사사기 5장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 사사기 (Judges) · 31절
- 1 Ary Debora sy Baraka, zanak’ i Abinoama, dia nihira tamin’ izany andro izany ka nanao hoe:
- 2 Noho ny fitarihan’ ny lehibe tamin’ ny Isiraely sy ny fahazotoan’ ny vahoaka nanolotena, dia miderà an’ i Jehovah.
- 3 Mandrenesa ianareo, ry mpanjaka, mihainoa ianareo, ry mpanapaka! Izaho indrindra no hihira ho an’ i Jehovah; hankalaza an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, aho.
- 4 Jehovah ô, fony nivoaka avy tany Seïra Hianao ary nandeha avy tany amin’ ny tany Edoma, dia nihorohoro ny tany, ary ny lanitra koa nitete; Eny, ny rahona matevina nitete rano.
- 5 Ny tendrombohitra niempo teo anatrehan’ i Jehovah. Eny, na dia iry Sinay iry aza teo anatrehan’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
- 6 Tamin’ ny andron’ i Samgara, zanak’ i Anata, sy tamin’ ny andron’ i Jaela dia tsy nodiavina ny lalambe, fa ny sakeli-dalana mivilivily no nalehan’ ny mpandeha.
- 7 Lao ny tany an-tsaha; eny, lao tamin’ ny Isiraely izany, Mandra-pitsangako, izaho Debora, eny, mandra-pitsangako ho reny teo amin’ ny Isiraely.
- 8 Nifidy andriamani-baovao ny olona, Ary tamin’ izay dia nisy ady hatrany am-bavahady. Moa nisy ampinga na lefona na dia iray akory aza hita va teo amin’ ny olona efatra alina tamin’ ny Isiraely?
- 9 Ny foko mankasitraka ny mpanapaka amin’ ny Isiraely, izay nazoto nanolo-tena teo amin’ ny vahoaka, miderà an’ i Jehovah ianareo.
- 10 Hianareo izay mitaingina borikivavy fotsy, ianareo izay mipetraka amin’ ny lamba fitoerana, ary ianareo koa izay mandeha amin’ ny lalana, samia milaza.
- 11 Lavitra ny feon’ ny mpandefa zana-tsipìka, dia eo amin’ ny fantsakan-drano, no hiresahany ny asa marina nataon’ i Jehovah, dia ny fahamarinany tamin’ ny tany Isily; Tamin’ izany dia nidina ny olon’ i Jehovah ho any am-bavahady.
- 12 Mifohaza, mifohaza, ry Debora; Mifohaza, mifohaza, ka mihirà! Mitsangana, ry Baraka; ento ny babonao, ry zanakalahin’ i Abinoama.
- 13 Tamin’ izany dia nidina izay olo-malaza sisa mbamin’ ny vahoaka, Jehovah nidina homba ahy koa hamely ny olo-mahery.
- 14 Ny avy amin’ i Efraima, izay miorina amin’ i Amaleka, dia nomba anao teo amin’ ny firenenao, ry Benjamina; Avy tany Makira no nidinan’ ny mpanao lalàna, ary avy tamin’ i Zebolona ireo mitana ny tehin’ ny mpifehy.
- 15 Ary ny andrianan’ Isakara niaraka tamin’ i Debora, dia Isakara sy Baraka koa; Nampandehanina nanaraka azy any an-dohasaha izy. Lehibe ny fiheverana am-po teny amin’ ny sakeli-dranon’ i Robena!
- 16 Nahoana ianao no nitoetra teo anelanelan’ ny vala, hihainoanao ny feon-tsodina any amin’ ny ondry? Lehibe ny fiheverana am-po teny amin’ ny sakeli-dranon’ i Robena!
- 17 Gileada nitoetra tany an-dafin’ i Jordana; Ary nahoana Dana no nitoetra tany an-tsambo? Asera nitoetra tany amoron-dranomasina, Ary teny amin’ ny fitodiany no nipetrahany.
- 18 Zebolona dia firenena nanao tsinontsinona ny ainy, na dia ho faty aza, Ary Naftaly koa teo amin’ ny fitoerana avo any an-tsaha.
- 19 Tonga ireo mpanjaka ka niady, eny, niady tao Tanaka ireo mpanjakan’ i Kanana, dia teo anilan’ ny ranon’ i Megido; Tsy nisy volafotsy azony ho babo.
- 20 Avy tany an-danitra no nisy ady: ny kintana tamin’ ny nalehany niady tamin’ i Sisera.
- 21 Ny ony Kisona nipaoka azy, Izany ony ela izany, dia ny ony Kisona. Mandrosoa amin-kery ianao, ry fanahiko!
- 22 Tamin’ izany dia nikatrokatroka ny kitron-tsoavaly noho ny fihazakazaka, dia ny fihazakazaky ny maheriny.
- 23 Ozony Meroza, hoy Ilay Anjelin’ i Jehovah, Ozony dia ozòny ny mponina ao, Satria tsy mba tonga hanampy an’ i Jehovah izy, eny, tsy nanampy an’ i Jehovah hamely ny mahery.
- 24 Hotahina mihoatra noho ny vehivavy anie Jaela, vadin’ i Hebera Kenita; Eny, hotahina mihoatra noho ny vehivavy mitoetra an-day anie izy.
- 25 Rano no nangatahin-dralehilahy, fa ronono aza no nomeny azy; Teo an-dovian’ andriana no nitondrany rononomandry.
- 26 Ny tànany nandray ny tsima-day, Ary ny tànany ankavanana nandray ny tantanan’ ny mpiasa, dia namely an’ i Sisera tamin’ ny tantanana izy ka nahavoa ny lohany; Namely mafy izy, dia nahaboroaka ny fihirifany.
- 27 Teo amin’ ny tongo-dravehivavy no niondrehany nahalavoany niamparany, eny, teo amin’ ny tongony no niondrehany nahalavoany teo amin’ izay niondrehany no niamparan’ ny fatiny.
- 28 Tao amin’ ny varavarankely no nitsirihan’ ny renin’ i Sisera ka niantsoantsoany mafy; Eny, niantso tao amin’ ny makarakara izy hoe: Nahoana no ela izato kalesiny vao tonga? Nahoana no mitaredretra ny kodian’ ny kalesiny?
- 29 Izay hendry tamin’ ny andriambaviny no namaly azy, eny, ny tenany aza namaly hoe:
- 30 Tsy efa mahita va izy? Tsy mizara babo va izy? Dia zazavavy iray na roa ho an’ ny isan-dahy, Ary lamba samy hafa volo ho babon’ i Sisera, Lamba roa samy hafa soratra ho eo am-bozon’ ny nahazo babo.
- 31 Ho levona tahaka izany anie ny fahavalonao rehetra, Jehovah ô; Fa aoka izay tia Azy kosa ho tahaka ny masoandro, raha miposaka amin’ ny heriny izy. Dia nandry ny tany efa-polo taona.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗