사사기 8장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 사사기 (Judges) · 35절
- 1 Ary hoy ny lehilahy amin’ ny Efraima tamin’ i Gideona: Ahoana izao zavatra nataonao taminay izao, no tsy nantsoinao izahay, raha nandeha hiady tamin’ ny Midiana ianao? Dia nanome tsiny azy mafy ireo.
- 2 Fa hoy Gideona taminy: Zinona izao nataoko izao, raha oharina amin’ izay nataonareo? Tsy tsara va ny fitsimponam-boalobok’ i Efraima noho ny fiotazam-boalobok’ i Abiezera?
- 3 Teo an-tananareo no nanoloran’ Andriamanitra ny andrianan’ ny Midiana, dia Oreba sy Zeba; ary inona no azoko atao, raha oharina amin’ ny nataonareo? Ary rehefa nilaza izany teny izany Gideona, dia nitony ny fahatezeran’ ireo taminy.
- 4 Ary Gideona nankany Jordana, ka nita izy sy ny telon-jato lahy teo aminy, na dia efa reraka aza, mbola nanenjika ihany.
- 5 Ary hoy izy tamin’ ny mponina tao Sokota: Masìna ianareo, mba omeo mofo ny olona manaraka ahy, fa reraka izy, ary izaho manenjika an’ i Zebaha sy Zalmona, mpanjakan’ ny Midiana.
- 6 Fa hoy ireo andrianan’ i Sokota: Moa efa voahazon’ ny tananao ankehitriny va ny tànan’ i Zebaha sy Zalmona, no homenay mofo ny miaramilamao?
- 7 Dia hoy Gideona: Rehefa voatolotr’ i Jehovah eo an-tanako Zehaba sy Zalmona, dia handalasiko amin’ ny tsilo avy any an-efitra sy ny sampivato ny tenanareo.
- 8 Ary niakatra avy teo izy ka nankany Penoela, dia nanao teny tahaka izany koa tamin’ ny olona tao; ary ny mponina tao Penoela koa dia namaly azy tahaka ny navalin’ ny mponina tao Sokota ihany.
- 9 Dia niteny tamin’ ny mponina tao Penoela izy ka nanao hoe: Raha tafaverina soa aman-tsara aho, dia horavako ity tilikambo ity.
- 10 Ary Zebaha sy Zalmona dia tonga tao Karkora mbamin’ ny miaramila teo aminy tokony ho dimy arivo sy iray alin-dahy, dia izay sisa rehetra tamin’ ny miaramila rehetra an’ ny zanaky ny atsinanana; ary ny maty kosa dia roa alina sy iray hetsy, samy lehilahy mpitan-tsabatra avokoa ireo.
- 11 Ary Gideona niakatra tamin’ ny lalan’ ny mpitoetra an-day, atsinanan’ i Noha sy Jogbeha, ka dia namely ny toby, raha mbola ilay tsy nanampo iny ny olona.
- 12 Dia nandositra Zebaha sy Zalmona, ary nanenjika azy ny Isiraely ka nisambotra ny mpanjaka roa tamin’ ny Midiana, dia Zebaha sy Zalmona, fa efa nampihorohoroiny avokoa ny toby rehetra.
- 13 Dia niverina avy tamin’ ny ady Gideona, zanak’ i Joasy, avy teo amin’ ny fiakarana Heresa;
- 14 ary nisambotra zatovo tamin’ ny mponina tao Sokota izy ka nanontany azy; dia nosoratan’ ilay zatovo ny anaran’ ireo andrianan’ i Sokota sy ny loholona tao, ka fito amby fito-polo lahy izy.
- 15 Ary Gideona dia nankany amin’ ny mponina tao Sokota ka nanao hoe: Indreo Zebaha sy Zalmona, izay efa nandatsanareo ahy hoe: Moa efa voahazon’ ny tananao ankehitriny va ny tànan’ i Zebaha sy Zalmona, no homenay mofo ny olonao efa reraka?
- 16 Dia naka ny loholona tao an-tanàna izy ary tsilo avy tany an-efitra sy sampivato, ka ireny no namaizany ny mponina tao Sokota.
- 17 Ary nandrava ny tilikambo tao Penoela koa izy ka namono ny lehilahy tao an-tanàna.
- 18 Dia hoy izy tamin’ i Zebaha sy Zalmona: Lehilahy toy inona ange izay novonoinareo tany Tabara? Ary hoy izy roa lahy: Tahaka anao ihany izy. Nitarehin-janak’ andriana avokoa izy rehetra.
- 19 Ary hoy izy: Rahalahiko, zanaky ny reniko ireo. Raha velona koa Jehovah, dia tsy mba hovonoiko ianareo, raha novelominareo ireo.
- 20 Ary hoy izy tamin’ i Jatera lahimatoany: Mitsangàna, ka vonoy izy roa lahy. Fa ilay zatovo tsy nanatsoaka ny sabany, fa natahotra, satria mbola tanora fanahy izy.
- 21 Ary hoy Zebaha sy Zalmona: Aoka ianao no hitsangana hamely anay; fa araka ny toetry ny olona ihany ny heriny. Dia nitsangana Gideona ka namono an’ i Zebaha sy Zalmona ary naka ny ravaka sarim-bolan-tsinana, izay teo amin’ ny vozon’ ny ramevany.
- 22 Dia hoy ny lehilahy amin’ ny Isiraely tamin’ i Gideona: Manapaha anay ianao sy ny zanakao ary ny zafinao; fa efa namonjy anay tamin’ ny tanan’ ny Midiana ianao.
- 23 Fa hoy Gideona taminy: Tsy hanapaka anareo aho, ary tsy hanapaka anareo koa ny zanako; Jehovah ihany no hanapaka anareo.
- 24 Ary hoy koa Gideona taminy: Zavatra iray loha monja no hany mba angatahiko aminareo; aoka samy hanome ahy ny kavina izay avy amin’ ny babony avy ianareo (fa nanana kavim-bolamena ireny, satria Isimaelita).
- 25 Dia hoy kosa ny olona: Eny, fa homenay tokoa izany. Dia namelatra lamba ny olona, ka samy nanipy ny kavina izay avy tamin’ ny babony teo.
- 26 Ary ny lanjan’ ny kavim-bolamena nangatahiny dia sekely volamena fiton-jato amby arivo, afa-tsy ny ravaka sarim-bolan-tsinana sy ny kavina voavola sy ny lamba volomparasy, izay teny amin’ ireo mpanjakan’ ny Midiana, ary ny rojo, izay teny amin’ ny vozon’ ny ramevany.
- 27 Dia nataon’ i Gideona efoda ireo, ka nataony tao an-tanànany, dia tao Ofra; ary ny Isiraely rehetra nankany nijangajanga nanaraka izany efoda izany; ary tonga fandrika tamin’ i Gideona sy ny ankohonany izany.
- 28 Dia resy teo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely ny Midiana ka tsy nahatraka ny lohany intsony. Dia nandry efa-polo taona ny tany tamin’ ny andron’ i Gideona.
- 29 Dia nandeha Jerobala, zanak’ i Joasy, ka nitoetra tao an-tranony.
- 30 Ary Gideona nanan-janaka fito-polo lahy izay naterany: fa maro vady izy.
- 31 Ary ny vaditsindranony, izay tany Sekema, dia niteraka zazalahy taminy koa, ka ny anarany nataony hoe Abimeleka.
- 32 Dia maty Gideona, zanak’ i Joasy, rehefa tratrantitra tsara, ka nalevina tao amin’ ny fasan’ i Joasy rainy tao Ofran’ ny Abiezrita izy.
- 33 Ary rehefa maty Gideona, dia nijangajanga nanaraka ireo Bala indray ny Zanak’ Isiraely ka nanao an’ i Bala-berita ho andriamaniny.
- 34 Ary ny Zanak’ Isiraely tsy nahatsiaro an’ i Jehovah Andriamaniny, Izay efa namonjy azy tamin’ ny tanan’ ny fahavalony rehetra nanodidina,
- 35 sady tsy nanao soa tamin’ ny taranak’ i Jerobala (na Gideona), araka izay soa rehetra nataon’ i Gideona tamin’ ny Isiraely, izy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗