사무엘상 11장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 사무엘상 (1 Samuel) · 15절
- 1 Ary Nahasy Amonita niakatra ka nitoby tandrifin’ i Jabesi-gileada; dia hoy ny mponina rehetra tao Jabesy tamin’ i Nahasy: Manaova fanekena aminay, dia hanompo anao izahay.
- 2 Fa hoy Nahasy Amonita: Izao no hanaovako fanekena aminareo: hopotsirina ny masonareo ankavanana rehetra, ka hataoko fandatsana ny Isiraely rehetra izany.
- 3 Fa hoy ny loholon’ i Jabesy taminy: Omeo andro hafitoana izahay, mba hanirahanay olona ho any amin’ ny fari-tanin’ ny Isiraely rehetra, ka raha tàhiny tsy misy olona hamonjy anay, dia hivoaka hanatona anao izahay.
- 4 Dia tonga tany Gibean’ i Saoly ny iraka ka nanambara ny teniny teo anatrehan’ ny vahoaka; dia nanandratra ny feony ny vahoaka rehetra ka nitomany.
- 5 Ary, indro, Saoly tonga nandroaka ny omby avy tany an-tsaha ka nanao hoe: Inona izato nanjo ny olona, no mitomany izy? Ary nambarany azy ny tenin’ ny mponina tao Jabesy.
- 6 Dia nilatsaka tamin’ i Saoly ny Fanahin’ Andriamanitra, ka nirehitra mafy ny fahatezeran’ i Saoly, raha nandre izany teny izany.
- 7 Dia naka omby roa izy, ka norasainy ireo, dia nampitondrainy ny iraka ho any amin’ ny fari-tanin’ ny Isiraely rehetra ka nataony hoe: Na iza na iza tsy mivoaka hanaraka an’ i Saoly sy Samoela, dia tahaka ireny no hanaovana ny ombiny. Dia nahazo ny olona ny fahatahorana an’ i Jehovah, ka nivoaka toy ny olona iray ihany izy.
- 8 Ary nandamina azy tany Bezeka izy, dia telo hetsy no isan’ ny Zanak’ Isiraely, ary telo alina no isan’ ny lehilahy amin’ ny Joda.
- 9 Ary hoy izy tamin’ ny iraka izay tonga teo: Izao no holazainareo amin’ ny mponina ao Jabesi-gileada: Rahampitso ilay efa mafampana iny dia hisy famonjena ho anareo. Dia tonga ny iraka ka nanambara izany tamin’ ny mponina tao Jabesy; ka dia faly ireo.
- 10 Ary hoy ny mponina tao Jabesy: Rahampitso no hivoahanay ho eny aminareo, dia hataonareo aminay izay rehetra sitrakareo.
- 11 Ary nony maraina, dia nozarain’ i Saoly ho telo toko ny olona, ka tonga teo amin’ ny toby tamin’ ny fiambenana maraina izy ary namely ny Amonita mandra-pahafampanan’ ny andro; koa izay sisa dia niely patrana, ka tsy nisy olona tafaraka na dia hatramin’ ny roa aza.
- 12 Ary hoy ny vahoaka tamin’ i Samoela: Iza moa no nanao hoe: Saoly va no hanjaka aminay? Atolory ireny olona ireny hataonay maty.
- 13 Fa hoy Saoly: Tsy hisy olona hatao maty anio; fa androany no nanaovan’ i Jehovah famonjena teo amin’ ny Isiraely.
- 14 Ary hoy Samoela tamin’ ny vahoaka: Andeha isika hankany Gilgala hanavao ny fanjakana any.
- 15 Dia lasa ny vahoaka nankany Gilgala; ary tany Gilgala no nananganany an’ i Saoly ho mpanjaka teo anatrehan’ i Jehovah; ary tany no nanaterany fanati-pihavanana teo anatrehan’ i Jehovah, dia nifaly indrindra teo Saoly mbamin’ ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗