사도행전 12장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 사도행전 (Acts) · 25절
- 1 Ary tamin’ izany andro izany Heroda mpanjaka naninjitra ny tànany hampahory ny sasany tamin’ ny fiangonana.
- 2 Ary izy namono an’ i Jakoba, rahalahin’ i Jaona, tamin’ ny sabatra.
- 3 Ary rehefa hitany fa sitraky ny Jiosy izany, dia nandroso nisambotra an’ i Petera koa izy. (Efa mby tamin’ ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira tamin’ izany.)
- 4 Ary rehefa nosamboriny izy, dia nataony tao an-tranomaizina ka natolony tamin’ ny miaramila enina ambin’ ny folo hambenany; dia nikasa hamoaka azy ho eo amin’ ny vahoaka izy, rehefa afaka ny Paska.
- 5 Ary Petera nambenana tao an-tranomaizina; ary ny fiangonana nahery nangataka tamin’ Andriamanitra ho azy.
- 6 Ary nony efa hamoaka azy Heroda, dia natory teo anelanelan’ ny miaramila roa lahy Petera tamin’ iny alina iny, sady voafatotra tamin’ ny gadra roa izy; ary nisy mpiambina niambina ny tranomaizina teo am-baravarana.
- 7 Ary, indro, nisy anjelin’ ny Tompo tonga teo, sady nisy mazava namirapiratra tao an-trano; ary izy nanohina ny tehezan’ i Petera, dia namoha azy ka nanao hoe: Mitsangàna faingana. Dia niala tamin’ ny tànany ny gadra.
- 8 Ary hoy ilay anjely taminy: Misikìna, ary fehezo ny kapanao. Dia nataony izany. Ary hoy koa izy taminy: Tafio ny lambanao, ka manaraha ahy.
- 9 Dia nivoaka izy ka nanaraka ary; ary tsy fantany ho marina izay nataon’ ny anjely, fa nataony ho nahita fahitana ihany izy.
- 10 Fa rehefa nandalo ny fiambenana voalohany sy faharoa izy, dia tonga teo amin’ ny vavahady vy izay mahazo ny lalana ho any an-tanàna; ary nivoha ho azy io mba halehany; ary nony nivoaka izy, dia nandroso tamin’ ny lalana iray; ary niaraka tamin’ izay dia nandao azy izay anjely.
- 11 Ary rehefa nahatsiaro fanahy Petera, dia nanao hoe: Ankehitriny fantatro marina tokoa fa ny Tompo efa naniraka ny anjeliny ka namonjy ahy tamin’ ny tànan’ i Heroda sy ny fanantenan’ ny Jiosy rehetra.
- 12 Ary rehefa fantany tsara izany, dia nankany an-tranon’ i Maria, renin’ i Jaona, izay atao hoe koa Marka, izy; ary nisy olona maro niangona nivavaka tao.
- 13 Ary raha nandondona ny vavahady Petera, dia nisy ankizivavy atao hoe Roda nankeo hihaino.
- 14 Ary rehefa nahalala ny feon’ i Petera izy, dia tsy namoha ny vavahady noho ny hafaliany, fa lasa nihazakazaka ary niditra ka nilaza fa Petera no mijanona eo am-bavahady.
- 15 Fa hoy ny olona taminy: Very saina ianao. Fa izy nitompo rariny fa izany tokoa. Dia hoy indray ny olona: Anjeliny izany.
- 16 Fa Petera naharitra nandòndòna ihany, ary rehefa novohany, dia nahita azy ireo ka talanjona.
- 17 Fa izy nanofa tanana azy mba hangina, dia nanambara taminy izay namoahan’ ny Tompo azy avy tao an-tranomaizina. Ary dia hoy izy: Ambarao amin’ i Jakoba sy ny rahalahy izany zavatra izany. Dia niala izy ka lasa nankany amin’ ny fitoerana hafa.
- 18 Ary rehefa nazava ny andro, dia nifanaritaka be ihany ny miaramila ka nanao hoe: Nankaiza Petera?
- 19 Ary rehefa nitady azy fatratra Heroda, fa tsy nahita, dia nadininy ny mpiambina ka nasainy novonoina. Ary Heroda nidina niala tany Jodia hankany Kaisaria, dia nitoetra tany.
- 20 Ary Heroda tezitra loatra tamin’ ny Tyriana sy ny Sidoniana; fa niray saina kosa ireo ka nankany aminy, ary rehefa nahazo an’ i Blasto, mpitandrina ny trano fandrian’ ny mpanjaka, ho sakaizany, dia nangataka fihavanana, satria ny taniny nivelona tamin’ ny tanin’ i Heroda.
- 21 Ary tamin’ ny andro voatendry dia niakanjo akanjom-panjakana Heroda ka nipetraka teo ambonin’ ny seza fiandrianany, dia nikabary tamin’ ny vahoaka.
- 22 Ary ny vahoaka niantso hoe: Feon’ Andriamanitra izany, fa tsy an’ olona!
- 23 Ary niaraka tamin’ izay dia nisy anjelin’ ny Tompo namely azy, satria tsy nanome voninahitra an’ Andriamanitra izy; ka dia nohanin’ ny kankana izy ka maty.
- 24 Ary nandroso sy niely ny tenin’ Andriamanitra.
- 25 Ary Barnabasy sy Saoly niverina avy tany Jerosalema, rehefa vita ny fanompoany, dia nitondra an’ i Jaona, izay atao hoe Marka, hiaraka aminy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗