로그인

사무엘하 9장 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 사무엘하 (2 Samuel) · 13절

  1. 1 Ary hoy Davida: Mbola misy sisa ihany va ny tamingan’ i Saoly mba hasiako soa noho ny amin’ i Jonatana?
  2. 2 Ary nisy mpanompon’ ny fianakavian’ i Saoly, Ziba no anarany. Ary nantsoiny hankany amin’ i Davida izy, ka hoy ny mpanjaka taminy: Hianao moa no Ziba? Ary hoy izy: Izaho mpanomponao no izy.
  3. 3 Ary hoy ny mpanjaka: Mbola misy sisa ihany va ny tamingan’ i Saoly mba hasiako soa araka ny fanaon’ Andriamanitra? Dia hoy Ziba tamin’ ny mpanjaka: Mbola misy zanakalahin’ i Jonatana iray ihany ao, nefa malemy tongotra izy.
  4. 4 Ary hoy ny mpanjaka taminy; Aiza anefa izy? Dia hoy Ziba tamin’ ny mpanjaka: Indro izy ao an-tranon’ i Makira, zanak’ i Amiela, ao Lo-debara.
  5. 5 Ary Davida mpanjaka naniraka haka azy tao an-tranon’ i Makira, zanak’ i Amiela, tao Lodebara.
  6. 6 Ary nony tonga teo amin’ i Davida Mefiboseta, zanak’ i Jonatana, zanak’ i Saoly, dia niankohoka sy nitsaoka azy izy. Ary hoy Davida: Mefiboseta! Dia hoy izy: Inty ny mpanomponao.
  7. 7 Ary hoy Davida taminy: Aza matahotra, fa hasiako soa tokoa ianao noho ny amin’ i Jonatana rainao, ary hampodiko ho anao ny tany rehetra izay an’ i Saoly rainao, ary ianao hihinana eo amin’ ny latabatro mandrakariva.
  8. 8 Dia niankohoka izy ka nanao hoe: Zinona moa aho mpanomponao izay toy ny alika maty, no mba jerenao?
  9. 9 Dia niantso an’ i Ziba, mpanompon’ i Saoly, ny mpanjaka ka nanao taminy hoe: Izay rehetra nananan’ i Saoly sy ny mpianakaviny rehetra dia nomeko ny zanakalahin’ ny tomponao.
  10. 10 Koa ianao sy ny zanakaolahy ary ny mpanomponao no hiasa ny tany ho azy ka hanatitra hanin-kohanina ho an’ ny zanakalahin’ ny tomponao; fa Mefiboseta, zanakalahin’ ny tomponao, hihinana eo amin’ ny latabatro mandrakariva. Ary Ziba nanana zanakalahy dimy ambin’ ny folo sy mpanompo roa-polo.
  11. 11 Ary hoy Ziba tamin’ ny mpanjaka: Araka izay rehetra nandidianao mpanjaka tompoko no hataon’ ny mpanomponao. Fa ny amin’ i Mefiboseta, hoy Davida, dia hihinana eo amin’ ny latabatro toy ny anankiray amin’ ny zanakalahin’ ny mpanjaka izy.
  12. 12 Ary Mefiboseta nanan-janakalahy tanora, Mika no anarany. Ary izay rehetra nitoetra tao an-tranon’ i Ziba dia mpanompon’ i Mefiboseta avokoa.
  13. 13 Ary Mefiboseta nonina tany Jerosalema; fa teo amin’ ny latabatry ny mpanjaka no nihinanany mandrakariva; ary nalemy ny tongony roa.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗