ ny ranomasina ka hatramin’ ny ranomasina Ary hatramin’ ny Ony ka hatramin’ ny faran’ ny tany. | And I will cut off the chariot from Ephraim, and the horse from Jerusalem, and the battle bow shall be cut off: and he shall speak peace unto the heathen: and his dominion shall be from sea even to sea, and from the river even to the ends of the earth. |
| 11 | Ny aminao koa, noho ny ran’ ny fanekena taminao No efa namoahako ny mpifatotrao avy tao an-davaka tsy misy rano. | As for thee also, by the blood of thy covenant I have sent forth thy prisoners out of the pit wherein is no water. |
| 12 | Miverena ho amin’ ny fiarovana mafy, ianareo mpifatotra manana ny fanantenana! Anio no hanambarako hoe: Hanonitra roa heny ho anao Aho. | Turn you to the strong hold, ye prisoners of hope: even to day do I declare that I will render double unto thee; |
| 13 | Fa nohenjaniko ho Ahy Joda, Efraima nataoko zana-tsipìka; Ary hotairiko ny zanakao, ry Ziona, hiady amin’ ny zanakao, ry Grisia, Ary hataoko toy ny sabatry ny lehilahy mahery ianao, | When I have bent Judah for me, filled the bow with Ephraim, and raised up thy sons, O Zion, against thy sons, O Greece, and made thee as the sword of a mighty man. |
| 14 | Ary Jehovah hiseho ao aminy, Ka handeha toy ny helatra ny zana-tsipìkany, Jehovah Tompo hitsoka anjomara Ka handeha amin’ ny tafio-drivotra any atsimo. | And the Lord shall be seen over them, and his arrow shall go forth as the lightning: and the Lord God shall blow the trumpet, and shall go with whirlwinds of the south. |
| 15 | Ary Jehovah, Tompon’ ny maro, no hiaro ireny; Dia hihinana ireny ka hanitsakitsaka vaton’ antsamotady; Ary hisotro ireny ka hihorakoraka tahaka ny azon’ ny divay, Ary ho feno toy ny lovia famafazana ireny, dia toy ny zoron’ ny alitara. | The Lord of hosts shall defend them; and they shall devour, and subdue with sling stones; and they shall drink, and make a noise as through wine; and they shall be filled like bowls, and as the corners of the altar. |
| 16 | Ary hovonjen’ i Jehovah Andriamaniny ireny amin’ izany andro izany Toy ny olona izay ondriny; Fa ho toy ny vaton-tsatro-boninahitra Mamirapiratra eny amin’ ny taniny ireny. | And the Lord their God shall save them in that day as the flock of his people: for they shall be as the stones of a crown, lifted up as an ensign upon his land. |
| 17 | Fa akory ny hasoany! ary akory ny hatsaran-tarehiny! Vary no hampaharoroka ny zatovo, Ary ranom-boaloboka kosa ny zazavavy. | For how great is his goodness, and how great is his beauty! corn shall make the young men cheerful, and new wine the maids. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL