사무엘상 5장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 사무엘상 (1 Samuel) · 12절
- 1 Dia nalain’ ny Filistina ny fiaran’ Andriamanitra ka nentiny niala tany Ebenezera ho any Asdoda.
- 2 Ary nony efa azon’ ny Filistina ny fiaran’ Andriamanitra, dia nentiny tao an-tranon’ i Dagona izy ka napetrany teo anilany.
- 3 Ary nony ampitson’ iny dia nifoha maraina koa ny Asdodita, ka indro Dagona potraka niankohoka tamin’ ny tany teo anoloan’ ny fiaran’ i Jehovah; dia narenin’ ny olona izy ka napetrany teo amin’ ny fitoerany indray.
- 4 Ary nony ampitson’ iny indray dia nifoha maraina koa ny olona, ka indro Dagona potraka niankohoka indray tamin’ ny tany teo anoloan’ ny fiaran’ i Jehovah, ary tapaka teo amin’ ny tokonam-baravarana ny lohan’ i Dagona sy ny felatanany roa; fa ny tenabeny ihany no sisa
- 5 (izany no tsy anitsahan’ ny mpisoron’ i Dagona, na izay miditra ao an-tranony, ny tokonam-baravaran’ i Dagona ao Asdoda mandraka androany).
- 6 Ary navesatra tamin’ ny Asdodita ny tànan’ i Jehovah, fa nandringana azy Izy; ary nasiany vay ny tao Asdoda sy ny tamin’ ny fari-taniny rehetra.
- 7 Ary rehefa hitan’ ny mponina tao Asdoda fa nisy izany, dia hoy izy: Aza avela hitoetra eto amintsika ny fiaran’ ny Andriamanitry ny Isiraely; fa mavesatra amintsika sy amin’ i Dagona andriamanitsika ny tànany.
- 8 Dia naniraka olona izy ka nanangona ireo andriana rehetra tamin’ ny Filistina hankeo aminy ka nanao hoe: Hataontsika ahoana ny fiaran’ ny Andriamanitry ny Isiraely? Dia hoy ireo: Aoka hafindra hankany Gata ny fiaran’ ny Andriamanitry ny Isiraely. Dia nafindrany ny fiaran’ ny Andriamanitry ny Isiraely.
- 9 Ary rehefa voafindrany ny fiara, dia namely ny tanàna ny tànan’ i Jehovah ka nampangorohoro azy indrindra, fa Izy namely ny mponina tao an-tanàna, na kely na lehibe, ka nisy vay nipoipoitra taminy.
- 10 Ary dia naterin’ ny olona nankany Ekrona ny fiaran’ Andriamanitra. Ary raha vao tonga tany Ekrona ny fiaran’ Andriamanitra, dia nitaraina ny Ekronita nanao hoe: Efa nafindran’ ny olona ho atỳ amintsika ny fiaran’ ny Andriamanitry ny Isiraely hahafaty antsika sy ny firenentsika.
- 11 Dia naniraka olona izy ka nanangona ireo andriana rehetra tamin’ ny Filistina ka nanao hoe: Ampandehano ny fiaran’ ny Andriamanitry ny Isiraely, ary aoka ho entina ho any amin’ ny fitoerany ihany indray izy mba tsy hahafaty antsika sy ny firenentsika; fa nanerana ny tanàna ny horohoron’ ny fahafatesana, fa navesatra indrindra tao ny tànan’ Andriamanitra.
- 12 Ary ny olona izay tsy maty dia voan’ ny vay kosa, ka ny fitarainan’ ny tao an-tanàna dia niakatra ho any an-danitra.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗