사도행전 6장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 사도행전 (Acts) · 15절
- 1 Ary tamin’ izany andro izany, rehefa nihamaro ny isan’ ny mpianatra, dia nimonomonona tamin’ ny Hebreo ny Helenista, satria tsy mba enina tamin’ ny fiantrana isan’ andro ny mpitondratenany.
- 2 Ary ny roa ambin’ ny folo lahy nampiangona ny mpianatra rehetra ka nanao hoe: Tsy mety raha mandao ny tenin’ Andriamanitra hitandrina latabatra izahay.
- 3 Koa amin’ izany, ry rahalahy, mizahà fito lahy eo aminareo, izay tsara laza sady feno ny Fanahy sy fahendrena, mba hotendrenay hitandrina izany raharaha izany.
- 4 Fa izahay kosa haharitra amin’ ny fivavahana sy ny fampianarana.
- 5 Dia sitraky ny olona rehetra ny teniny, ka nifidy an’ i Stefana izy, lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masìna, ary Filipo sy Prokoro sy Nikanora sy Timona sy Parmena ary Nikoleo (proselyta avy any Antiokia),
- 6 ireo dia narosony teo anatrehan’ ny Apostoly; ary rehefa nivavaka ny Apostoly, dia nametra-tanana taminy.
- 7 Dia nandroso ny tenin’ Andriamanitra; ary nihamaro indrindra ny isan’ ny mpianatra tany Jerosalema; ary maro be kosa ny mpisorona nanaiky ny finoana.
- 8 Ary Stefana, feno fahasoavana sy hery, dia nanao fahagagana sy famantarana lehibe teo amin’ ny vahoaka.
- 9 Fa ny sasany, izay avy amin’ ny synagoga atao hoe Synagogan’ ny Libertina sy ny Kyreniana sy ny Aleksandriana mbamin’ izay avy any Kilikia sy Asia, dia nitsangana ka niady hevitra tamin’ i Stefana.
- 10 Fa tsy nahatohitra ny fahendrena sy ny Fanahy izay nitenenany ireo;
- 11 dia nisy olona nomeny vava hanao hoe: Efa renay niteny ratsy an’ i Mosesy sy Andriamanitra ity.
- 12 Ary nampitaitra ny olona sy ny loholona ary ny mpanora-dalàna izy, dia nankeo amin’ i Stefana ka nisarika azy, dia nitondra azy ho eo amin’ ny Synedriona;
- 13 ary izy nanangana vavolombelona mandainga, izay nanao hoe: Io lehilahy io tsy mitsahatra miteny ratsy ity fitoerana masìna ity sy ny lalàna;
- 14 Fa efa renay izy nilaza fa ilay Jesosy avy any Nazareta dia handrava ity fitoerana ity sy hanova ny fomba izay natolotr’ i Mosesy antsika.
- 15 Ary izay rehetra nipetraka teo amin’ ny Synedriona, raha nandinika an’ i Stefana, dia nahita ny tarehiny tahaka ny tarehin’ anjely.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗