스가랴 11장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 스가랴 (Zechariah) · 17절
- 1 Vohay ny varavaranao, ry Libanona ô! Handevonan’ ny afo ny sederanao
- 2 Midradradradra, ry hazo kypreso! Fa efa nianjera ny sedera, Eny, fongotra ireo avo be; Midradradradrà, ianareo ôka any Basana! Fa ripaka ny ala mikirindro
- 3 Injay! fidradradradran’ ny mpiandry ondry! Fa rava ny voninahiny; Injay! fieron’ ny liona tanora! Fa rava ny kirihitrala eny amoron’ i Jordana
- 4 Izao no lazain’ i Jehovah Andriamanitra: Andraso ny ondry izay hovonoina,
- 5 dia ireo vonoin’ ny tompony nefa tsy ananany heloka; ary ny mivarotra azy manao hoe: Isaorana anie Jehovah, fa manan-karena aho; ary ny mpiandry azy koa dia tsy miantra azy
- 6 Fa tsy hiantra ny mponina amin’ ny tany intsony Aho, hoy Jehovah; fa, indro, Izaho dia hanolotra ny olona samy ho eo an-tànan’ ny namany sy samy ho eo an-tanan’ ny mpanjakany avy; ary hamely ny tany ireo, nefa tsy mba hanafaka amin’ ny tànany Aho.
- 7 Ary niandry ny ondry izay hovonoina Aho, dia izay ondry mahantra. Ary naka tehina roa ho Ahy Aho, ny iray nataoko hoe Fahasoavana, ary ny iray kosa nataoko hoe Fikambanana; ary nandrasako ny ondry.
- 8 Ary nandringana ny mpiandry ondry telo Aho tamin’ ny iray volana, fa tsy nahatsindry fo taminy intsony, sady tofoka Ahy ny fanahiny.
- 9 Dia hoy Izaho: Tsy hiandry anareo Aho: izay ho faty dia aoka ho faty, ary izay ho ringana dia aoka ho ringana, ary ny sisa dia aoka samy hihinana ny nofon’ ny namany avy.
- 10 Ary noraisiko ny tehiko Fahasoavana ka notapahiko, mba hanafoanako ny fanekena izay efa nataoko tamin’ ny firenena rehetra.
- 11 Ary tapaka tamin’ izany andro izany iny, ka dia fantatry ny ondry mahantra, izay nitandrina ny teniko, fa tenin’ i Jehovah izany.
- 12 Dia hoy izaho taminy: Raha tsara eo imasonareo, dia omeo ahy ny karamako; fa raha tsy izany, dia aoka ihany. Ary dia nolanjainy ny karamako, ka sekely volafotsy telo-polo.
- 13 Ary hoy Jehovah tamiko: Atsipazo amin’ ny mpanefy tanimanga izany vola be nanombanany Ahy izany! Dia noraisiko ny sekely volafotsy telo-polo ka natsipiko tamin’ ny mpanefy tanimanga tao an-tranon’ i Jehovah.
- 14 Dia notapahiko koa ilay tehiko anankiray Fikambanana, hanafoanako ny firahalahian’ i Joda sy Isiraely.
- 15 Ary hoy Jehovah tamiko: Alao ho anao koa ny tehin’ ny mpiandry ondry adala.
- 16 Fa, indro, Izaho hanangana mpiandry amin’ ny tany, izay tsy hamangy ny naringana, na hitady ny niely, na hanasitrana ny naratra, na hiandry izay mbola matanjaka; fa hohaniny ny nofon’ ny matavy sady helakelahiny ny kitrony.
- 17 Lozan’ ny mpiandry ondry tsy mahomby izay mandao ny ondry! Ny sabatra no hanely ny sandriny sy ny masony ankavanana; halazo tokoa ny sandriny, ary ho jamba tokoa ny masony ankavanana.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗