사무엘하 1장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 사무엘하 (2 Samuel) · 27절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ary nony maty Saoly, ary niverina avy namono ny Amalekita Davida, dia nitoetra indroa andro tao Ziklaga izy. | Now it came to pass after the death of Saul, when David was returned from the slaughter of the Amalekites, and David had abode two days in Ziklag; |
| 2 | Ary tamin’ ny andro fahatelo, indro, nisy lehilahy iray tonga avy tany amin’ ny miaramilan’ i Saoly, triatra ny akanjony sady nihosin-tany ny lohany; ary rehefa tonga teo amin’ i Davida izy, dia niankohoka tamin’ ny tany ka nitsaoka. | It came even to pass on the third day, that, behold, a man came out of the camp from Saul with his clothes rent, and earth upon his head: and so it was, when he came to David, that he fell to the earth, and did obeisance. |
| 3 | Ary hoy Davida taminy: Avy taiza moa ianao? Dia hoy izy taminy: Afaka nandositra avy tany amin’ ny tobin’ ny Isiraely aho. | And David said unto him, From whence comest thou? And he said unto him, Out of the camp of Israel am I escaped. |
| 4 | Ary hoy Davida taminy: Nanao ahoana izay tany? Masìna ianao, ambarao amiko. Dia hoy izy: Ny olona nandositra tamin’ ny ady, ary be koa ny miampatrampatra sy maty, ary maty koa Saoly sy Jonatana zanany. | And David said unto him, How went the matter? I pray thee, tell me. And he answered, That the people are fled from the battle, and many of the people also are fallen and dead; and Saul and Jonathan his son are dead also. |
| 5 | Ary hoy Davida tamin’ ilay zatovo niteny taminy: Ahoana no nahafantaranao fa maty Saoly sy Jonatana zanany. | And David said unto the young man that told him, How knowest thou that Saul and Jonathan his son be dead? |
| 6 | Dia nanambara taminy ilay zatovo nanao hoe: Sendra tao an-tendrombohitra Gilboa aho, ary, indro, Saoly nitehina tamin’ ny lefony; ary, indreo, ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly nanenjika azy mafy. | And the young man that told him said, As I happened by chance upon mount Gilboa, behold, Saul leaned upon his spear; and, lo, the chariots and horsemen followed hard after him. |
| 7 | Dia niherika izy ka nahita ahy; ary niantso ahy izy, ka hoy izaho: Inty aho. | And when he looked behind him, he saw me, and called unto me. And I answered, Here am I. |
| 8 | Ary hoy izy tamiko: Iza moa ianao? Dia hoy izaho taminy: Amalekita aho. | And he said unto me, Who art thou? And I answered him, I am an Amalekite. |
| 9 | Ary hoy indray izy tamiko: Masìna ianao, hatony kely aho, ka vonoy, fa marary mivonkina ozatra aho, fa mbola ato anatiko ihany ny aiko. | He said unto me again, Stand, I pray thee, upon me, and slay me: for anguish is come upon me, because my life is yet whole in me. |
| 10 | Dia nanatona azy aho ka namono azy, satria fantatro fa tsy ho velona izy, rehefa resy, ka dia nalaiko ny satro-boninahiny teo an-dohany sy ny fehin-tanana teo amin’ ny sandriny, ka nentiko etỳ amin’ ny tompoko izany. | So I stood upon him, and slew him, because I was sure that he could not live after that he was fallen: and I took the crown that was upon his head, and the bracelet that was on his arm, and have brought them hither unto my lord. |
| 11 | Dia noraisin’ i Davida ny fitafiany ka notriariny: ary dia mba nanao toy izany koa ny olona rehetra teo aminy. | Then David took hold on his clothes, and rent them; and likewise all the men that were with him: |
| 12 | Ary nisaona sy nitomany sy nifady hanina ambara-paharivan’ ny andro izy noho ny amin’ i Saoly sy Jonatana zanany sy ny olon’ i Jehovah ary ny taranak’ Isiraely, satria lavon-tsabatra ireny. | And they mourned, and wept, and fasted until even, for Saul, and for Jonathan his son, and for the people of the Lord, and for the house of Israel; because they were fallen by the sword. |
| 13 | Ary hoy Davida tamin’ ilay zatovo nanambara taminy: Avy aiza ianao? Ary hoy izy: Zanaky ny vahiny Amalekita aho. | And David said unto the young man that told him, Whence art thou? And he answered, I am the son of a stranger, an Amalekite. |
| 14 | Dia hoy Davida taminy: Nahoana ianao no tsy natahotra haninjitra ny tananao hamono ny voahosotr’ i Jehovah? | And David said unto him, How wast thou not afraid to stretch forth thine hand to destroy the Lord’s anointed? |
| 15 | Dia niantso zatovo anankiray Davida ka nanao hoe: Hatony io, ka vonoy; dia nasiany izy ka maty. | And David called one of the young men, and said, Go near, and fall upon him. And he smote him that he died. |
| 16 | ary hoy Davida taminy: Aoka ny rànao ho eo amin’ ny lohanao, satria ny vavanao ihany no efa niampanga anao nanao hoe: Izaho no namono ny voahosotr’ i Jehovah. | And David said unto him, Thy blood be upon thy head; for thy mouth hath testified against thee, saying, I have slain the Lord’s anointed. |
| 17 | Ary Davida nisaona an’ i Saoly sy Jonatana zanany tamin’ izao hira fisaonana izao | And David lamented with this lamentation over Saul and over Jonathan his son: |
| 18 | (ary nasainy nampianarina ny taranak’ i Joda ny hira atao hoe Tsipika; indro, voasoratra ao amin’ ny Bokin’ i Jasara izany): | (Also he bade them teach the children of Judah the use of the bow: behold, it is written in the book of Jasher.) |
| 19 | Ilay voninahitrao, ry Isiraely, no voalefona teo amin’ ny havoananao; Endrey! Lavo ny mahery! | The beauty of Israel is slain upon thy high places: how are the mighty fallen! |
| 20 | Aza ambaranareo any Gata izany, Aza torinareo ho fifaliana any an-dalamben’ i Askelona. Fandrao mifaly ny zanakavavin’ ny Filistina. Fandrao miravoravo ny zanakavavin’ ny tsy mifora. | Tell it not in Gath, publish it not in the streets of Askelon; lest the daughters of the Philistines rejoice, lest the daughters of the uncircumcised triumph. |
| 21 | Hianareo tendrombohitra Gilboa, Aza misy ando aman’ orana intsony eny aminareo, na saha angalana fanatitra asandratra, satria tany no nandotoana ny ampingan’ ny mahery, Dia ny ampingan’ i Saoly, ka tsy nohosorana diloilo. | Ye mountains of Gilboa, let there be no dew, neither let there be rain, upon you, nor fields of offerings: for there the shield of the mighty is vilely cast away, the shield of Saul, as though he had not been anointed with oil. |
| 22 | Ny tsipìkan’ i Jonatana tsy nihemotra. Raha tsy nahazo ny ran’ ny maty sy ny tavin’ ny mahery; ary ny sabatr’ i Saoly tsy mba niverina foana. | From the blood of the slain, from the fat of the mighty, the bow of Jonathan turned not back, and the sword of Saul returned not empty. |
| 23 | Saoly sy Jonatana, izay tiana sady mahate-ho-tia fony fahavelony, dia tsy nosarahina na dia tamin’ ny nahafatesany aza; Faingana noho ny voromahery izy ary mahery noho ny liona. | Saul and Jonathan were lovely and pleasant in their lives, and in their death they were not divided: they were swifter than eagles, they were stronger than lions. |
| 24 | Ry zanakavavin’ Isiraely, mitomania an’ i Saoly, fa nahafinaritra ny mampitafiany jaky anareo, sady nasiany firava-bolamena ny fitafianareo. | Ye daughters of Israel, weep over Saul, who clothed you in scarlet, with other delights, who put on ornaments of gold upon your apparel. |
| 25 | Endrey! lavo teo amin’ ny ady ny mahery voalefona teo amin’ ny havoananao Jonatana. | How are the mighty fallen in the midst of the battle! O Jonathan, thou wast slain in thine high places. |
| 26 | Ory noho ny aminao aho, ry Jonatana rahalahiko; nahafinaritra ahy indrindra ianao; nahagaga ny fitiavanao ahy mihoatra noho ny fitiavan’ ny vehivavy. | I am distressed for thee, my brother Jonathan: very pleasant hast thou been unto me: thy love to me was wonderful, passing the love of women. |
| 27 | Endrey! lavo ny mahery, ary levona ny fiadiana! | How are the mighty fallen, and the weapons of war perished! |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL