사무엘상 18장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 사무엘상 (1 Samuel) · 30절
- 1 Ary rehefa nitsahatra niteny tamin’ i Saoly izy, dia raiki-pitia tamin’ i Davida ny fanahin’ i Jonatana, ka tia azy hoatra ny tenany mihitsy izy.
- 2 Ary Saoly nandray azy tamin’ izany andro izany ka tsy namela azy hody tany amin’ ny tranon-drainy intsony.
- 3 Ary Davida sy Jonatana nanao fanekena noho ny fitiavan’ i Jonatana azy toy ny tenany.
- 4 Ary nesorin’ i Jonatana ny akanjony ivelany izay teny aminy ka nomeny an’ i Davida mbamin’ ny akanjo fiadiany sy ny sabany sy ny tsipìkany ary ny fehin-kibony koa aza.
- 5 Ary Davida nanafika ka hita fa hendry tamin’ izay rehetra nanirahan’ i Saoly azy; ka dia nataon’ i Saoly mpifehy ny miaramila izy sady nankasitrahan’ ny vahoaka rehetra sy ny mpanompon’ i Saoly koa.
- 6 Ary nony tonga ny olona tamin’ ny niverenan’ i Davida avy namono ilay Filistina, dia nivoaka ny vehivavy avy tamin’ ny tanànan’ ny Isiraely rehetra ka nihira sy nandihy nitsena an’ i Saoly mpanjaka tamin’ ny ampongatapaka sy ny fifaliana ary ny kipantsona.
- 7 Ary ny vehivavy mpandihy dia nihira hoe: Saoly nahafaty arivoarivo; Fa Davida nahafaty alinalina.
- 8 Dia tezitra indrindra Saoly, fa tsy sitrany izany teny izany, ka hoy izy: Ny an’ i Davida nataony alinalina lahy, fa ny ahy kosa nataony arivoarivo ihany; koa ny fanjakana ihany no sisa tsy mbola azony.
- 9 Ary Saoly hatramin’ izany andro izany dia nangarika an’ i Davida.
- 10 Ary nony ampitson’ iny dia nisy fanahy ratsy avy tany amin’ Andriamanitra nilatsaka tamin’ i Saoly, ka dia maola tao an-trano izy; ary Davida nitendry lokanga tamin’ ny tànany tahaka ny fanaony isan’ andro ihany, ary nisy lefona teny an-tànan’ i Saoly.
- 11 Dia natorak’ i Saoly ny lefona; fa hoy izy: Hamely an’ i Davida aho, ka hataoko miboroaka mihatra amin’ ny rindrina. Fa Davida nisoroka indroa teo anatrehany.
- 12 Ary Saoly natahotra an’ i Davida, satria Jehovah nomba azy, fa Saoly kosa efa nialany.
- 13 Koa dia nesorin’ i Saoly tsy ho eo aminy Davida, ary nataony mpifehy arivo, dia nitarika ny olona nivoaka sy niditra izy.
- 14 Ary Davida dia hita fa hendry tamin’ izay rehetra nataony, ary Jehovah nomba azy.
- 15 Ary nony hitan’ i Saoly fa hendry dia hendry Davida, dia natahotra azy izy.
- 16 Fa ny Isiraely sy ny Joda rehetra kosa tia an’ i Davida, satria nitondra azy nivoaka sy niditra izy.
- 17 Ary hoy Saoly tamin’ i Davida: Indro homeko ho vadinao Meraba vavimatoako, koa mahereza ho ahy anefa ianao, ary miadia ny adin’ i Jehovah. (Fa hoy Saoly: Aoka tsy ny tanako no hamely azy, fa aoka ny tanan’ ny Filistina no hamely azy.)
- 18 Fa hoy Davida tamin’ i Saoly: Zinona moa aho, ary manao ahoana no toetry ny mpianakavin’ ny raiko ao amin’ ny Isiraely, no ho vinanton’ ny mpanjaka aho?
- 19 Kanjo nony tamin’ ny andro tokony ho namoahana an’ i Meraba, zanakavavin’ i Saoly, ho vadin’ i Davida, dia nomena ho vadin’ i Adriela Meholatita izy.
- 20 Fa Mikala, zanakavavin’ i Saoly kosa tia an’ i Davida; ary nisy nanambara izany tamin’ i Saoly, ka sitrak’ i Saoly izany.
- 21 (Fa hoy Saoly: Homeko azy izy, mba ho fandrika aminy ka hamelezan’ ny tanan’ ny Filistina azy.) Dia hoy Saoly tamin’ i Davida: Fanindroan’ ny maha-vinantoko anao izao.
- 22 Ary Saoly nandidy ny mpanompony hoe: Miresaha mangingina amin’ i Davida, ka ataovy hoe: Indro, tian’ ny mpanjaka ianao, ary ny mpanompony rehetra tia anao; ka dia maneke ihany ho vinanton’ ny mpanjaka ianao.
- 23 Ary ny mpanompon’ i Saoly nilaza izany teny izany tamin’ i Davida. Fa hoy Davida: Moa ataonareo ho zavatra kely izany ho vinanton’ ny mpanjaka? Tsy hitanareo va fa izaho dia olona malahelo sady tsy manan-daza?
- 24 Ary ny mpanompon’ i Saoly nilaza taminy hoe: Izany no navalin’ i Davida.
- 25 Dia hoy Saoly: Izao no holazainareo amin’ i Davida: Ny mpanjaka tsy mila harena be ho vodiondry, fa ny mariky ny fahafatesan’ ny Filistina zato lahy ihany, mba ho famaliana ny fahavalony. Kanjo hevitr’ i Saoly hahafaty an’ i Davida amin’ ny tanan’ ny Filistina izany.
- 26 Ary rehefa nambaran’ ny mpanompon’ i Saoly tamin’ i Davida izany teny izany, dia sitrak’ i Davida ny ho vinanton’ ny mpanjaka. Ary raha tsy mbola tapitra ny fetr’ andro,
- 27 dia niainga Davida, ary nandeha izy sy ny olony ka nahafaty Filistina roan-jato, lahy ary Davida nitondra ny mariky ny fahafatesany ka nanisa azy teo anatrehan’ ny mpanjaka mba hahavinanton’ ny mpanjaka azy. Dia nomen’ i Saoly ho vadin’ i Davida Mikala zananivavy.
- 28 Ary Saoly nahita sy nahalala fa Jehovah nomba an’ i Davida; ary Mikala zananivavy tia azy.
- 29 Ary dia vao mainka natahotra an’ i Davida Saoly; ka dia tonga fahavalon’ i Davida mandrakariva izy.
- 30 Ary ireo andrianan’ ny Filistina dia nanafika; ary isaky ny nanafika izy, dia Davida no hita fa hendry noho ny mpanompon’ i Saoly rehetra, ka dia nisandratra ny anarany.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗