스가랴 2장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 스가랴 (Zechariah) · 17절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ary natopiko ny masoko, ka hitako fa, indreo, nisy tandroka efatra. | I lifted up mine eyes again, and looked, and behold a man with a measuring line in his hand. |
| 2 | Ary hoy izaho tamin’ ilay anjely niresaka tamiko: Inona moa ireo? Dia hoy izy tamiko: Ireo no tandroka izay nampihahaka ny Joda sy ny Isiraely ary Jerosalema. | Then said I, Whither goest thou? And he said unto me, To measure Jerusalem, to see what is the breadth thereof, and what is the length thereof. |
| 3 | Ary dia nanehoan’ i Jehovah mpiasa efatra aho. | And, behold, the angel that talked with me went forth, and another angel went out to meet him, |
| 4 | Dia hoy izaho: Avy hanao inona moa ireto? Ary Izy nanao hoe: Ireo no tandroka nampihahaka ny Joda, ka tsy nisy olona nanandrandra loha; fa ireto kosa dia avy hampahatahotra azy mba hampiongana ny tandroky ny firenena, dia izay nanandratra ny tandrony tamin’ ny tanin’ ny Joda hanely azy. | And said unto him, Run, speak to this young man, saying, Jerusalem shall be inhabited as towns without walls for the multitude of men and cattle therein: |
| 5 | Dia natopiko ny masoko, ka hitako fa, indro, nisy lehilahy manana kofehy famolaina eny an-tànany. | For I, saith the Lord, will be unto her a wall of fire round about, and will be the glory in the midst of her. |
| 6 | Dia hoy izaho: Ho aiza moa ianao? Ary hoy izy tamiko: Handrefy an’ i Jerosalema hizaha ny sakany sy ny lavany aho. | Ho, ho, come forth, and flee from the land of the north, saith the Lord: for I have spread you abroad as the four winds of the heaven, saith the Lord. |
| 7 | Ary, indro, nivoaka ilay anjely niresaka tamiko, ary nisy anjely anankiray koa nivoaka hitsena azy | Deliver thyself, O Zion, that dwellest with the daughter of Babylon. |
| 8 | ka nanao taminy hoe: Mihazakazaha, ka milazà amin’ io zatovo io hoe: Honenana toy ny tanana tsy mimanda Jerosalema noho ny hamaroan’ ny olona sy ny biby fiompy ao aminy. | For thus saith the Lord of hosts; After the glory hath he sent me unto the nations which spoiled you: for he that toucheth you toucheth the apple of his eye. |
| 9 | Fa Izaho, hoy Jehovah, ho manda afo manodidina azy ary ho voninahitra ao afovoany. | For, behold, I will shake mine hand upon them, and they shall be a spoil to their servants: and ye shall know that the Lord of hosts hath sent me. |
| 10 | He! he! mandosira avy any amin’ ny tany avaratra, hoy Jehovah; fa aeliko ho toy ny rivotra efatry ny lanitra ianareo, hoy Jehovah. | Sing and rejoice, O daughter of Zion: for, lo, I come, and I will dwell in the midst of thee, saith the Lord. |
| 11 | He! vonjeo ny tenanao, ry Ziona, izay monina ao Babylona zanakavavy. | And many nations shall be joined to the Lord in that day, and shall be my people: and I will dwell in the midst of thee, and thou shalt know that the Lord of hosts hath sent me unto thee. |
| 12 | Fa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Hampiseho voninahitra no nanirahany ahy tany amin’ ny firenena izay namabo anareo; fa izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasony. | And the Lord shall inherit Judah his portion in the holy land, and shall choose Jerusalem again. |
| 13 | Fa, indro, hahinjitro eo amboniny ny tanako, ka hobaboin’ ireo nanompo azy izy; dia ho fantatrareo fa Jehovah, Tompon’ ny maro, no naniraka ahy. | Be silent, O all flesh, before the Lord: for he is raised up out of his holy habitation. |
| 14 | Mihobia sy mifalia, ry Ziona zanakavavy, fa, indro, avy honina ao afovoanao Aho, hoy Jehovah. | — |
| 15 | Ary firenena maro no hanaiky ho an’ i Jehovah amin’ izany andro izany ka ho oloko; ary hitoetra ao afovoanao aho, ka dia ho fantatrao fa Jehovah, Tompon’ ny maro, no naniraka ahy ho aminao. | — |
| 16 | Ary Jehovah hanana an’ i Joda ho anjarany ao amin’ ny tany masìna ary mbola hifidy an’ i Jerosalema indray. | — |
| 17 | Mangìna eo anatrehan’ i Jehovah, ry nofo rehetra! fa nifoha avy ao amin’ ny fitoerany masìna Izy. | — |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL