사사기 14장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 사사기 (Judges) · 20절
- 1 Ary Samsona nidina nankany Timna ka nahita vehivavy tao avy amin’ ny zanakavavin’ ny Filistina.
- 2 Ary niakatra izy, dia nilaza tamin-drainy sy reniny hoe: Efa nahita vehivavy tany Timna avy amin’ ny zanakavavin’ ny Filistina aho; koa alao ho vadiko izy ankehitriny.
- 3 Fa hoy ny rainy sy ny reniny taminy: Moa tsy misy vehivavy va eto amin’ ny zana-kavanao, na ato amin’ ny firesako rehetra, no dia mandeha maka vady any amin’ ny Filistina tsy mifora ianao? Dia hoy Samsona tamin-drainy: Izy ihany no alao ho ahy, fa izy no mahafinaritra ahy.
- 4 Fa tsy fantatry ny rainy sy ny reniny fa avy tamin’ i Jehovah izany, satria nitady izay hiadiany tamin’ ny Filistina Izy; fa tamin’ izany andro izany ny Filistina no nanapaka ny Isiraely.
- 5 Dia nidina Samsona sy ny rainy aman-dreniny nankany Timna. Ary nony tonga tao amin’ ny tanim-boaloboka tany Timna izy, indro, nisy liona tanora nierona taminy.
- 6 Dia nilatsaka tamin’ i Samsona ny Fanahin’ i Jehovah, ary ilay liona tanora dia nosamatsamahiny hoatra ny fanasamaka zanak’ osy, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tànany; ary tsy nambarany tamin’ ny rainy na tamin’ ny reniny izay efa nataony.
- 7 Dia nidina izy ka niresaka tamin-dravehivavy; ary nahafinaritra an’ i Samsona izy.
- 8 Ary rehefa afaka kelikely, dia niverina hampakatra azy Samsona ka nivily hizaha ny fatin’ ilay liona; ary, indro, nisy reni-tantely nivangongo sy tantely tao amin’ ilay fatin’ ny liona.
- 9 Ary nalain’ i Samsona izany ka nentiny teny an-tànany, dia nihinana teny am-pandehanana izy; ary nankany amin’ ny rainy aman-dreniny izy, dia nanome azy, ka nihinana koa izy mivady; nefa tsy nambarany taminy fa tao amin’ ny fatin’ ilay liona no nangalany ny tantely.
- 10 Dia nidina ho any amin-dravehivavy ny rain’ i Samsona; ary nanao fanasana teo Samsona, fa izany no fanaon’ ny zatovo.
- 11 Ary rehefa nahita azy izy mianakavy, dia nametraka namana telo-polo lahy hitoetra ao aminy.
- 12 Ary hoy Samsona tamin’ ireo: Hanao fampanonona aminareo aho; koa raha lazainareo amiko ny heviny ao anatin’ ny hafitoana fanasana ka fantatrareo, dia homeko lobaka telo-polo sy akanjo intelo-polo miova ianareo.
- 13 Fa raha tsy mahalaza amiko kosa ianareo, dia homenareo lobaka telo-polo sy akanjo intelo-polo miova aho. Dia hoy izy ireo: Ataovy ary ny fampanonona mba hohenoinay.
- 14 Dia hoy Samsona aminy: Avy tao amin’ ny mpihinana no nivoahan’ ny hanina; Ary avy tao amin’ ny mahery no nivoahan’ ny mamy. Dia tsy nahalaza ny fampanonona izy tao anatin’ ny hateloana.
- 15 Ary nony tamin’ ny andro fahafito, dia hoy izy tamin’ ny vadin’ i Samsona: Taomy ny vadinao hilaza ny fampanonona aminay, fandrao hodoranay amin’ ny afo ianao sy ny ankohonan-drainao; efa nanasa anay va ianareo ho entinareo mifafa izay anananay? Moa tsy izany va?
- 16 Ary ny vadin’ i Samsona dia nitomany teo anatrehany ka nanao hoe: Halanao aho, fa tsy tianao tsy akory; efa nanao fampanonona tamin’ ny zanaky ny fireneko ianao, nefa tsy nolazainao tamiko ny heviny. Fa hoy izy taminy: Indro, na dia ny raiko sy ny reniko aza tsy nilazako azy, ka ianao va no hilazako?
- 17 Dia nitomany teo anatrehany tamin’ ny hafitoana izay nisian’ ny fanasana ravehivavy; ary nony tamin’ ny andro fahafito dia nolazain’ i Samsona taminy, satria nitorikisina taminy izy; ary izy kosa nilaza ny fampanonona tamin’ ny zanaky ny fireneny.
- 18 Ary nony tamin’ ny andro fahafito, raha tsy mbola maty ny masoandro, dia hoy ny lehilahy tao an-tanàna tamin’ i Samsona: Inona no mamy noho ny tantely; Ary inona no mahery noho ny liona? Ary hoy kosa izy taminy: Raha tsy nampiasa ny ombivavikeliko ianareo. Dia tsy ho nahalala ny fampanonona nataoko.
- 19 Dia nilatsaka tamin’ i Samsona ny Fanahin’ i Jehovah ka nidina nankany Askelona izy, dia namono telo-polo lahy tao, ary nalainy ny fitafian’ ireo ka nomeny ho an’ izay nilaza ny fampanonona. Dia nirehitra ny fahatezeran’ i Samsona, ka niakatra nankany amin’ ny tranon-drainy izy.
- 20 Ary ny vadiny dia lasan’ ny namany, izay efa nataony sakaizany.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗