사무엘상 16장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 사무엘상 (1 Samuel) · 23절
- 1 Ary hoy Jehovah tamin’ i Samoela: Mandra-pahoviana no hahalahelovanao an’ i Saoly, nefa Izaho efa nandà azy tsy ho mpanjakan’ ny Isiraely? fenoy diloilo ny tandrokao, ka mandehana, fa hirahiko ho any amin’ i Jese Betlehemita ianao; fa efa nahita mpanjaka ho Ahy ao amin’ ny zanany Aho.
- 2 Fa hoy Samoela: Hataoko ahoana no fandeha; fa raha ren’ i Saoly izany, moa tsy hovonoiny va aho? Ary hoy Jehovah: Mitondrà ombivavy kely ianao, ka lazao hoe: Avy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah aho.
- 3 Ary antsoy Jese mba ho any amin’ ny fanatitra, ary Izaho no hampahafantatra anao izay hataonao; ka dia hohosoranao ho Ahy izay holazaiko aminao.
- 4 Ary Samoela nanao izay nolazain’ i Jehovah, dia tonga tao Betlehema. Ary nitsena azy amin-kovitra ny loholona teo an-tanàna ka nanao hoe: Fihavanana va no ihavianao?
- 5 Ary hoy izy: Fihavanana; avy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah aho; hamasino ny tenanareo, ary andeha hiaraka amiko ho any amin’ ny fanatitra. Dia nohamasininy Jese sy ny zanany ka nasainy ho any amin’ ny fanatitra.
- 6 Ary nony tonga ireo, dia nijery an’ i Eliaba izy ka nanao hoe: Ny voahosotr’ i Jehovah tokoa ity eto anatrehany.
- 7 Fa hoy Jehovah tamin’ i Samoela: Aza mijery ny tarehiny na ny hahavon’ ny tsanganany, fa efa nolaviko izy; fa tsy mba toy ny fijerin’ ny olona no fijerin’ i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo.
- 8 Ary Jese niantso an’ i Abinadaba ka nampandalo azy teo anatrehan’ i Samoela. Fa hoy izy: Tsy ity no nofidin’ i Jehovah.
- 9 Ary Jese dia nampandalo an’ i Sama indray. Fa hoy izy: Tsy ity no nofidin’ i Jehovah.
- 10 Ary Jese nampandalo fito lahy tamin’ ny zanany teo anatrehan’ i Samoela. Fa hoy Samoela tamin’ i Jese: Tsy nofidin’ i Jehovah ireto.
- 11 Ary hoy Samoela tamin’ i Jese: Tapitra eto avokoa va ny zanakao-lahy rehetra? Dia hoy izy: Ny faralahy no sisa, fa miandry ondry izy. Ary hoy Samoela tamin’ i Jese: Maniraha haka azy, fa tsy hipetraka hihinana isika ambara-pahatongany eto.
- 12 Dia naniraka izy ka nitondra azy hiditra. Ary mena volo izy sady bary maso no tsara tarehy. Ary hoy Jehovah: Mitsangàna, hosory izy, fa io no izy.
- 13 Ary Samoela nandray ny tandroka feno diloilo ka nanosotra azy teo amin’ ny rahalahiny; ary ny Fanahin’ i Jehovah dia nilatsaka tamin’ i Davida hatramin’ iny andro iny. Dia nitsangana Samoela ka nankany Rama.
- 14 Fa ny Fanahin’ i Jehovah efa niala tamin’ i Saoly, ary nisy fanahy ratsy avy tany amin’ i Jehovah nampahatahotra azy.
- 15 Ary hoy ny mpanompon’ i Saoly taminy: Indro, ankehitriny misy fanahy ratsy avy any amin’ Andriamanitra mampahatahotra anao.
- 16 Aoka ny tomponay ankehitriny handidy anay mpanomponao izay eto anatrehanao, dia hitady olona mahay mitendry lokanga izahay; ary rehefa misy fanahy ratsy avy any amin’ Andriamanitra tonga aminao, dia hitendry amin’ ny tànany izy, ka dia ho tsara ihany ianao.
- 17 Ary hoy Saoly tamin’ ny mpanompony: Mizahà ary olona izay mahay mitendry tsara, ka ento etỳ amiko.
- 18 Dia namaly ny anankiray amin’ ny zatovony ka nanao hoe: Indro, ny anankiray amin’ ny zanak’ i Jese Betlehemita no hitako mahay mitendry, sady lehilahy mahery sy mpanafika izy ary mahay mandaha-teny sy lehilahy tsara tarehy, ary Jehovah momba azy.
- 19 Ary Saoly dia naniraka tany amin’ i Jese ka nanao hoe: Iraho hankatỳ amiko Davida zanakao izay miandry ondry.
- 20 Ary Jese naka mofo tokony ho zakan’ ny boriky iray sy divay iray siny hoditra sy zanak’ osy, ka nampitondrainy an’ i Davida zanany ho an’ i Saoly ireo.
- 21 Ary Davida tonga tany amin’ i Saoly ka nitoetra teo anatrehany; ary tiany indrindra izy, ka dia tonga mpitondra ny fiadiany.
- 22 Ary Saoly naniraka tany amin’ i Jese nanao hoe: Masìna ianao, avelao Davida hitoetra eo anatrehako, fa efa mahita fitia amiko izy.
- 23 Ary raha nisy fanahy avy tany amin’ Andriamanitra tonga tao amin’ i Saoly, dia noraisin’ i Davida ny lokanga ka notendren’ ny tànany; ka dia velombelona sady nanaritra Saoly, ary ny fanahy ratsy niala taminy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗