사무엘하 6장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 사무엘하 (2 Samuel) · 23절
- 1 Ary novorin’ i Davida indray ny lehilahy voafantina rehetra tamin’ ny Isiraely, dia telo alina.
- 2 Dia niainga Davida sy ny olona rehetra izay nanaraka azy ka niala tany Bala-joda hampakatra ny fiaran’ Andriamanitra izay niantsoana ny anaran’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Izay mipetraka amin’ ny kerobima.
- 3 Ary nataony teo amin’ ny sariety vaovao ny fiaran’ Andriamanitra ka nentiny avy tao an-tranon’ i Abinadaba teo an-kavoana; ary Oza sy Ahio, zanak’ i Abinadaba, no nampandeha ny sariety vaovao.
- 4 Ary dia nentiny niala tao an-tranon’ i Abinadaba teo ankavoana niaraka tamin’ ny fiaran’ Andriamanitra izany; ary Ahio nandeha teo alohan’ ny fiara.
- 5 Ary Davida sy ny taranak’ Isiraely rehetra nitsinjaka teo anatrehan’ i Jehovah tamin’ ny karazan’ ny zava-maneno rehetra natao tamin’ ny hazo kypreso, dia tamin’ ny lokanga sy ny valiha sy ny ampongatapaka sy ny korintsana ary ny kipantsona.
- 6 Ary nony tonga teo amin’ ny famoloan’ i Nakona izy, dia naninjitra ny tanany tamin’ ny fiaran’ Andriamanitra Oza ka nihazona azy, satria nazeran’ ny omby ny fiara.
- 7 Dia nirehitra tamin’ i Oza ny fahatezeran’ i Jehovah; ary namely azy teo Andriamanitra noho ny fahadisoany, ka dia maty teo anilan’ ny fiaran’ Andriamanitra izy.
- 8 Ary dia tezitra Davida noho ny namelezan’ i Jehovah an’ i Oza, ka dia nataony hoe Perez-oza ny anaran’ izany tany izany mandraka androany.
- 9 Ary Davida natahotra an’ i Jehovah tamin’ izany andro izany ka nanao hoe: Nahoana no ho entina atỳ amiko ny fiaran’ i Jehovah?
- 10 Ary Davida dia tsy nety namindra ny fiaran’ i Jehovah ho ao aminy ao an-Tanànan’ i Davida; fa naviliny ho ao an-tranon’ i Obed-edoma Gatita.
- 11 Ary nipetraka telo volana tao an-tranon’ i Obed-edoma Gatita ny fiaran’ i Jehovah; ka dia notahin’ i Jehovah Obed-edoma sy ny ankohonany rehetra.
- 12 Ary nambara tamin’ i Davida mpanjaka hoe: Jehovah efa nitahy ny ankohonan’ i Obed-edoma sy izay nananany rehetra noho ny fiaran’ Andriamanitra. Dia nandeha Davida ka nampakatra ny fiaran’ Andriamanitra tamim-pifaliana avy tao an-tranon’ i Obed-edoma ho any an-Tanànan’ i Davida.
- 13 Ary rehefa namindra inenina ny mpitondra ny fiaran’ i Jehovah, dia namono omby sy zanak’ omby mifahy izy hatao fanatitra.
- 14 Ary Davida nitsinjaka mafy dia mafy teo anatrehan’ i Jehovah sady nisalotra efoda rongony fotsy.
- 15 Ary Davida sy ny taranak’ i Isiraely rehetra nampakatra ny fiaran’ i Jehovah tamin’ ny hoby sy ny feon’ ny anjomara.
- 16 Ary nony tonga teo an-Tanànan’ i Davida ny fiaran’ i Jehovah, dia nitsirika teo am-baravarankely Mikala, zanakavavin’ i Saoly, ka nahita an’ i Davida mpanjaka nibitaka sy nitsinjaka teo anatrehan’ i Jehovah; ka dia nikizaka azy tao am-pony izy.
- 17 Ary nampiditra ny fiaran’ i Jehovah ny olona ka nametraka azy teo amin’ ny fitoerany tao amin’ ny lay izay naorin’ i Davida hitoerany; ary Davida nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan’ i Jehovah.
- 18 Ary nony voatitr’ i Davida ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavanana, dia nitso-drano ny vahoaka tamin’ ny anaran’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, izy.
- 19 Dia nomeny mofo iray sy hena iray didy ary ampempam-boaloboka iray avy ny olona rehetra, dia ny Isiraely rehetra, na lahy na vavy. Ary dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra.
- 20 Ary Davida koa mba nody hitso-drano ny ankohonany. Fa Mikala, zanakavavin’ i Saoly, nivoaka hitsena an’ i Davida ka nanao hoe: Akory ity voninahitry ny mpanjakan’ ny Isiraely androany! ilay nanary lamba anikeheo teo imason’ ny zanakavavin’ ny mpanompony, tahaka ny adala manary lamba ka tsy manan-kenatra.
- 21 Ary hoy kosa Davida tamin’ i Mikala: Teo anatrehan’ i Jehovah, Izay nifidy ahy noho ny rainao sy ny ankohonany rehetra ka nanendry ahy ho mpanapaka ny Isiraely, olon’ i Jehovah, eny, teo anatrehan’ i Jehovah no nitsinjahako.
- 22 Ary mbola hivazina kokoa noho izany aza aho, ka hataoko tsinontsinona ny tenako; nefa hiaraka hanam-boninahitra amin’ ireo tovovavy nantsoinao ireo kosa aho.
- 23 Ka dia tsy nanan-janaka intsony mandra-pahafatiny Mikala, zanakavavin’ i Saoly.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗