사도행전 27장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 사도행전 (Acts) · 44절
- 1 Ary rehefa voadidy hiondrana an-tsambo hiala hankany Italia izahay, Paoly sy ny mpifatotra sasany dia natolotra tamin’ ny kapiteny atao hoe Jolio, tamin’ ny antokon’ i Aogosto.
- 2 Ary rehefa nirotsaka an-tsambo avy any Adramytena izay efa handeha hitety ny sisin-tanin’ i Asia izahay, dia lasa nandeha; ary niaraka taminay Aristarko Makedoniana avy any Tesalonika.
- 3 Ary nony ampitso dia tonga tany Sidona izahay. Ary tsara ny nitondran’ i Jolio an’ i Paoly, fa navelany hankany amin’ ny sakaizany izay hiahy azy izy.
- 4 Ary nony niala teo izahay, dia nanara-morona an’ i Kyprosy nihazo ny ilany takon-drivotra, satria nanohitra ny rivotra.
- 5 Ary rehefa namaky ny ranomasina tany Kilikia sy Pamfilia izahay, dia tonga tany Myra any Lykia.
- 6 Ary tao no nahitan’ ny kapiteny sambon’ Aleksandria hankany Italia, dia nasainy niondrana teo aminy izahay.
- 7 Ary rehefa nandeha niadana andro maromaro izahay ka saiky tsy tonga tandrifin’ i Kinido, satria nisakana anay ny rivotra, dia takon-drivotra tandrifin’ i Salmona izahay;
- 8 ary nony sahirana nanara-morona izahay, dia tonga teo amin’ ny tany anankiray atao hoe Tsara-fitodian-tsambo; akaikin’ izany ny tanàna Lasea.
- 9 Ary rehefa lany ny andro maro, sady sarotra ny fandehanan-tsambo tamin’ izany, satria efa afaka ny Andro Fifadiana, dia nananatra azy Paoly
- 10 ka nanao taminy hoe: Ry tompokolahy ô, hitako fa izao fandehanana izao dia hisy fahasimbana sy fatiantoka be ihany, ka tsy amin’ ny entana sy ny sambo ihany, fa ny aintsika koa aza.
- 11 Kanefa ny kapiteny nino ny mpitondra sy ny tompon-tsambo, fa tsy ny teny nolazain’ i Paoly.
- 12 Ary satria ny fitodian-tsambo teo dia tsy tsara hitoerana amin’ ny ririnina, dia nataon’ ny maro fa tsara raha miala, fandrao mba ho tonga any Foiniksa ahay handany ny ririnina any; fitodian-tsambo any Kreta izany ka manatrika mianatsimo-andrefana sy mianavaratra-andrefana.
- 13 Ary raha nitsoka malemy ny rivotra avy any atsimo, ka nataony fa efa nahazo izay niriny izy, dia niala teo izy ka nandalo akaikikaikin’ i Kreta.
- 14 Ary tsy ela rehefa afaka izany, dia nifofofofo nidina avy teo ny tafio-drivotra mahery atao hoe Eorakylona.
- 15 Ary raha nopaohin’ ny rivotra ny sambo ka tsy nahatoha azy, dia navelanay haveziveziny izy.
- 16 Ary raha nandeha faingana nanara-morona ny nosy atao hoe Kaoda nihazo ny ilany takon-drivotra izahay, dia saiky tsy nahazo ny salopy;
- 17 ary rehefa nakarina izany, dia novahorany manodidina ny sambo; ary natahotra izy, fandrao hihatra any amin’ ilay fasika mandrevo, dia nampidina ny lay, ka navelany handeha ho azy ny sambo.
- 18 Ary raha nasian’ ny rivotra mafy izahay, dia nanariany ny entana nony ampitso;
- 19 ary nony ampitso’ io indray dia narian’ ny tànany ihany ny fanaka teo amin’ ny sambo;
- 20 fa rehefa tsy hita ny masoandro na ny kintana hatramin’ ny andro maro, ary tsy kely ny rivotra izay namely, dia tsy nanantena ho voavonjy intsony izahay.
- 21 Ary rehefa tsy nihinan-kanina ela izy ireo, Paoly dia nitsangana teo afovoany ka nanao hoe: Ry tompokolahy ô, tsara raha ho nihaino ahy ianareo ka tsy niala tany Kreta, mba tsy ho nahitana izao fahasimbana sy fatiantoka izao.
- 22 Ary ankehitriny mananatra anareo aho mba hatoky; fa tsy hisy ho faty ianareo, fa ny sambo ihany no ho very.
- 23 Fa nisy anjelin’ Andriamanitra, Izay Tompoko sady tompoiko, nitsangana teo anilako halina
- 24 ka nanao hoe: Aza matahotra, ry Paoly; fa tsy maintsy hitsangana eo anatrehan’ i Kaisara ianao; ary, indro, efa nomen’ Andriamanitra anao ny olona rehetra izay miaraka aminao.
- 25 Koa matokia, ry tompokolahy ô, fa mino an’ Andriamanitra aho fa ho tonga araka ny voalazany tamiko izany.
- 26 Nefa tsy maintsy fefika ihany eo amin’ ny nosy anankiray isika.
- 27 Ary tamin’ ny alina fahefatra ambin’ ny folo, raha navezimbezina tany Adria izahay, nony namatonalina dia nataon’ ny matilo fa efa manakaiky tany izy;
- 28 dia nanaka-drano izy ka hitany fa faharoa-polo refy; ary nony nandrosoroso kokoa izy, dia nanaka-drano indray ka hitany fa fahadimy ambin’ ny folo refy.
- 29 Dia natahotra izahay, fandrao hidona amin’ ny harambato, ka dia nandatsaka vatofantsika efatra teo am-bodisambo ary naniry ny andro ho maraina.
- 30 Fa raha nitady handositra hiala tamin’ ny sambo ny matilo ka efa nampidina ny salopy teo amin’ ny ranomasina izy, nody handatsaka vatofantsika eo an-doha-sambo,
- 31 dia hoy Paoly tamin’ ny kapiteny sy ny miaramila: Raha tsy mitoetra eto an-tsambo ireo, dia tsy azo vonjena ianareo.
- 32 Dia notapahin’ ny miaramila ny mahazaka rehetra tamin’ ny salopy, ka navelany ho latsaka.
- 33 Ary raha mbola tsy nazava ny andro, dia niangavy tamin’ ny olona rehetra Paoly mba hihinan-kanina ka nanao hoe: Anio no fahefatra ambin’ ny folo andro niandrasanareo, sady nahari-noana ianareo ka tsy nihinana.
- 34 Koa mananatra anareo aho hihinan-kanina, fa izany no isan’ ny hamonjena anareo; ary tsy hisy ho very aminareo rehetra na dia singam-bolo iray akory aza.
- 35 Ary rehefa nilaza izany izy sady nandray mofo, dia nisaotra an’ Andriamanitra teo anatrehan’ ny olona rehetra; ary rehefa novakiny, dia nihinana izy.
- 36 Dia nahazo toky izy rehetra ka nihinana koa.
- 37 Ary izahay rehetra teo anaty sambo dia olona enina amby fito-polo amby roan-jato.
- 38 Ary rehefa voky izy, dia nanariany ho any anaty ranomasina ny hanina mba hanamaivana ny sambo.
- 39 Ary rehefa nazava ny andro, dia tsy nahalala ny tany izy, fa nahita helodrano anankiray tsara morona, ka teo no nokasainy hampidonana ny sambo, raha azony atao.
- 40 Ary rehefa nesoriny avokoa ny vatofantsika, dia navelany ho any an-dranomasina, ary novahany koa ny kofehin’ ny familian-tsambo dia namelatra ny lay anoloana izy ho azon’ ny rivotra ka nanatona ny tany.
- 41 Ary raha tonga tamin’ izay nisy fihaonan-dranomasina izy, dia navelany hidona tamin’ ny tany ny sambo; ary ny loha-sambo nihizina ka nitoetra tsy nihetsika, fa ny vodi-sambo kosa dia vakivaky azon’ ny herin’ ny onja.
- 42 Ary ny miaramila nanao tetika hamono ny mpifatotra, fandrao hisy hilomano ireo ka ho afaka.
- 43 Fa ny kapiteny ta-hamonjy an’ i Paoly, dia nisakana azy tsy hanao izay nokasainy; fa izay nahay nilomano no nasainy hirotsaka aloha ka hilomano ho any amin’ ny tany,
- 44 ary ny sisa dia samy hanao izay hahafaka azy, na amin’ ny hazo fisaka, na amin’ ny zavatra avy amin’ ny sambo. Dia tonga soa aman-tsara teny an-tanety avokoa izy rehetra.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗