사도행전 16장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 사도행전 (Acts) · 40절
- 1 Dia tonga tany Derbe sy Lystra koa izy; ary, indro, nisy mpianatra anankiray teo atao hoe Timoty ― zanaky ny vehivavy Jiosy izay nino, fa jentilisa rainy ―
- 2 ary tsara laza teo amin’ ny rahalahy tany Lystra sy Ikonioma izy.
- 3 Koa tian’ i Paoly ho entiny miaraka aminy izy; dia nalainy izy ka noforany noho ny Jiosy tany amin’ izany tany izany, satria fantatr’ izy rehetra fa jentilisa rainy.
- 4 Ary raha nandeha nitety ny tanàna tao izy, dia natolony hotandreman’ ny olona ireo didy navoaky ny Apostoly sy ny loholona tany Jerosalema.
- 5 Ary nihanahery finoana ny fiangonana sady nihamaro isan’ andro.
- 6 Ary rehefa noraran’ ny Fanahy Masìna tsy hitory ny teny tany Asia izy, dia nandeha namaky ny tany Frygia sy Galatia
- 7 ka efa tonga tany an-tsisin’ i Mysia, dia nitady hankany Bitynia izy, fa tsy navelan’ ny Fanahin’ i Jesosy.
- 8 Ary rehefa nandalo an’ i Mysia izy, dia nidina nankany Troasy.
- 9 Ary nony alina dia nisy fahitana niseho tamin’ i Paoly, koa, indro, nisy lehilahy Makedoniana nitsangana teo ka nangataka azy hoe: Mità mankaty Makedonia, ka vonjeo izahay!
- 10 Ary nony nahita ny fahitana izy, dia nitady handeha niaraka tamin’ izay hankany Makedonia izahay, satria nataonay fa Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny filazantsara amin’ ny olona any.
- 11 Ary nony niondrana an-tsambo niala tany Troasy izahay, dia nizotra nankany Samotrakia; ary nony ampitso dia nankany Neapolia.
- 12 Ary nony niala teo izahay, dia nankany Filipy, izay tanàna voalohany amin’ izany zara-tanin’ i Makedonia izany sady zana-panjakana; ary nitoetra teo amin’ izany tanàna izany andro vitsivitsy izahay.
- 13 Ary tamin’ ny andro Sabata dia nivoaka teo ivelan’ ny vavahady izahay nankeny amoron’ ony, izay nataonay fa nisy fitoerana fivavahana; ary nipetraka teo izahay ka niresaka tamin’ ny vehivavy vory teo.
- 14 Ary nisy vehivavy atao hoe Lydia, mpivarotra lamba volomparasy, avy any an-tanàna Tyatira, izay nivavaka tamin’ Andriamanitra, dia nihaino izy, ary ny Tompo nanokatra ny fony hitandrina ny teny izay nolazain’ i Paoly.
- 15 Ary rehefa natao batisa ravehivavy mbamin’ ny ankohonany, dia nangataka izy nanao hoe: Raha ataonareo ho mahatoky amin’ ny Tompo aho, dia midìra ao an-tranoko ka mitoera ao. Dia nanery anay izy.
- 16 Ary raha nandeha ho any amin’ ilay fitoerana fivavahana izahay, dia nisy ankizivavy anankiray nanam-panahy mahavaly nifanena taminay, ary ny faminaniana nataony no nahazoan’ ny tompony harena be.
- 17 Izy nanaraka an’ i Paoly sy izahay ka niantso hoe: Ireo lehilahy ireo dia mpanompon’ Andriamanitra Avo Indrindra, izay manoro anareo lalam-pamonjena.
- 18 Ary nataony tamin’ ny andro maro izany. Ary sosotra Paoly, dia nitodika ka nanao tamin’ ny fanahy hoe: Mandidy anao amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy aho hivoaka aminy. Dia nivoaka tamin’ izany ora izany indrindra izy.
- 19 Ary nony hitan’ ireo tompony fa very ny fanantenany hahazoany harena, dia nisambotra an’ i Paoly sy Silasy izy ka nitondra azy ho any an-tsena any amin’ ny lehibe;
- 20 ary rehefa nentiny tany amin’ ireo governora izy roa lahy, dia nolazainy hoe: Ireto lehilahy Jiosy ireto mampitabataba ny tanànantsika loatra
- 21 ka mampianatra fanao tsy mety horaisintsika na hataontsika, fa Romana isika.
- 22 Ary ny vahoaka niara-nitsangana hamely azy; ary ireo governora nanaisotra ny lambany, ka nasainy nokapohina tamin’ ny hazo izy.
- 23 Ary nony efa nokapohiny mafy dia mafy izy, dia nataony tao an-tranomaizina, ka nasainy niambina azy tsara ny mpiandry tranomaizina.
- 24 Ary rehefa nahazo teny toy izany ralehilahy, dia nataony tao amin’ ny tranomaizina anatiny indrindra izy, ary ny tongony nobolokiny mafy tamin’ ny boloky hazo.
- 25 Ary nony mamatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an’ Andriamanitra Paoly sy Silasy; ary nihaino azy ny mpifatotra.
- 26 Ary nisy horohorontany mafy dia mafy avy tampoka, ka nihozongozona ny fanorenan’ ny tranomaizina; dia nivoha niaraka tamin’ izay ny varavarana rehetra, ary nivaha avokoa ny fatoran’ izy rehetra.
- 27 Dia nahatsiaro ny mpiandry tranomaizina ka nahita ny varavaran’ ny tranomaizina nivoha, dia nanatsoaka ny sabany izy ka saiky hamono tena, satria nataony fa efa nandositra ny mpifatotra.
- 28 Fa Paoly niantso tamin’ ny feo mahery ka nanao hoe: Aza mamono tena, fa ato ihany izahay rehetra.
- 29 Ary izy niantso jiro, dia nikaretsaka niditra sady tora-kovitra ka niankohoka teo anatrehan’ i Paoly sy Silasy.
- 30 Ary rehefa nentiny nivoaka izy roa lahy, dia hoy izy: Tompoko, inona no mety hataoko, mba hovonjena aho?
- 31 Dia hoy izy roa lahy: Minoa an’ i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao.
- 32 Ary izy roa lahy nitory ny tenin’ ny Tompo taminy sy tamin’ izay rehetra tao an-tranony.
- 33 Ary nandray azy roa lahy izy tamin’ izany ora amin’ ny alina izany ka nanasa ny dian-kapoka; ary natao batisa tamin’ izay izy mbamin’ izay azy rehetra.
- 34 Ary rehefa nentiny niakatra ho ao an-trano izy roa lahy, dia norosoany hanina teo anoloany, dia nifaly indrindra izy mbamin’ izay rehetra tao an-tranony, satria efa nino an’ Andriamanitra.
- 35 Ary rehefa maraina ny andro, ireo governora dia naniraka ny mpitan-defona ka nanao hoe: Alefaso ireo olona ireo.
- 36 Ary ny mpiandry tranomaizina nilaza izany teny izany tamin’ i Paoly hoe: Ireo governora efa naniraka handefa anareo, koa ankehitriny mivoaha ianareo ka mandehana soa aman-tsara.
- 37 Fa hoy Paoly taminy: Efa nokapohiny tsy voatsara teo amin’ ny miharihary izahay, kanefa Romana izahay, ka nataony tao an-tranomaizina, ary ankehitriny moa mamoaka anay mangingina va izy? Tsia, fa aoka izy ihany ho hankatỳ hamoaka anay.
- 38 Ary ny mpitan-defona nilaza izany teny izany tamin’ ireo governora; dia natahotra izy, raha nahare fa Romana izy roa lahy.
- 39 Dia tonga izy ka nanony azy sady nitondra azy nivoaka ary nangataka azy handeha hiala ao an-tanàna.
- 40 Dia niala tao an-tranomaizina izy ka niditra tao an-tranon’ i Lydia; ary rehefa nahita ny rahalahy izy, dia nananatra azy ka lasa nandeha.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗