사무엘하 8장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 사무엘하 (2 Samuel) · 18절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ary nony afaka izany, dia nandresy ny Filistina Davida ka nampietry azy; ary ny fanapahana ny renivohitra dia nesorin’ i Davida tamin’ ny tanan’ ny Filistina. | And after this it came to pass, that David smote the Philistines, and subdued them: and David took Metheg–ammah out of the hand of the Philistines. |
| 2 | Ary nandresy ny Moabita koa izy, dia nampandriny tamin’ ny tany ireo ary nohariny tamin’ ny kofehy, ka izay indroan’ ny kofehy novonoiny, fa ny erany kosa novelominy; ka dia tonga mpanompon’ i Davida ny Moabita ka nandoa hetra. | And he smote Moab, and measured them with a line, casting them down to the ground; even with two lines measured he to put to death, and with one full line to keep alive. And so the Moabites became David’s servants, and brought gifts. |
| 3 | Dia resin’ i Davida koa Hadadezera, zanak’ i Rehoba, mpanjakan’ i Zoba, tamin’ izy lasa nampody ny fanjakany teo amoron’ ny ony Eofrata. | David smote also Hadadezer, the son of Rehob, king of Zobah, as he went to recover his border at the river Euphrates. |
| 4 | Ary Davida nahazo babo taminy, dia miaramila an-tsoavaly fiton-jato amby arivo sy miaramila an-tongotra roa alina; ary notraingotraingoin’ i Davida avokoa ny soavalin-kalesy rehetra, fa ny tokony ho amin’ ny kalesy zato ihany no navelany. | And David took from him a thousand chariots, and seven hundred horsemen, and twenty thousand footmen: and David houghed all the chariot horses, but reserved of them for an hundred chariots. |
| 5 | Ary tonga ny Syriana avy tany Damaskosy hanampy an’ i Hadadezera, mpanjakan’ i Zoba; dia nahafatesan’ i Davida olona roa arivo sy roa alina koa ny Syriana. | And when the Syrians of Damascus came to succour Hadadezer king of Zobah, David slew of the Syrians two and twenty thousand men. |
| 6 | Ary nametrahan’ i Davida miaramila tany Syria momba an’ i Damaskosy; dia tonga mpanompon’ i Davida ny Syriana ka nandoa hetra. Fa Jehovah nampahery an’ i Davida teny amin’ izay rehetra nalehany. | Then David put garrisons in Syria of Damascus: and the Syrians became servants to David, and brought gifts. And the Lord preserved David whithersoever he went. |
| 7 | Ary nalain’ i Davida ny ampinga volamena izay teny amin’ ny mpanompon’ i Hadadezera ka nentiny nankany Jerosalema. | And David took the shields of gold that were on the servants of Hadadezer, and brought them to Jerusalem. |
| 8 | Ary teo Beta sy Berotahy, tanànan’ i Hadadezera, no nahazoan’ i Davida mpanjaka babo varahina be dia be. | And from Betah, and from Berothai, cities of Hadadezer, king David took exceeding much brass. |
| 9 | Ary nony ren’ i Toy, mpanjakan’ i Hamata, fa efa naharesy ny miaramilan’ i Hadadezera rehetra Davida, | When Toi king of Hamath heard that David had smitten all the host of Hadadezer, |
| 10 | dia nirahin’ i Toy Jorama zanany hankany amin’ i Davida mpanjaka hiarahaba azy sy hisaotra azy noho ny niadiany tamin’ i Hadadezera sy ny nandreseny azy (fa Hadadezera dia fahavalon’ i Toy); ary gorama nitondra fanaka volafotsy sy fanaka volamena ary fanaka varahina; | Then Toi sent Joram his son unto king David, to salute him, and to bless him, because he had fought against Hadadezer, and smitten him: for Hadadezer had wars with Toi. And Joram brought with him vessels of silver, and vessels of gold, and vessels of brass: |
| 11 | dia nohamasinin’ i Davida mpanjaka ho an’ i Jehovah koa izany mbamin’ ny volafotsy sy ny volamena izay nohamasininy avy tamin’ ny firenena rehetra izay efa resiny, | Which also king David did dedicate unto the Lord, with the silver and gold that he had dedicated of all nations which he subdued; |
| 12 | dia tamin’ i Syria sy Moaba sy ny taranak’ i Amona sy ny Filistina sy ny Amalekita ary ny babo azony tamin’ i Hadadezera, zanak’ i Rehoba, mpanjakan’ i Zoba. | Of Syria, and of Moab, and of the children of Ammon, and of the Philistines, and of Amalek, and of the spoil of Hadadezer, son of Rehob, king of Zobah. |
| 13 | Ary Davida nahazo laza nony niverina avy nandresy ny Syriana valo arivo sy iray alina teo amin’ ny Lohasahan-tsira. | And David gat him a name when he returned from smiting of the Syrians in the valley of salt, being eighteen thousand men. |
| 14 | Ary nametrahany miaramila tany Edoma; eny, nametrahany miaramila avokoa Edoma rehetra, ary ny mponina rehetra tany Edoma dia tonga mpanompon’ i Davida. Ary Jehovah nampahery an’ i Davida teny amin’ izay rehetra nalehany. | And he put garrisons in Edom; throughout all Edom put he garrisons, and all they of Edom became David’s servants. And the Lord preserved David whithersoever he went. |
| 15 | Ary Davida nanjaka tamin’ ny Isiraely rehetra ka nitsara sy nitondra marina ny vahoakany rehetra. | And David reigned over all Israel; and David executed judgment and justice unto all his people. |
| 16 | Ary Joaba, zanak’ i Zeroia, no komandin’ ny miaramila; ary Josafata, zanak’ i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaham-panjakana; | And Joab the son of Zeruiah was over the host; and Jehoshaphat the son of Ahilud was recorder; |
| 17 | ary Zadoka, zanak’ i Ahitoba, sy Ahimeleka, zanak’ i Abiatara, no mpisorona; ary Seraia no mpanoratra; | And Zadok the son of Ahitub, and Ahimelech the son of Abiathar, were the priests; and Seraiah was the scribe; |
| 18 | ary Benaia, zanak’ i Joiada, no mpifehy ny mpiambina andriana; ary ny zanak’ i Davida no mpanolo-tsaina. | And Benaiah the son of Jehoiada was over both the Cherethites and the Pelethites; and David’s sons were chief rulers. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL