사무엘하 3장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 사무엘하 (2 Samuel) · 39절
- 1 Ary naharitra ela ny adin’ ny tamingan’ i Saoly sy ny tamingan’ i Davida, nefa Davida nihahery, fa ny tamingan’ i Saoly kosa nihahosa.
- 2 Ary Davida niteraka zazalahy tao Hebrona: koa Amnona, tamin’ i Ahinoama Jezirelita, no lahimatoany;
- 3 ary Kileaba, tamin’ i Abigaila, ilay novinadin’ i Nabala Karmelita, no lahiaivo; ary ny fahatelo dia Absaloma, zanak’ i Maka, zanakavavin’ i Talmay, mpanjakan’ i Gesora;
- 4 ary ny fahefatra dia Adonia, zanak’ i Hagita; ary ny fahadimy dia Sefatia, zanak’ i Abitala;
- 5 ary ny fahenina dia Jitreama, tamin’ i Egla, vadin’ i Davida. Ireo no naterak’ i Davida tao Hebrona.
- 6 Ary raha mbola niady ny tamingan’ i Davida sy ny tamingan’ i Saoly, Abnera dia nampiseho hery niandany tamin’ ny tamingan’ i Saoly.
- 7 (Ary Saoly nanana vaditsindrano, Rizpa no anarany, zanakavavin’ i Aia) Kanefa Isboseta niteny tamin’ i Abnera hoe: Nahoana no nalainao ny vaditsindranon’ ikaky?
- 8 Dia tezitra mafy Abnera noho ny tenin’ Isboseta, ka hoy izy: Lohan’ alika no miandany amin’ ny Joda va aho? He! izato izaho manisy soa ny tamingan’ i Saoly rainao sy ny rahalahiny sy ny sakaizany izao ka tsy nanolotra anao ho eo an-tànan’ i Davida, nefa aho izao helohinao noho ny amin’ iny vehivavy iny?
- 9 Hataon’ Andriamanitra amin’ i Abnera anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hataoko aminy araka ny nianianan’ i Jehovah tamin’ i Davida,
- 10 ka hampiala ny fanjakana amin’ ny tamingan’ i Saoly aho ary hampitoetra ny seza fiandrianan’ i Davida amin’ ny Isiraely sy amin’ ny Joda hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.
- 11 Dia tsy nahavaly an’ i Abnera intsony izy noho ny tahony azy.
- 12 Ary Abnera dia naniraka olona tany amin’ i Davida niaraka tamin’ izay hanao hoe: An’ iza ny tany? Ary koa hoe: Manaova fanekena amiko, ary, indro, ny tanako homba anao hampanaiky ny Isiraely rehetra anao.
- 13 Dia hoy izy: Tsara izany; izaho hanao fanekena aminao; kanefa zavatra iray loha no ilaiko aminao: Tsy hahazo mihaona amiko ianao, raha tsy entinao atỳ Mikala, zanakavavin’ i Saoly.
- 14 Ary Davida naniraka olona nankany amin’ Isboseta, zanakalahin’ i Saoly, hanao hoe: Omeo ahy Mikala vadiko, izay efa nifanekena ho vadiko tamin’ ny mariky ny fahafatesan’ ny Filistina zato lahy.
- 15 Ary Isboseta naniraka naka an’ i Mikala tany amin’ i Paltiela vadiny, zanak’ i Laisy.
- 16 Ary io vadiny io nanaraka azy ka nitomany teny aoriany hatrany Bahorima. Fa hoy Abnera taminy: Mandehana miverina. Dia niverina izy.
- 17 Ary Abnera efa niteny tamin’ ny loholon’ ny Isiraely hoe: Efa ela izay no nitadiavanareo an’ i Davida ho mpanjakanareo;
- 18 koa tanteraho izany ankehitriny, fa Jehovah efa nilaza an’ i Davida hoe: Amin’ ny tànan’ i Davida mpanompoko no hamonjeko ny Isiraely oloko ho afaka amin’ ny tanan’ ny Filistina sy amin’ ny tanan’ ny fahavalony rehetra.
- 19 Ary Abnera efa niteny tamin’ ny Benjamita koa, ary lasa izy hilaza amin’ i Davida ao Hebrona koa izay rehetra tian’ ny Isiraely sy ny taranak’ i Benjamina rehetra hatao.
- 20 Dia tonga tany amin’ i Davida tao Hebrona Abnera sy olona roa-polo lahy nanaraka azy. Ary nanao fanasana ho an’ i Abnera sy ny olona nanaraka azy Davida.
- 21 Ary hoy Abnera tamin’ i Davida: Hiainga aho, dia handeha hamory ny Isiraely rehetra ho etỳ aminao mpanjaka tompoko, mba hanaovany fanekena aminao ary hanjakanao amin’ izay rehetra irin’ ny fonao. Ary Davida nampandeha an’ i Abnera; ka dia lasa soa aman-tsara izy.
- 22 Ary, indreo, tonga ny mpanaraka an’ i Davida sy Joaba avy nitoha ka nitondra babo be; ary efa tsy teo amin’ i Davida tao Hebrona intsony Abnera, fa efa nalefany izy, ka dia lasa soa aman-tsara.
- 23 Nony tonga Joaba sy ny miaramila rehetra izay nanaraka azy, dia nisy nanambara tamin’ i Joaba hoe: Tonga tao amin’ ny mpanjaka Abnera, zanak’ i Nera, nefa nalefany izy, ka dia lasa soa aman-tsara.
- 24 Ary Joaba nankao amin’ ny mpanjaka ka nanao hoe: Inona izany nataonao izany? Nahoana no efa tonga teto aminao Abnera ka nalefanao fotsiny, ka dia afaka soa aman-tsara izy?
- 25 Fantatrao anefa ny amin’ i Abnera, zanak’ i Nera, fa hamitaka anao no nahatongavany hahalalany ny ivoahanao sy ny idiranao ary hahalalany izay rehetra ataonao.
- 26 Dia nivoaka Joaba avy tao amin’ i Davida ka naniraka olona hanaraka an’ i Abnera, ary nitondra azy niverina avy any amin’ ny lavaka famorian-drano atao hoe Siraha ireo: nefa tsy fantatr’ i Davida izany.
- 27 Ary nony niverina tao Hebrona Abnera, dia nentin’ i Joaba nitanila tao anaty vavahady hiresaka aminy mangingina, kanjo nasiany tamin’ ny kibony ka matiny ho todin’ ny ran’ i Asahela rahalahiny.
- 28 Ary rehefa afaka izany, dia nahare Davida, ka hoy izy: Tsy manan-keloka mandrakizay eo anatrehan’ i Jehovah izaho sy ny fanjakako ny amin’ ny ran’ i Abnera, zanak’ i Nera.
- 29 Hitsingerina amin’ ny lohan’ i Joaba sy ny tarana-drainy rehetra anie ny todin’ izany; ary tsy ho tapaka amin’ ny taranak’ i Joaba anie ny marary mitsika, na ny boka, na ny mamahana amin’ ny tehina, na ny lavon-tsabatra, na ny tsy manan-kohanina.
- 30 Toy izany no namonoan’ i Joaba sy Abisay rahalahiny an’ i Abnera noho ny namonoany an’ i Asahela rahalahiny tao Gibeona tamin’ ny ady.
- 31 Ary hoy Davida tamin’ i Joaba sy ny olona rehetra izay teo aminy: Triaro ny fitafianareo, ary misikìna lamba fisaonana, ka aoka hisaona eo anolohan’ i Abnera ianareo. Ary Davida mpanjaka nanaraka ny tranovorona.
- 32 Dia nandevina an’ i Abnera tao Hebrona izy; ary ny mpanjaka nanandratra ny feony ka nitomany teo amin’ ny fasan’ i Abnera; ary ny vahoaka rehetra dia mba nitomany koa.
- 33 Ary ny mpanjaka nanao hira fisaonana an’ i Abnera hoe: Tahaka ny fahafatesan’ ny adala va no tokony ho nahafatesan’ i Abnera?
- 34 Ny tananao tsy nifatotra, ary ny tongotrao tsy nigadra; Fa tahaka ny fikarapok’ izay asian’ ny olon-dratsy no nikarapohanao. Ary ny vahoaka rehetra dia mbola nitomany azy indray.
- 35 Ary izy rehetra dia avy hampihinan-kanina an’ i Davida raha mbola antoandro, nefa Davida nianiana hoe: Hataon’ Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha mba hitendry hanina na inona na inona akory aho mandra-pilentiky ny masoandro.
- 36 Ary azon’ ny vahoaka rehetra ny hevitr’ izany ka nankasitrahany, dia tahaka ny nankasitrahany izay rehetra nataon’ ny mpanjaka.
- 37 Ka dia fantatry ny vahoaka rehetra sy ny Isiraely rehetra tamin’ izany andro izany fa tsy avy tamin’ ny mpanjaka no nahafaty an’ i Abnera, zanak’ i Nera.
- 38 Ary hoy ny mpanjaka tamin’ ny mpanompony: Tsy fantatrareo va fa komandy sady lehilahy malaza no maty androany tamin’ ny Isiraely?
- 39 Ary tsy mbola manan-kery loatra aho izao, na dia mpanjaka efa voahosotra aza; ary ireo zanak’ i Zeroia ireo dia mahery sata loatra amiko; Jehovah anie hamaly izay nanao izao ratsy izao araka ny ratsy nataony.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗