로그인

스가랴 4장 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 스가랴 (Zechariah) · 14절

  1. 1 Ary niverina ilay anjely niresaka tamiko ka namoha ahy toy ny olona fohazina amin-tory.
  2. 2 Dia hoy izy tamiko: Inona no hitanao? Ary hoy izaho: Hitako fa, indro, misy fanaovan-jiro tena volamena, ary ny fitoeran-diloilony dia eo an-tampony, ary ny lela fanaovan-jirony fito kosa dia eo aminy, ary misy fantsona fito avy amin’ ny isan’ ny lela fanaovan-jiro izay eo an-tampony;
  3. 3 ary misy hazo oliva roa eo anilany, ny anankiray eo ankavanan’ ny fitoeran-diloilo, ary ny anankiray eo an-kaviany.
  4. 4 Dia niteny tamin’ ilay anjely niresaka tamiko aho nanao hoe: Inona moa ireo, tompoko?
  5. 5 Ary ilay anjely niresaka tamiko dia namaly ka nanao tamiko hoe: Tsy fantatrao va ireo? Fa hoy izaho: Tsia, tompoko.
  6. 6 Dia namaly izy ka nanao tamiko hoe: Izao no tenin’ i Jehovah amin’ i Zerobabela: Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin’ ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
  7. 7 Iza moa ianao, ry tendrombohitra lehibe? Ho tonga tany lemaka eo anoloan’ i Zerobabela ianao; ary ho entiny mivoaka ny vato hatao tendrony sady hisy fiantsoana hoe: Fahasoavana, fahasoavana anie ho aminy!
  8. 8 Dia tonga tamiko indray ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
  9. 9 Ny tànan’ i Zerobabela no nanao ny fanorenan’ ity trano ity, ary ny tànany koa no hamita azy; ka dia ho fantatrao fa Jehovah, Tompon’ ny maro, no naniraka ahy ho aminao.
  10. 10 Fa iza no nanamavo ny andron’ ny zava-madinika? Ho faly mahita ny pilao eny an-tànan’ i Zerobabela ireo fito ireo, dia ny mason’ i Jehovah, izay mijery eny tontolo eny eran’ ny tany rehetra
  11. 11 Dia namaly aho ka nanao taminy hoe: Inona moa ireo hazo oliva roa eo ankavanan’ ny fanaovan-jiro sy eo an-kaviany ireo?
  12. 12 Ary namaly koa aho ka nanao taminy hoe: Inona moa ireo sampahon’ oliva roa eo amin’ ny fantsona volamena izay mampijononoka ny diloilo volamena avy ao aminy ireo?
  13. 13 Dia namaly izy hoe: Tsy fantatrao va ireo? Ary hoy izaho: Tsia, tompoko.
  14. 14 Dia hoy izy: Ireo no zana-diloilo roa, izay mitsangana eo anoloan’ ny Tompon’ ny tany rehetra.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗