사무엘상 3장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 사무엘상 (1 Samuel) · 21절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ary Samoela zaza nanao fanompoam-pivavahana tamin’ i Jehovah teo anatrehan’ i Ely. Ary tamin’ izany andro izany efa nahàlana ny tenin’ i Jehovah: tsy nisy fahitana niseho loatra. | And the child Samuel ministered unto the Lord before Eli. And the word of the Lord was precious in those days; there was no open vision. |
| 2 | Ary tamin’ izany andro izany, raha nandry tao amin’ ny fandriany Ely (efa pahina ny masony, ka tsy nahita izy), | And it came to pass at that time, when Eli was laid down in his place, and his eyes began to wax dim, that he could not see; |
| 3 | sady tsy mbola maty ny jiron’ Andriamanitra, ary Samoela efa nandry tao amin’ ny tempolin’ i Jehovah, izay nisy ny fiaran’ Andriamanitra, | And ere the lamp of God went out in the temple of the Lord, where the ark of God was, and Samuel was laid down to sleep; |
| 4 | dia niantso an’ i Samoela Jehovah, ary izy namaly hoe: Inty aho. | That the Lord called Samuel: and he answered, Here am I. |
| 5 | Dia nihazakazaka nankeo amin’ i Ely izy ka nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Fa hoy Ely: Tsy niantso aho, andeha mandry ihany. Dia lasa nandry izy. | And he ran unto Eli, and said, Here am I; for thou calledst me. And he said, I called not; lie down again. And he went and lay down. |
| 6 | Ary Jehovah niantso azy indray hoe: Ry Samoela! Dia nifoha Samoela ka nankao amin’ i Ely ary nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Fa hoy izy: Tsy niantso aho, anaka; andeha mandry ihany. | And the Lord called yet again, Samuel. And Samuel arose and went to Eli, and said, Here am I; for thou didst call me. And he answered, I called not, my son; lie down again. |
| 7 | Ary Samoela tsy mbola nahalala an’ i Jehovah, sady tsy mbola nanehoana ny tenin’ i Jehovah izy. | Now Samuel did not yet know the Lord, neither was the word of the Lord yet revealed unto him. |
| 8 | Ary Jehovah niantso an’ i Samoela indray fanintelony. Dia nifoha izy ka nankao amin’ i Ely ary nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Dia fantatr’ i Ely fa Jehovah no niantso ny zaza. | And the Lord called Samuel again the third time. And he arose and went to Eli, and said, Here am I; for thou didst call me. And Eli perceived that the Lord had called the child. |
| 9 | Ary hoy Ely tamin’ i Samoela: Andeha mandry ihany; ary raha tàhiny miantso anao Izy, dia valio hoe: Mitenena, Jehovah ô; fa mihaino ny mpanomponao. Dia lasa Samoela nandry tao amin’ ny fandriany. | Therefore Eli said unto Samuel, Go, lie down: and it shall be, if he call thee, that thou shalt say, Speak, Lord; for thy servant heareth. So Samuel went and lay down in his place. |
| 10 | Ary avy Jehovah, dia nitsangana ka niantso toy ny teo ihany hoe: Ry Samoela, ry Samoela ô! Dia namaly Samoela hoe: Mitenena, fa mihaino ny mpanomponao. | And the Lord came, and stood, and called as at other times, Samuel, Samuel. Then Samuel answered, Speak; for thy servant heareth. |
| 11 | Ary hoy Jehovah tamin’ i Samoela: Indro, Izaho hanao zavatra eo amin’ ny Isiraely, ka izay rehetra mandre izany, dia hangintsingintsina ny sofiny roa. | And the Lord said to Samuel, Behold, I will do a thing in Israel, at which both the ears of every one that heareth it shall tingle. |
| 12 | Amin’ izany andro izany dia hotanterahiko amin’ i Ely izay zavatra rehetra voalazako ny amin’ ny taranany: hatomboko izany, ka dia hotanterahiko. | In that day I will perform against Eli all things which I have spoken concerning his house: when I begin, I will also make an end. |
| 13 | Fa efa nambarako taminy fa hotsaraiko mandrakizay ny taranany noho ny heloka izay fantany, satria ny zanany nahatonga ozona ho an’ ny tenany, nefa tsy nosakanany. | For I have told him that I will judge his house for ever for the iniquity which he knoweth; because his sons made themselves vile, and he restrained them not. |
| 14 | Koa izany no nianianako ny amin’ ny taranak’ i Ely fa tsy hisy fanatitra hahafaka ny helony mandrakizay. | And therefore I have sworn unto the house of Eli, that the iniquity of Eli’s house shall not be purged with sacrifice nor offering for ever. |
| 15 | Ary nandry Samoela mandra-pahamarain’ ny andro, dia namoha ny varavaran’ ny tranon’ i Jehovah izy. Ary Samoela natahotra hilaza ny fahitana tamin’ i Ely. | And Samuel lay until the morning, and opened the doors of the house of the Lord. And Samuel feared to shew Eli the vision. |
| 16 | Fa Ely niantso an’ i Samoela ka nanao hoe: Ry Samoela, zanako! Dia hoy izy: Inty aho. | Then Eli called Samuel, and said, Samuel, my son. And he answered, Here am I. |
| 17 | Ary hoy izy: Inona no zavatra nolazain’ i Jehovah taminao? masìna ianao, aza afeninao ahy; hataon’ Andriamanitra aminao anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha nisy afeninao ahy ny zavatra rehetra nolazainy taminao. | And he said, What is the thing that the Lord hath said unto thee? I pray thee hide it not from me: God do so to thee, and more also, if thou hide any thing from me of all the things that he said unto thee. |
| 18 | Dia nambaran’ i Samoela azy avokoa ny zavatra rehetra, ka tsy nisy nafeniny azy. Dia hoy Ely: Izy no Jehovah, aoka Izy hanao izay sitraky ny fony. | And Samuel told him every whit, and hid nothing from him. And he said, It is the Lord: let him do what seemeth him good. |
| 19 | Ary nitombo Samoela, sady nomba azy Jehovah, ka tsy nisy navelany ho raraka an-tany ny teniny. | And Samuel grew, and the Lord was with him, and did let none of his words fall to the ground. |
| 20 | Ary ny Isiraely rehetra hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba nahalala fa efa mpaminanin’ i Jehovah tokoa Samoela. | And all Israel from Dan even to Beer–sheba knew that Samuel was established to be a prophet of the Lord. |
| 21 | Dia niseho tao Silo indray Jehovah; fa niseho tamin’ i Samoela tao Silo Jehovah tamin’ ny teniny. | And the Lord appeared again in Shiloh: for the Lord revealed himself to Samuel in Shiloh by the word of the Lord. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL