사무엘하 18장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 사무엘하 (2 Samuel) · 32절
- 1 Ary Davida nandamina ny olona izay nomba azy ka nanendry mpifehy arivo sy mpifehy zato hifehy azy.
- 2 Ary Davida nampandeha ny olona, ka ny ampahatelony nofehezin’ i Joaba, ary ny ampahatelony nofehezin’ i Abisay, zanak’ i Zeroia, rahalahin’ i Joaba, ary ny ampahatelony kosa nofehezin’ Itahy Gatita. Ary hoy ny mpanjaka tamin’ ny vahoaka: Izaho koa dia handeha hiaraka aminareo tokoa.
- 3 Fa hoy ny vahoaka: Tsy avelanay andeha ianao; fa raha mandositra izahay, dia tsy hahoany; ary na matiny sasaka aza izahay, dia tsy hahoany akory; fa ianao no hoatra ny iray alina aminay; koa tsara raha hamonjy anay avy tao an-tanàna ianao.
- 4 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Izay sitrakareo ary no hataoko. Dia nitsangana teo anilan’ ny vavahady ny mpanjaka, ary ny vahoaka rehetra nivoaka isan-jato sy isan’ arivo.
- 5 Ary ny mpanjaka nandidy an’ i Joaba sy Abisay ary Itahy hoe: Noho ny amiko dia mamindrà fo amin’ i Absaloma zatovo. Ary ny olona rehetra dia nahare ny nandidian’ ny mpanjaka ny mpifehy rehetra ny amin’ i Absaloma.
- 6 Ka dia nivoaka teny an-tsaha ny vahoaka hiady amin’ ny Isiraely, ka rafitra tao amin’ ny alan’ i Efraima ny ady;
- 7 ary resy tao ny lehilahy amin’ ny Isiraely teo anoloan’ ny mpanompon’ i Davida, ka be dia be no ringana androtrizay, dia olona roa alina.
- 8 Fa nihahakahaka teny rehetra teny ny ady; ka ny matin’ ny ala androtrizay dia be noho ny matin’ ny sabatra.
- 9 Ary Absaloma nifanehatra tamin’ ny mpanompon’ i Davida. Ary nitaingina ampondra izy, ary ny ampondra nandeha teo ambanin’ ny rantsan-kazo mikirindro tamin’ ny hazo terebinta, ka voahazon’ ny hazo terebinta ny lohan’ i Absaloma, ka dia nikiraviravy teo anelanelan’ ny lanitra sy ny tany izy; fa lasa ny ampondra nitaingenany.
- 10 Ary nisy lehilahy anankiray nahita izany, dia nanambara tamin’ i Joaba hoe: Indro, hitako mihantona amin’ ny hazo terebinta Absaloma.
- 11 Ary hoy Joaba tamin’ ilay lehilahy nilaza taminy: Koa nahoana, raha nahita azy ianao, no tsy nasianao hianjera amin’ ny tany izy, ka dia tsy maintsy ho nomeko sekely volafotsy folo sy fehin-kibo ianao?
- 12 Fa hoy ralehilahy tamin’ i Joaba: Na dia efa mby an-tanako aza ny sekely volafotsy arivo, tsy haninjitra ny tanako hamely ny zanaky ny mpanjaka aho; fa teo anatrehanay no nandidian’ ny mpanjaka anao sy Abisay ary Itahy hoe: Samia mitandrina an’ i Absaloma zatovo.
- 13 Tsy misy zavatra azo afenina amin’ ny mpanjaka, koa raha nanao hafahafa taminy aho, na dia ianao io aza dia ho nitsangana hanameloka ahy.
- 14 Dia hoy Joaba: Tsy handany andro foana eto aminao aho. Ary nitondra lefona telo teny an-tanany Izy, ka natsatony tamin’ ny fon’ i Absaloma, raha mbola velona teo amin’ ny hazo terebinta izy.
- 15 Ary nisy tovolahy folo, mpitondra ny fiadian’ i Joaba, nanodidina an’ i Absaloma ka namely azy ho faty.
- 16 Ary Joaba nitsoka ny anjomara, ka dia niverina avy nanenjika ny Isiraely ny vahoaka, satria niantran’ i Joaba izy.
- 17 Dia nalain’ ny olona Absaloma ka natsipiny tao an-davaka lehibe anankiray tao anaty ala, dia nasiany antontam-bato lehibe teo amboniny; ary ny Isiraely rehetra samy nandositra ho any amin’ ny lainy avy.
- 18 Ary fony mbola velona Absaloma, dia efa naka vato izy ka nanao ilay tsangam-bato ho azy tao an-dohasahan’ ny Mpanjaka, fa hoy izy: Tsy manan-janakalahy hamelo-maso ahy aho; ary dia nataony araka ny anaran’ ny tenany ihany ilay tsangam-bato, ka mbola atao hoe: Fahatsiarovana an’ i Absaloma no anarany mandraka androany.
- 19 Dia hoy Ahimaza, zanak’ i Zadoka: Aoka aho hihazakazaka hitondra teny mahafaly ho any amin’ ny mpanjaka ny amin’ ny nanomezan’ i Jehovah azy ny rariny ka nahafahany tamin’ ny fahavalony.
- 20 Fa hoy Joaba taminy: Tsy ho mpitondra teny mahafaly ianao, raha mandeha anio, satria maty ny zanakalahin’ ny mpanjaka, fa andro hafa dia mbola hitondra teny mahafaly ihany ianao.
- 21 Ary hoy Joaba tamin’ ilay Kosita: Andeha, ambarao amin’ ny mpanjaka izay efa hitanao. Ary ilay Kosita niankohoka teo anatrehan’ i Joaba, dia lasa nihazakazaka.
- 22 Fa Ahimaza, zanak’ i Zadoka, dia mbola niteny tamin’ i Joaba ihany nanao hoe: Ka nahoana aza, aoka ihany aho mba hiezaka koa hanaraka ilay Kosita. Fa hoy Joaba: Ahoana no hiezahanao, anaka; fa na dia mandeha aza ianao, tsy hisy teny mahafaly hahazoanao fitia tsinona?
- 23 Ka nahoana aza, hoy izy: Aoka ihany aho hiezaka. Dia hoy Joaba taminy: Miezaha ary. Ary dia niezaka tamin’ ny lalana eny amin’ ny lemaka Ahimaza ka nihoatra an’ ilay Kosita.
- 24 Ary Davida nipetraka teo anelanelan’ ny vavahady roa; ary ny mpitily niakatra teo ambony vavahady teo amin’ ny manda, ka nanopy ny masony, dia nahita, ka indry misy lehilahy iray mihazakazaka.
- 25 Ary ny mpitily niantso ka nilaza tamin’ ny mpanjaka. Dia hoy ny mpanjaka: Raha irery izy, dia ho teny mahafaly no entiny. Ary mbola nanatona anatona ihany ralehilahy.
- 26 Ary ny mpitily nahita lehilahy iray koa nihazakazaka, dia niantso ny mpiandry vavahady izy nanao hoe: Indry koa misy lehilahy iray tamy mihazakazaka. Dia hoy ny mpanjaka: Mitondra teny mahafaly ihany koa izy.
- 27 Ary hoy ny mpitily: Raha toa ahy, dia tahaka ny fihazakazak’ i Ahimaza, zanak’ i Zadoka, no fihazakazak’ iny aloha. Ary hoy ny mpanjaka: Lehilahy tsara fanahy iny, ka hitondra teny soa mahafaly no ihaviany.
- 28 Ary Ahimaza niantso ka nanao tamin’ ny mpanjaka hoe: Fiadanana! sady niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehan’ ny mpanjaka izy ka nanao hoe: Isaorana anie Jehovah Andriamanitrao, Izay efa nanolotra ny olona nanainga tanana hikomy amin’ ny mpanjaka tompoko.
- 29 Dia hoy ny mpanjaka: Tsara ihany va Absaloma zatovo? Fa hoy Ahimaza: Tamin’ ny nanirahan’ i Joaba ny mpanompon’ ny mpanjaka sy izaho mpanomponao koa dia nandre tabataba be aho, nefa tsy fantatro izay antony.
- 30 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Mitanilà kely ary, ka mijanòna etsy; dia nitanila izy ka nitoetra teo.
- 31 Ary, indro, avy ilay Kosita ka nanao hoe: Aoka ny mpanjaka tompoko hihaino teny mahafaly; fa Jehovah efa nanome anao ny rariny ka nahafaka anao ankehitriny tamin’ izay rehetra nitsangana hikomy aminao.
- 32 Ary hoy ny mpanjaka tamin’ ilay Kosita: Tsara ihany va Absaloma zatovo? Fa hoy ilay Kosita: Aoka ny fahavalon’ ny mpanjaka tompoko sy izay rehetra mitsangana hanisy ratsy anao ho tahaka iny zatovo iny.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗