로그인

스가랴 6장 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 스가랴 (Zechariah) · 15절

  1. 1 Ary natopiko indray ny masoko ka hitako fa, indreo, nisy kalesy efatra nivoaka avy teo anelanelan’ ny tendrombohitra roa; ary tendrombohitra varahina ireo tendrombohitra ireo.
  2. 2 Tamin’ ny kalesy voalohany dia nisy soavaly mena; tamin’ ny kalesy faharoa dia soavaly mainty;
  3. 3 tamin’ ny kalesy fahatelo dia soavaly fotsy; ary tamin’ ny kalesy fahefatra dia soavaly sadamena.
  4. 4 Dia nanontany tamin’ ilay anjely niresaka tamiko aho ka nanao hoe: Inona moa ireo, tompoko?
  5. 5 Ary ilay anjely namaly ka nilaza tamiko hoe: Ireo no rivotra efatry ny lanitra, izay mivoaka avy nitsangana teo anatrehan’ ny Tompon’ ny tany rehetra.
  6. 6 Io misy ny soavaly mainty dia mivoaka mankamin’ ny tany avaratra; ary ny fotsy nivoaka nanaraka azy; ary ny sada nivoaka nankamin’ ny tany atsimo.
  7. 7 Ary ny mena dia nivoaka ka nitady handeha hivoivoy eny amin’ ny tany; dia hoy izy: Mandehana ianareo, mivoivoiza eny amin’ ny tany. Ka dia nandeha nivoivoy teny amin’ ny tany izy.
  8. 8 Dia nitaraina mafy tamiko izy ka niteny tamiko hoe: Indro, ireo izay mivoaka mankamin’ ny tany avaratra dia nampionona ny fanahiko tany amin’ ny tany avaratra.
  9. 9 Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
  10. 10 Mandraisa avy amin’ ny babo, dia amin’ i Helday sy Tobia ary Jedaia, eny, mandehana amin’ izany andro izany ihany ianao, ka midìra ao an-tranon’ i Josia, zanak’ i Zefania, izay novantaniny nony vao tonga avy tany Babylona izy,
  11. 11 eny, mandraisa volafotsy sy volamena, ka ataovy satro-boninahitra, dia apetraho eo an-dohan’ i Josoa, zanak’ i Jozadaka, mpisoronabe;
  12. 12 dia lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Indro Lehilahy atao hoe Rantsana; ary hitsimoka eo am-pitoerany ihany Izy sady hanao ny tempolin’ i Jehovah.
  13. 13 Eny, Izy no hanao ny tempolin’ i Jehovah, ary Izy no hitondra voninahitra ka hipetraka sy hanapaka eo amin’ ny seza fiandrianany; ary ho mpisorona eo amin’ ny seza fiandrianany Izy; ary hisy fisainam-pihavanana amin’ izy roroa.
  14. 14 Ary ny satro-boninahitra dia ho an’ i Helema sy Tobia sy Jedaia ary Hena, zanak’ i Zefania, ho fampahatsiarovana ao amin’ ny tempolin’ i Jehovah.
  15. 15 Ary izay lavitra dia ho avy ka hanao ao amin’ ny tempolin’ i Jehovah, ka dia ho fantatrareo fa Jehovah, Tompon’ ny maro, no naniraka ahy ho aminareo. Dia ho tonga izany, raha hazoto hihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗